Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tratra: p.t.: Enti-milaza olona na zavatra mandeha eo aloha ka enjehin'ny hafa avy ato aoriana ary tonga eo aminy ilay io: Tratrako haingana teny an-dalana izy. ? Azo: Tratrako am-body omby ilay nangalatra ny birikiko. ? Tampohina, sovohina: Tratran'ny orana teny an-tsaha aho. 1 Takatra: Mbola„tsy tratran'ny saiko izany. ? Tonga:Tratrako an tsasak 'adiny amin'ny aotomobilina A ntsaha firaisana. - t.i.f.: Tratrarina, voatratra 1 manatratra, fanatratra, mpanatratra 1 anatratrarana, fanatratrarana / mankatratra, fankatratra, mpankatratra 1 ankatrarana, fankatrarana J mahatratra J ahatrarana, fahatratrarana, fahatrarana. - F. -p.: Izaitratra: be dia be. / Mahatra-po: mahatratra na mahavonjy ny faharerahana, ny hanoanana. J Tra-basy: takatry ny balam-basy. / Traboina na tra-doza: voan'ny loza. / Tra-bonjy: voavonjy ara-potoana ka tsy tratran' ny loza. / Tra-danosina: enti-milaza rano izay mety ho tratra amin'ny filomanosana raha hiampitana. J Tra-drasa, atao tra-drasa: biby efa toa ho faty — na noho ny aretina na noho ny loza nahazo azy — ka vonjena vonoina haingana mba hohanina na hamidy. / Tra-maso: ?itan' ny maso jerena J Tra-tehaka: azo eo am-panaovana ratsy na eo am-pangalarana mihit'sy. ¶ M. h.: Azo an-tanana, azo olan-tanana, tratra am-body omby. / Tra-toraka: akaiky mety ho tongan'ny vato atoraka. J Tratr'andro: tsy tafafoha maraina fa efa mazava vao taitra tamin'ny torimaso. J Tratra antitra: ela velona sy maro andro niainana. / Trara antitra: teny fanaovam-beloma sy fixariana ho tratra antitra anie. / Tratra antso: enti-milaza olona mety ho takatry ny antso atao — enti-milaza koa ny efa voaheloka ho faty, nefa nahazo famindram-po ka tsy novonoina indray. J Tratra aoriana: diso fotoana, tsy tonga ara-potoana. J Tsy tra-drano: ilazana olona maty tampoka sy vetivety noho ny voina nahazo azy. J Tsy tra-maso mipy: haingana dia haingana, tsy hita hojere-maso akory. Ahitsio
Tratraingo: a.: Biloka, baraingo. ~ Fandeha mikotringatringa. 1 Kilema. i Mitratraingo. Ahitsio
Tratrarina: (traira) mt, ih. (tratraro): Atao izay hahatongavana eo amin'izay enjehina: Tratraro ir9 olona mihazakazaka iry. 1 Takarina: Traira-ro kely ir? sary mihantona Ahitsio
Tratreva: a.: Vatravatra; fandeha mahery setra manimba izay sendra azy; fihetsika mivatravatra na amin'ny fandeha na amin'ny fiteny. - t.i.f.: Tratrevaina, atratreva, voatratreva / manatratreva, fanatratreva, mpanatratreva 1 anatratrevana, fanatratrevana / mitratreva, titratreva, mpitratreva 1 itratrevàna, fitratrevàna / mahatratreva 1 tratrevatreva. Ahitsio
Tratrevaina: (tratreva) mt. ih. (tratreoao): Hosena, potehina, montsanina. Ahitsio
Trea: (Br) a.: Enti-milaza karazan-tandrok'omby misabaka tanteraka ka mitovy fan-dry somary mahitsy lava amin'ny ila sofina roa. Ahitsio
Trebehina: (trebika) mt. ih. (trebeho): Tsindronina, loahana. Ahitsio
Trebika: a.: Fanindronana amin'ny zava-maranitra. - t.i.f.: Trebehina, atrebika, voatrebika, trinebika / manatrebika, fanatrebika, mpanatrebika / anatrebehana, fanatrebehana / mitrebika, fitrebika, mpitrebika 1 itrebehana, fitrebehana 1 mahatrebika 1 trebitrebika. Ahitsio
Trebona: a.: Fitsimohan'ny zavamaniry. 1 Fanatsatohana zavatra marani-doha amin-javatra malemilemy. - t.i.f.: Trebonina, atrebona, voatrebona 1 manatrebona, fanatrebona, mpanatrebona / anatrebonana, fanatrebonana 1 mitrebona, fitrebona 1 itrebonana, fitrebonana/ mahatrebonal trebontrebona. Ahitsio
Trebonina: (trebona) mt. ih. (trebony): Tsatohana zavatra marani-doha. Ahitsio
Trebotrebo: ft.: Hita amin'ny fitenenana hoe: Mamono olona an-trebotrebo: mamono olona tsy araka ny lalàna. Ahitsio
Trebotrebonamboa: a.: Karazan'ahitra fanao raokandro (Dicrocephala latifolia). Ahitsio
Trefona: sy Trifona a.: Fitronana, toy ny an'ny omby na soavaly. - t.i.f.: Mitrefona, fitrefona, mpitrefona / itrefonana, fitrefonana, itrifonana, fitri• fonana / mahatrefona / trefontrefona. Ahitsio
Treforana: (trefotra) mt. ih. (trefory): Tseforana, andefasana feo miboana. Ahitsio
Trefotra: a: Tsefotra entimilaza ny feo miboana na mipoaka tampoka heno raha misy biby mangetotra. - t.i.f•: Treforana, atrefotra, voatrefotra J mitrefotra / itreforana, fitreforana. Ahitsio
Trehatreha: sy Trehantrehana a.: Firehaka, teny fireharehana amin'ny harena, hery na fahaizana. - t.i.f.:Tafatrehatreha 1 mitrehatreha, fitrehatreha, mpitrehatreha 1 itrehatrehana, fitrehatrehana 1 mahatrehatreha. Ahitsio
Trena: a.: Ny fiman'ny omby. 1 Ny feo mimamamàna na mifofofofon'ny riaka. 1 h.o.: Feo mampitahotra eo am-pahatezerana. 1 tif: Tafatrena / mitre-na, fitrena, mpitrena / mahatrena I trentrena. Ahitsio
Treoka: sy Treotreoka a.: Ny tendabe. ? Feo migoboka feno fandrahonana. * F.-p.: Treo-dela: ny fotos dela. / Treotreok'orana: orana efa misamboaravoara. 1 t.i.f.: Mitreoka, mitreotreoka. Ahitsio
Trerona: a.: Teny mandrahona. - t.i.f.: Treronina / mitrerona, fitrerona, mpitrerona / itreronana, fitreronana / mahatrerona / trerontrerona. Ahitsio
Treronina: (trerona) mt. ih. (trerony): Anaovana feo mandrahona, mampitahotra: Notreronin-drainy mafy Ikoto ka raiki-tahotra, Ahitsio