Tsinapaka | : | (tsapaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsapaka, tsapahina, idirana: Notsinapaky ny mpangalatra, ho-no, ny tranon-dry zareo ato avaratra. 1 Trabarana: Notsinapaky ny lefona ny tendan'ilay lambo.
Ahitsio |
Tsinay | : | a.: Organa fototr'aina ao anatin'ny tenan'ny olombelona (ny kibo), izay toy ny fantsona mamoaka ny fakan-tsakafo tsy levona; mivoaka avy eo amin'ny vavony ny tsinay ka miafara any amin'ny vavafivalanana; mizara roa izy io dia ny tsinaikely (6-8 m ho an'ny olombelona) ary ny tsinaibe (1,40 m - 1,70 m). - F.-p.: Tsinaim-potsy: ny tsinain' omby. / Tsinain-dahiny: ilay faritra miolikolika amin'ny tsinain'omby. I Fotsy tsinay: tsy nihinan-kanina, noana. / Mifanapa-tsinay: ilazana ny mpirahalahy na mpirahavavy na mpianadahy iray tam-po, iray reny niteraka. / Tsinay homana aty: mamely ny iray tam-po amin'ny tena na ny ankohonana. * Ohab. : Fotsy tsinay manantiana: noana fa natakalo fitiavana ny fahavokisana.
Ahitsio |
Tsindahoro | : | a.: Karazan-kazo madinika (Sida rhombifolia).
Ahitsio |
Tsindailay | : | a.: Karazan-kazo madinika (Triumffeta Rhumboidea).
Ahitsio |
Tsindakana | : | a.: Karazam-balala maitso tia morondrano.
Ahitsio |
Tsindakandakana | : | a.: Karazankazo madinika (Acaiypha Baroni, Baker).
Ahitsio |
Tsindohaina | : | p. t.: Misa, na fan° tsindoha.
Ahitsio |
Tsindrahaka | : | a.: Karazana kadradraka mivelona any anaty rano ka atao koa hoe "tsimahatafitena" raha mbola kely.
Ahitsio |
Tsindrahimany | : | a.: Karazankadradraka mivelona anaty rano ary maimbo.
Ahitsio |
Tsindraindray | : | p. mt.: Mahalana fa tsy misesy: Mba tonga mamangy anao aty ihany ve ny zanak'anabavinao? — Tonga tsindraindray izy. - F.-p.: Tsindraindray tadiavina: mahalana dia mahalana.
Ahitsio |
Tsindramy | : | a.: Hazo misy ditiny manitra.
Ahitsio |
Tsindrano | : | a.: Karazam-balala any anaty rano izay mitomamotamo ny volony. * Ohab.: Tsindranolahy ankeniheny: ny tama-miray ihany no miray: ny mitovitovy toetra sy saina ihany no miaraka. ¶ M.h.: Izay miaraka amin'ny mpiasa dia mpiasa, izay miaraka amin' ny amboalambo dia amboalambo.
Ahitsio |
Tsindranolahy | : | a.: Vatan-dehilahy mahatoky ny Andria-na fahiny na tamin'ny tanjany na tamin'ny toetrany, ka nofidiny tamin'ny maro hiaro sy hiambina azy ary tsy nisaraka taminy mihitsy na taiza na taiza nalehany.
Ahitsio |
Tsindrantsindrana | : | ft.: Enti-milaza ny toe-javatra tsy milamina, somaradimbana, mikorontana toy ny volo mitsangantsangana, mitsibolobolo. 1 Fihetsika mipelipelika, tsy mahapetraka fa manketsy mankeroa noho ny tsy fahamaotinana. - t.i.f• : Atsindrantsindrana, tafatsindrantsindrana 1 mitsindrantsindrana, fitsindrantsindrana 1 itsindrantsindranana, fitsindrantsindranana 1 mahatsindrantsindrana.
Ahitsio |
Tsindraondraotra | : | a.: Bibikely madinika dia madinika fahita amin'ny akoho mikotrika.
Ahitsio |
Tsindretra | : | a.: Karazam-bibikely any anaty rano izay tonga angidina rehefa avy miofo fanindroany. (Toetra voalohany isehoan'ny angidina raha vao foy izany ny tsindretra alohan'ny hiofoany ho ondrindrano, izay hiofo ho te-na angidina).
Ahitsio |
Tsindriana | : | (tsindry) mt. ih. (tsindrio): Terena avy ambony amin'ny lanjan'ny tena: Tsindrian-dRangahy ity lahy ny satroko! 1 Asiana zavatra mitambesatra aminy avy eo ambony: Tsindriana vato ny tsihy misy vary ahahy. / h,o.: Ampiana: Tsindrio roa lahy ireo mpiasa ireo raha tianao ho vita haingana ny raharaha. / Tonena: Tsindrio ihany ny fo indraindray mba tsy ho tezitra tafahoatra. - F.-p.: Tsindrian-daona: tsy mahapetraka fa dodona, mai-ka. / Tsindrian-javatra: toa misy fanahy manelingelina.
Ahitsio |
Tsindriandriana | : | a.: Karazandalao fanaon'ny ankizivavy kely misy solon'olona mivelona ao an-tokantrano, mitovy amin'ny hoe "Kindriandriana".
Ahitsio |
Tsindrihina | : | (tsindrika) mt, ih. (tsindriho): Tafoana herana: Notsindrihinao angaha ny tranonao?
Ahitsio |
Tsindrika | : | a.: Fanafoana trano amin'ny herana. - t.i.f.: Tsindrihina, atsindrika, voatsindrika 1 manindrika, fanindrika, mpanindrika / anindrihana, fanindrihana I mahatsindrika.
Ahitsio |