Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Takofana: (takotra) mt. ih. (takofy): Saronana amin'ny takotra: Takofy ny uilany fa sao latsahan'ny lalitra ny sakafo. Ahitsio
Takoko: a.: Fanjoretana, fitanondrehana, . fahasorenana manjonitra. - t.i.f : Atakoko, tafatakoko / mitakoko, fitakoko, mpitakoko / itakokoana, fitakokoana / mahatakoko. Ahitsio
Takoko: (Tsm) a.: Voronkely fahita eny amin'ny petsapetsa an-tanimbary, izay fatrapihaza tsikovoka. Ahitsio
Takolahina: (takolaka) mt. ih, (takolahy): Iafenana ao ambadiky ny zavatra iray mba hitiliana olona na hihainoana ny resany: Takolahy ao am-baravarana izy dia henoy ny resany. ? Roritina kely, vivitina ny takolany — (soavaly) sintonina amin'ny lamboridy eo akaikin'ny vavany: Notakolahiko ilay zaza ka mena fify tery ny anao. / Takolahy io soavaly io fa loza raha hihetsiketsika. Ahitsio
Takolaka: a.: Ireo ilany roa amin'ny tarehy: Misy tandra kely eo amin'ny takolany hauia. ? Ny fihodivirana miankavia na miankavanana. ? Ny tava sompiran'ny rindrina ikatonan'ny varavarana na ivohany. - t.i.f.: Takolahina, atakolaka, voatakolaka, tafatakolaka / manatakolaka na manakolaka, fanakolaka, mpanakolaka / anakolahana, fanakolahana / mitakolaka, fitakolaka, mpitakolaka / itakolahana, fitakolahana / ma-h atakolaka. Ahitsio
Takona: p.t.: Voasakan-javatra ka tsy hita: Takon'ireo hazo ireo ny tranonay. 0 Miafina amin'ny...: Takona ahy ny tarehin y. - t.i.f.: Takonana, atakona, voatakona, tinakona / manakona, fanakona, mpanakona / anakonana, fanakonana / mitakona, fitakona, mpitakona / itakonana, fitakonana / mahatakona. - F.-p.: An-takona na an-katakonana: tsy anatrehana fa any amin'ny miafinafina any. / Tako-masoandro na tampimasoandro: enti-milaza ny omby vonoina raha misy mpanjaka miamboho. / Tako-maso: tsolotra omena ny vavolombelona na ny mpitsara. / Takon-kenatra: 1) ilazana ny varavaran-tapaka mamefy ny mason'ny olona tsy hahita hatrany amin'ny atin'ny fandrahoan-kanina; 2) tapa-damba anaronana ny faritra mahamenatra amin' ny tena mba tsy hiboridanana. / Tsy takona afenina: miharihary sy hita avy hatrany, toerana avo tazana na dia lavitra aza. ¶ M.h,: An-takona, an-katakonana, an-tsokosoko, mangingina, an-konohono, an-kifonofono, an-koboka. Ahitsio
Takona: ft.: Fiaraha-mibata zava-mavesatra; firaisana hina hanao zava-dehibe sarotra iray; fiarahana mibata na mikarakara faty iray. - t.i.f.: Takonina, atakona, voatakona, tinakona / mitakona,fitakona, mpitakona / itakonana, fitakonana / mifampitakona / mifanakona / ifanakonana. Ahitsio
Takonana: (takona) mt. ih. (takony): Sakanan-javatra ny fahitana azy: Takonan' ny rahona ny uolana. ? Enti-milaza ny olona sakananjavatra ka tsy mahita: Notakonany aho ka sorena fa tsy nisy na inona na inona hitako tamin'ilay fampisehoana. Ahitsio
Takonina: (ta:xona) mt. ih. (takony): Entin'olona roa na maro, iaraha-mibata: Notakoninay telo lahy ilay ila omby. Ahitsio
Takopery: (takotra fery) a.: Ra maina mivaingana eo amin'ny fery efa sitrana ka manjary toa sarona mandrakotra sy miaro azy ambarapahasitrany tanteraka. Ahitsio
Takoribabo: na Takorobabo a.: Ilay kitapo kely feno fofon-drano midofaka izay anangonan'ny vorona sy andemeny ny hanina, alohan' ny tena handevonany azy ao amin'ny haranana, izay tena vavoniny. Ahitsio
Takoritsoka: a.: Teny tsy atao ren'ny olona maro. ? Tsaho mandeha an-katakonana. • t.i.f : Mitakoritsoka. Ahitsio
Takoritsoka: a.: Zavamaneno akatroka mitovy feo amin' ny "castagnette": sotro hazo roa no tazonin'ny tanana ha-via ary atao mifampiankina ny vohony; sotro hazo iray hafa kosa no tazonin'ny ta-nana havanana eo amin'ny lelany, fa ny tahony no atsofoka sy avoaka eo anelanelan'ireo sotro roa voalohany ka manaraka ny ngadon-kira. Tsy mba maneno mafy fa toy ny mibitsibitsika fotsiny ny feon'ny sotro hazo, ka izany angamba no nanaovan'ny Ntaolo azy hoe takoritsoka; ankehitriny dia sotro vy no ampiasaina. Ahitsio
Takorodambo: a.: Jar. Tangolondambo. Ahitsio
Takosenana: na Takosinina (takosina) mt. ih. (takoseno, takosino): Atao tonga boribory lavalava. ? Lotoina. Ahitsio
Takosina: na Takosona p.t.: Boribory lavalava (tahaka ny fanoto). ? Maloto, mihosina vovoka na fotaka. * t.i.f.: Takosenana na takosinina, atakosina, voatakosina, tafatakosina / fanatakosina, mpanatakosina / anatakosinana, fanatakosinana / mitakosina, fitakosina, mpitakosina / itakosinana, fitakosinana / mahatakosina. Ahitsio
Takositra: na Takosotra ft.: Niavian'ny hoe: Mitakositra na mitakosotra. Ahitsio
Takotra: p. t. : Tampina ary miafina; tsy hita izay ao ambadika: Takotry ny ratsy ny soa vitany. Ahitsio
Takotra: a.: Sarom-bilany. - t.i.f• : Takofana, atakotra, voatakotra, tinakotra / manakotra, fanakotra, mpanakotra / anakofana, fanakofana / mitakotra, fitakotra / m ahatakotra. - F.-p.: Tako-doha: haronkely mitovy ny sakany sy ny lavany ary misy takony fampiasan'ny Betsimisaraka hitondrana faham-bary ho an' ny vahiny. / Tako-pery: ny saron'ny fery efa ho sitrana. / Ranomason-takotra: ny entona avy amin'ny rano nampangotrahina. ,t Ohab.: Taitra ny o.lona tsy mba taitra, ka taitra irery vao mamaky takotra (jer. Taitra). / Tanimanga voahevitra ka raha miampy kely dia takotra: enti-milaza izay efa tsara karakara na fiomanana ka mora dia mors ny mamita azy ho tonga lafatra. / Tsy mahafoy lasiray hamidy takotra ka manta vary: tsy mahafoy zavatra kely toy inona, ka very soa lehibe nety ho azo tamin'io. / Mandao masaka tahaka ny takotra: enti-milaza ny vahiny tsy mety mijanona hihinana ny sakafo efa vita. Ahitsio
Takotroka: a.: Fipoahana mafy; fidoboky ny zavatra ngeza mianjera. - t.i.f.: Atakotroka, voatakotroka, tafatakotroka / manatakotroka, fanatakotroka, mpanatakotroka / anatakotrohana, fanatakotrohana / mitakotroka, fitakotroka, mpitakotroka / itakotrohana, fitakotrohana / mahatakotroka / takotrokotroka. Ahitsio