Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsingaroka: a.: Anarana hafa ilazana ny mokafohy. Ahitsio
Tsingaroka: a.: Mitovy amin' ny Tsikaroka. Ahitsio
Tsingatotra: a.: Toetran'ny olona potraka ka miainga ny ilany vao mianjera; zavatra mianjera ka mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony. 4 Atsingatotra, tafatsingatotra 1 manatsingatotra, fanatsingatotra, mpanatsingatotra 1 anatsingatorana, fanatsingatorana 1 mitsingatotra, fitsingatotra, mpitsingatotra 1 itsingatorana, fitsingatorana / mahatsingatotra f tsingatongatotra. Ahitsio
Tsingatsa: a.: Karazan-javamaniry mitovy amin'ny kingatsa (Crinum defixum). Ahitsio
Tsingavina: a.: Karazan-javamaniry. • Anarana hala karazany iray. Ahitsio
Tsingedana: ft.: Toetran'ny oiona mandry mivalampatra, mitsotra toy ny amalo-maty. 1 t.i.f.: Atsingedana, voatsingedana, tafatsingedana / manatsingedana, fanatsingedana, mpanatsingedana I anatsingedanana, fanatsingedanana 1 mitsingedana, fitsingedana, mpitsingedana / itsingedanana, fitsingedanana 1 mahatsingedana 1 tsingedangedana. Ahitsio
Tsingerina: ft.: Fiverenana eo amin'ny toerana nialana (filaza indrindra amin'ny masoandro, volana, fotoana). i t. z f.: Atsingerina, voatsingerina, tafatsingerina 1 manatsingerina, fanatsingerina, mpanatsingerina 1 anatsingerenana, fanatsingerenana 1 mitsingerina, fitsingerina, mpitsingerina 1 itsingerenana, fitsingerenana 1 mahatsingerinaj mitsingerhngerina 1 tsingeringerina. Ahitsio
Tsingetana: a.: Karazam-balala madinika, mitomamotamo ny volony ary misy pentimpentina mania. Ahitsio
Tsingevaheva: Mitovy amin'ny Hevaheva. Ahitsio
Tsingevina: ft.: Toetran'ny zavatra misavilivily na lipily mihodina amin'ny lahiny. - t.i.f.: Atsingevina, voatsingevina I manatsingevina, fanatsfngevina, mpanatsingevina / anatsingevenana, fanatsingevenana / mitsingevina, fitsingevina, mpitsingevina / itsingevenana, fitsingevenana 1 mahatsingevina 1 tsingevingevina. Ahitsio
Tsingidina: a.: Fianjerana mikodiadia, fionganana. Mitsfngidina. Ahitsio
Tsingilahila: ft.: Enti-milaza toetran'ny zavatra tsy marintoerana na tsy mahazo toerana tsara ka mivembena na mirondrona na koa toetran' ny olona misalasala, mkoahana, miahanahana. - t.i.f• : Atsingilahila, voatsingilahila, tafatsingilahila 1 manatsingilahila, fanatsingilahila, mpanatsingilahila 1 anatsingilahilana, fanatsingilahilana / mitsingilahila, fitsingi- lahila, mpitsingilahila I itsingilahilàna, fitsingilahilàna / mahatsingilahila. Ahitsio
Tsingina: a.: Fampitohizana vifotsy na fanampenana vifotsy loaka amin'ny firaka na zavatra hafa toy hy solohoto atao mahamay, 1 Tsinginana, atsingina, voatsingina I maningina, faningina, mpaningina / aninginana, faninginana / mitsingina, mahatsingina. Ahitsio
Tsingina: a.: Fandraisan-javatra amin'ny loha rantsan-tanana fotsiny. i Lit: Tsinginina, atsingina, voatsingina I mitsingina, fitsingina, mpitsingina I itsinginana, fitsinginana / mahatsingina f tsingintsingina. Ahitsio
Tsinginana: (tsingina) mt. pdr. (tsingino): Petahana firaka mahamay mba hitohizany, na mba ho tampina ny loaka. Ahitsio
Tsinginina: (tsingina) mt. ih. (tsingino): Raisina amin'ny loha rantsana fotsiny: Tsingino tsara ny takotra fa misy arina. 1 Akana pitiny kely: Tsingino amin'ny tananao ny sira atao amin'ny laoka. Ahitsio
Tsingirihiry: a. : Karazan'ahitra. Ahitsio
Tsingita: na Anantsingita a.: Karazan'ahitra misy raviny madinika fihinana. Ahitsio
Tsingoana: ft.: Toetran'ny zavatra mianiera ka ny ambony lasa ambany. - t.i.f.: Atsingoana, voatsingoana, tafatsingoana I mana-tain goana, fanatsingoana, mpanatsingoana / anatsingoanana, fanatsingoanana / mitsingoana, fitsingoana, mpitsingoana / itsingoanana, fitsfngoanana / mahatsingoana / tsingoangoana. Ahitsio
Tsingodongodona: a.: Karazanjavamaniry. Ahitsio