Tsimperifery | : | a.: Zavamaniry masiatsiaka ny voany toy ny dipoavatra vahiny, izay atao koa hoe tsimahalatsaka.
Ahitsio |
Tsimpimpina | : | a,: Karazan'ahitra fanao ody folaka na mioritra.
Ahitsio |
Tsimpohafoha | : | a.: Dongon-tany kely ataon'ny kankana na ny bibikely hafa mivoaka avy any anaty tany. - t.i.f.: Tsimpohafohazina, atsimpohafoha, voatsimpohafoha 1 manatsimpohafoha, fanatsimpohafoha, mpanatsimpohafoha 1 anatsimpohafohazana, fanatsimpohafohazana I mitsimpohafoha, fitsimpohafoha, mpitsimpohafoha 1 itsimpohafohazana, fitsimpohafohazana 1 mahatsimpohafoha.
Ahitsio |
Tsimpohafoha | : | a.: Zavamaniry karazan'ny mihoronkorùna fa kely.
Ahitsio |
Tsimpohafohazina | : | (tsimpohafohazina) mt ih. (tsimpohafohazy): Enti-milaza ny tany ataon'ny bibikely mitsitokotoko eny am-bava lavany. 1 Enti-milaza ny volo atao mitsangantsangana.
Ahitsio |
Tsimpona | : | a,: Fakana zavatra tsy indray mandeha fa imbetsaka; fandraisana tsirairay hatrany; fantina; fifantenana zavatra, tsy fakana betsaka fa tokana hatrany. i t. t. f.: Tsimponina, atsimpona, voatsimpona 1 mitsimpona, fitsimpona, mpitsimpona 1 itsimponana, fitsimponana I mahatsimpona I tsimpontsimpona.
Ahitsio |
Tsimponina | : | (tsimpona) mt. ih. (tsimpony): Alains tsirairay: Notsimponiny ireo vakana niraraka tamin'ny tany. 1 Fantenana ka alaina tairairay: Tsimpony ny teny rehetra miafara amin'ny "tra" amin'io an-dalan-tsoratra io.
Ahitsio |
Tsin- | : | Tovona fanaovana fototeny faharoa manamafy ny hevitry ny fototeny voalohany: Tsingerina (herina), tsinjara (zara).
Ahitsio |
Tsinabo | : | (tsabo) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsabo, tsaboina, karakaraina mba ho sitrana: Betsaka izay olona notsinabony izay!
Ahitsio |
Tsinaika | : | (tsaika) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsaika, tsaikaina, tsaikafina, fantenana: Ny voa e fa notsinaika no ambolena matetika.
Ahitsio |
Tsinaikanaika | : | Mitovy hevitra ary mitovy fiovana endrika amin'ny Naikanaika.
Ahitsio |
Tsinainaina | : | ft.: Toetran'ny olona na biby nosesefan-kanina. i t. Mitsinainaina, fitsinainaina.
Ahitsio |
Tsinainy | : | a.: Hazo kely mampitohy ny hazofisaka anankiroa.
Ahitsio |
Tsinaka | : | sy Tsinatsinaka a.: Fibontsin'ny kibo (toy ny an' ny vehivavy bevohoka). - t.i.f.: Mitsinaka, fitsinaka.
Ahitsio |
Tsinako | : | (tsako) mt. ih, misy tsofoka in: Voatsako, tsakoina, totoina amin'ny nify.
Ahitsio |
Tsinana | : | p.t.: Enti-milaza ny volana vao miandoha, vao miverina miseho ho hita indray, rehefa avy maty: Tsinana afak'omaly ny volana ka efa hita kely anio.
Ahitsio |
Tsinanaina | : | p.t.: Teny enti-milaza ny tanimbary dibo-drano be loatra.
Ahitsio |
Tsinanginangy | : | a.: Hasahiana be loatra, fidaondaom-bava: Tsy zaka leferina intsony ny tsinanginangin'io vehivavy io. - t.i.f.: Mitsinanginangy, fitsinanginangy, mpitsinanginangy / itsinanginanginana, fitsinanginangiana 1 mahatsinanginangy.
Ahitsio |
Tsinanika | : | a.: Fibobohana be loatra, filerana be loatra. - t.i.f.: Mitsinanika, fitsinanika.
Ahitsio |
Tsinaonaona | : | Jer. Kinaonaona.
Ahitsio |