Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsingolobatita: a.: Karazan-dalao fanaon'ny ankizy: ny lohany ataony ambany ary ny tongony ambony. ---ta Ahitsio
Tsingoloka: a.: Tsimbadika ka ny loha no lasa ambany ary ny tongotra kosa no lasa ambony; filam-baniny hikendrena hamelezana ny sasany. i t.i.f.: Atsingoloka, voatsingoloka, tafatsingoloka / manatsingoloka, fanatsingoloka, mpanatsingoloka / anatsingolohana, fanatsingolohana I maningoloka / mitsingoloka, fitsingoloka, mpitsingoloka / itsingolohana, fitsingolohana / mahatsingoloka / tsingolongoloka. Ahitsio
Tsingovihovy: a.: Anarana hafa ilazana ny sarisarimbomanga (Conuoluulus). Ahitsio
Tsingozahoza: p. t.: Reraka zara raha afa-mamindra. - t.i.f.: Mitsingozahoza, fitsingozahoza, mpitsingozahoza / itsingozahozana, fitsingozahozana / mahatsingozahoza. Ahitsio
Tsingy: a.: Tendrony. - Tsingim-bato: vato mivohitra noho ny namany eny an-kavoana. / Tsingimbody: ilay nofo mivohitra sy mitokana kely toy ny kambo amin'ny vodiakoho na vodivorona. Ahitsio
Tsinina: (tsiny) mt. ih. (tsinio): Omena tsiny, lazaina ho diso: Aza tsinfna izy noho ny tsy fahalalany. ? Kianina, ahitsy: Omeko anao àry ity boky ity mba hotsininao. ¶ M.h.: Tenenina, kabedesina, kamentsonina. Ahitsio
Tsinina: (tsiny) mt. ih. (tsinio): (Vy) hamafisina, aofana. Ahitsio
Tsininganingana: p.t.: Mipelipelika. - t.i.f.: Tafatsininganingana I mitsininganingana, fitsininganingana, mpitsininganingana / itsininganinganana, fitsininganinganana / mahatsininganingana. Ahitsio
Tsininika: a.: Fanorihan-drano mandeha mors ary tsy miato. (Mitovy fiovan'endrika amin'ny Jininika). Ahitsio
Tsininjo: (tsinio) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsinjo, tsinjovina, jerena avy lavitra: Notsininjony foana ny ombiny sao mitondraka. ? Ampiana: Notsininjony ny reniny efa antitra. Ahitsio
Tsinipaka: (tsipaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsipaka, tsipahina, dakana: Tsinipak' i zandry ny firakofana. 1 A-riana, lavina: Notsinipaky ny t`ainy tsy ho zanany Rakoto. Ahitsio
Tsinirika: (tsirika) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsirika, tsirihina. Ahitsio
Tsinjahina: (tsinjaka) mt. ih. (tsinjaho): Andihizana, anaovana tsinjaka. Ahitsio
Tsinjaka: a.: Tsambikimbikina. •Dihy rodobe: Miara-mandihy ny lehilahy sy ny vehivavy nefa tsy mifangaro akory na dia samy mihinjakinjaka aza fa miara-mihetsika aradalàna milamina, milanto. - t.i.f.: Tsinjahina, atsinjaka, tafatsfnjaka I mitsinjaka, fitsinjaka, mpitsinjaka I itsinjahana, fitsinjahana / mahatsinjaka I tsinjatsinjaka. Ahitsio
Tsinjara: a.: Fizarana zavatra hitsitokotoko, fizarana zavatra efa voasaratsaraka. ? Fivarotan-javatra mitsipotin ka fa tsy ambongadiny., - t.i.f.: Tsinjaraina, atsinjara, voatsinjara I maninjara, faninjara, mpaninjara / manatsinjara, fanatsinjaxa, mpanatsinjara / anatsinjarana, fanatsinjarana / mitsinjara, fitsinjara, mpitsinjara I itsinjarana, fitsinjarana / mahatsinjara. Ahitsio
Tsinjaraina: (tsinjara) mt. ih. (tsinjarao): Zaraina hitsitokotoko; amidy mitsipotika. Ahitsio
Tsinjo: a: Sandra hita tsipalotra: Tsinjoko teny an-tsena Rakoto tamin'ilay maizim-bava vilany iny. ~ I{ita avy amin'ny toerana ambony: Tsinjoko erY an-dohasaha ny ondrinareo miraoka ahi-maitso. ? Tazana lavitra: Tsinjonao ve iry vato mandondona be iry? Any ambadik'iny no misy ny any aminay. - t.i.f.: Tsinjovina, atsinjo, voatsinjo, tsininjo / mitsinjo, fitsinjo, mpitsinjo / itsinjovana, fitsinjovana / mahatsinjo / tsinjotsinjo. Ahitsio
Tsinjovina: (tsinjo) mt. ih. (tsinjovy): Jerena avy amin'ny toerana ambony, jerena lavitra: Tsinjovy kely ange iretsy ombinay er? an-dohasaha e! Manao ahoana izany habeny! tt Tandremana, ambenana: Tsinjovy tsara ny zandrinao, anaka, sao dia potraka. Ahitsio
Tsinkafona: ft.: Fihevahevana eny ambony rano fa tsy milentika. - t.i.f.: Atsinkafona, voatsinkafon, tafatsinkafona / manatsinkafona, fanatsinkafona, mpanatsinkafona ! anatsinkafonana, fanatsinkafonana / mitsinkafona, fitsinkafona I mahatsinkafona / tsinkafonkafona. Ahitsio
Tsinkafonkafona: a.: Zavamaniry fahita mihevaheva eny ambony rano (Pistia), Ahitsio