Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Takiky: p.t.: Tsy manan-javatra na inona na inona, vava takiky. ? h.i.: Manjoretra sy mitanondrika. - t.i.f.: Atakiky, voatakiky, tafatakiky / manatakiky, fanatakiky, mpanatakiky / anatakikiana, fanatakikiana / mitakiky, fitakiky, mpitakiky / mahatakiky. Ahitsio
Takila: p. t.: Toetran'ny zavatra nahafahana ny ilany. ? a.: Ilany, sombiny; ny lafiny ambadika sy ambadika amin'ny ravin-taratasy na takelaky ny boky: Ny boky dimampolo takelaka dia misy takila zato. / Jereo ao amin' ny takila fahatelo amby enimpolo. - t.i.f. : Takilaina, atakila. voatakila / manatakila, fanatakila, mpanatakila / anatakilana, fanatakilana / mitakila, fitakila / itakilàna, fitakilàna / mahatakila. Ahitsio
Takilaina: (takila) mt. ih. (takilao): Esorina ny ilany. Ahitsio
Takilodrano: a.: Aretina avy amin'ny olitry ny kakandio (bilariziozy) tafiditra amin' ny tena (raha sendra mirobo-drano misy azy fotsiny), izay mahatonga ho reraka, rnivalan-drano miharo ra na mivalana misy ra, ary miteraka fivontosan'ny aty sy ny sarakaty. Ahitsio
Takilotse: (Ski) a.: Anaram-bahy misy lainy mampalailay ny voany. Ahitsio
Takimoka: a.: Hehy tanana tsy atao mafy, hehy tsy vaky. - t.i.f.: Tafatakimoka / mitakimoka / mahatakimoka. Ahitsio
Takina: (taky) mt. ih. (takio): Alaina na angatahina mafy satria ananana zo: Notakiko ny trosako tany amin-dRabe ka izy indray no avo uaua. ? Ilaina, tadiavina: Takin'ny toetr'andro izany zauatra izany. Ahitsio
Takisina: a.: Jar. Tankisina. Ahitsio
Takitsohina: (takitsoka) mt. ih. (takitsoy): Atoraka mafy, lalina dia lalina. Ahitsio
Takitsoka: p. t.: Tafalentika sy mihizina, tafidina ambany tsy afa-mihetsika. - t.i.f. : Takitsohina, atakitsoka, voatakitsoka, tafatakitsoka / manatakitsoka, fanatakitsoka, mpanatakitsoka / anatakitsohana, fanatakitsohana / mitakitsoka, fitakitsoka, mpitakitsoka / itakitsohana, fitakitsohana / mahatakitsoka. Ahitsio
Takizina: p.t.: Maizina tsy misy jiro na hazavana: Takizina tao izahay nandritra ny fahefatr'adiny. ? h.o.: Ambany saina tsy mbola tratran' ny fahalalana. - t.i.f.: Takizinina, atakizina, voatakizina, tafatakizina / manatakizina, fanatakizina, mpanatakizina / anatakizinana, fanatakizinana / mitakizina, fitakizina, mpitakizina / itakizinana, fitakizinana / mahatakizina. Ahitsio
Takizinina: (takizina) mt ih. (takizino): Atao tonga maizina; avala ho ao anaty haizina: Aza takizinina amin'io lambam-baravarana mateuimbe io ny efitrano. ? Atao tonga fadiranovana. Ahitsio
Takobahina: (takobaka) mt. ih. (takobahy): Hetsiketsehina ao anaty rano. Ahitsio
Takobaka: ft.: Fanetsiketsehana na fanaovana izay hampikobana ny rano ao anaty tavy na fitoeran-drano hafa, na fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano. - t.i.f.: Takobahina, atakobaka, voatakobaka / manatakobaka, fanatakobaka, mpanatakobaka / anatakobahana, fanatakobahana / mitakobaka, fitakobaka, mpitakobaka / itakobahana 1 mahatakobaka. Ahitsio
Takoboka: a: Fitoeran-drano be kibo fa kely vava. ? Filanjana mis;i tafony na misarona. - t.i.f. : A takoboka, voatakoboka, tafatakoboka / manatakoboka, fanatakoboka, mpanataktboka / anatakobohana, fanatakobohana / mitakoboka, fitakoboka, mpitakoboka / itakobohana, fitakobohana / mahatakoboka. Ahitsio
Takobona: a.: Jer. Sakobona. Ahitsio
Takodara: na Tsakodara (Ski) a.: Anaram-borona misy sanga toy ny akoholahy. Ahitsio
Takodimena: a.: Aretina vailahy kely bitika amin'ny sisin'ny hodi-maso. Ahitsio
Takodirana: (takoditra) mt, ih, (takodiro): Andrahoina aman-kodiny: Takodiro ireo ouy ireo. Ahitsio
Takoditra: a.: Ireo zavamaniry mamody, toy ny ovy, andrahoina miaraka amin'ny hodiny; ny voanjobory na ny voanjombazaha andrahoina aman-kodiny fa tsy voasana aloha. - t.i.f.: Takodirina, atakoditra, voatakoditra / manatakoditra, fanatakoditra , mpanatakoditra / anatakodirana, fanatakodirana / mitakoditra, fitakoditra / itakodirana, fitakodirana / mahatakoditra. Ahitsio