Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Torontoronina: p.t.: Enti-milaza: 1) ny zaza vao miforona ao an-kibon-dreniny: Vao torontoronina ny zaza dia azo lazaina fa tokony harahi-maso tandremana tsara -2) na koa ny reny manomboka hanan-janaka ao am-bohoka na mitoe-jaza: Vao notorontoronina an'io zaza io izy dia efa tsy sala-ma. Ahitsio
Torosina: (torosy) mt. ih, (torosio): Ampitovina halehibe amin'ny alalan'ny torosy. Ahitsio
Torosy: (fr. trusquin) a.: Fiasan'ny mpandrafitra hanatsipihany ny hazo hotsofana na hovankonina mba hitovy halehibe hatrany manaraka ny lavany. ? h.o,: Halehibe, lenta: Mitovy torosy. - t.i.f.: Torosina, atorosy, voatorosy J manatorosy, fanatorosy, mpanatorosy 1 anatorosiana, fanatorosiana J mitorosy, fitorosy, mpitorosy 1 itorosiana, fitorosiana J mahatorosy. Ahitsio
Torotoro: p.t.: Vaky potipotika, montsana: Torotoro ilay tavoahangy nianjera avy eny an-dauarangana. • h.o.: Torotoro ny fahavalo tamin'ny ady. 1 Hontsa dia hontsa: Torotoro ny foko nahita ilay reny niantoraka teo amin'ny zanany tsy niainaintsony. - t.i.f.: Torotoroina, voatorotoro, tinorotoro J manorotoro, fanorotoro, mpanorotoro J anorotoroana, fanorotoroana. Ahitsio
Torotorohina: p. t.: Manomboka ho Io ka rakotra vovobovoka fotsifotsy; lomorina, bobongolo: Haxo efa torotorohina no nanaovanao ity seza ity. Ahitsio
Torotoroina: (torotoro) mt. ih. (torotoroy): Vakina atao potipotika, montsanina: Notorotoroiny tamin'ny vato ny siniko. Ahitsio
Torotoroka: a.: Karazana vorondolo, kelikely vatana, hi-ta eny anaty hazo rehetra eny (halavany: 25sm) — (biby mifandray arniny: vorondolo, matoriandro, tararaka). Ahitsio
Torovana: p. t.: Vizana mafy, lanaky ny hasasarana: Torouana aho ka tsy maharay te-na intsony. Ahitsio
Torovoka: a.: Fipetraka miarinarina eo amin'ny tany na eo ambony tsihy, ny lohalika atsangana misafosafo amin'ny saoka: Mahatsikaiky ny torouok'io rafotsibe io. - t.i.f.: Atorovoka, voatorovoka, tafatorovokal manatorovoka, fanatorovoka, mpanatorovoka 1 anatorovohana, fanatorovohana 1 mitorovoka, fitorovoka, mpitorovoka / itorovor, ana, fitoxovohana / mahatorovoka / torovodrovoka. * Ohab.: Ny torouok'am boa maro mpahalala, fa ny hisafelehan'ny rambony no tsy misy mahafantatra: ilazana fa misy toetran'olona na toejavatra iaraha-mahalala izao, fa ny ho fihetsiny na ho vokany any aorianano tsy misy mahafantatra. Ahitsio
Tory: a.: Fanesorana ny kiranjavatra hahazoana kofehy. • Fakana ny tadim-baliha amin'ny tenany ihany, na ny tadim-baliha mihitsy: Valiha tory folo. 1 Fandrasana hena izay atao didy vaventy: Torin-kena: hena vita didy vaventy mitsoriaka. ? Soritra enti-manasaraka fari-tanimbary na tanimboly, na ny tanimboly voasarak'io soritra io mihitsy: Mangahazo iray tory. - t.i.f.: Torina,voatorylmitory, fitory, mpitory / itoriana, fitoriana / mahatory. • F.-p.: Tory hisatra: famakivakiana ny hodi-jozoro efa voaendaka araka izay itiavana azy. J Varavarana tory hisatra: lela varavarana nolalarana mitsoriadriaka manaraka ny lavany mitovy elanelana. J Tory kisina: hata-piso, hatak'adala manao lemozy. J Torim-boanjo: tanimboanjo voasoritsoritra lavalava mitandahatra. / Manao torim-boanjo ny.lanitra: flazana ny rahona toa mivongambongana na mitsitokotoko eny amin'ny habakabaka. / Torin'asa: tanimboly efa voasoritsoritra lavalava mitandahatra. / Torin-tany: sa-ha voafefy sy voafaritra. Ahitsio
Tory: a.: Fiampangana olona iray ho nanao ratsy eo anatrehan'ny antokon-draharahampitsarana.I fi, f.: Torina, voatory, tinory J mitory, fitory, mpitory 1 itoriana, fitoxiana 1 mifampitory / mahatory J toritory. Ahitsio
Tory: a.: Filazana, fandaharana sy fivoasana ny tenin'Andriamanitra. i tif: Torina, voatory i mitory, fitory, mpitory J itonana, fitoriana. Ahitsio
Tory: sy Torimaso a.: Fotoana ialan'ny tena manontolo sasatra amin'ny fikimpian'ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena, ka ny asa tsy miankina amin'ny sitrapo marnelona ny tena ihany no sisa mandeha, toy ny fitepon'ny fo, ny fakana fofon'aina...: Resin-tory aho tamin'ny fijerena sarimihetsika. / Rendrika ao anatin'ny torimaso izy. - t.i.f.: Matory, matoritory, fatory, mpatory i atoriana, fatoriana. - Mahazo tory: rendrika arnin'ny torimaso. / Miari-tory: minia tsy matory no-ho ny antony iray. / Resintory: tsy mahatohitra ny torimaso fa renoka. J Sondriantory: tsy mahatsiaro, tsy taitra amin'ny fotoana tokony hifohazana. J Tory masiaka: torimaso tapatapaka fa misy mpanaitaitra, hany ka milondolondo te hatory ny maso na dia efa mifoha aza. Ahitsio
Tosahana: na Tosahina (tosaka) mt. pdr. sady ih. (tosahy): Rarahana rano. ? Tapahina. Ahitsio
Tosaka: p. t.: Mitobaka any ivelany, miraraka na mihanaka noho ny habetsahany. ? Miparitaka eo am-pahavakiana. ? Tapaka. - t.i.f.: Tosahana, tosahina f atosaka, voatosaka / manosaka, fanosaka, mpanosaka / anosahana, fanosahana / mitosaka, fitosaka / itosahana, fitosahana / mahatosaka f tosatosaka. Ahitsio
Tosidra: a.: Fanoheran'ny aritera amin'ny fanosehan'ny ra, ka raha mafy tsy mifandanja amin'ny_fonon'ny aritera io fanosehana io dia mety ho tapaka ny lalandra. Ahitsio
Tosika: a.: Ronjina; ezaka atao mba hampivoaka olona amin'ny faritra iray, na hamotraka azy na handroaka azy: Resy tosiha izy ka lasa. - t.i.f.: Atosika, voatosika / manosika, fanosika, mpanosika / anosehana, fanosehana / mifanosika / mahatosika / tositosika. Ahitsio
Tosina: (tosy) mt. ih. (tosio): Kasihina (amin'ny lalao kanety). Ahitsio
Tositosy: a.: Jer. Tosy. Ahitsio
Tosy: a.: Fihetsehana miangolangola mba hanehoam-pitiavana na hierenam-pitia amin' ny olona ifampiresahana, - t.i.f.: Tosina, voatosy / mitosy, fitosy, mpitosy / itosiana, fitosiana. Ahitsio