Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsiranirany: Mitovy amin'ny Ranirany. Ahitsio
Tsiranorano: a: Zavatra mitsika na manamika. - t.i.f.: Mitsiranorano, fitsiranorano. Ahitsio
Tsirara: ft.: Toetran'ny olona potraka tafandry mitsilany ka ny tongotra sy ny tanana mitsidradraka. - t.i.f.: Atsirara, voatsirara, tafatsirara / manatsirara, fanatsirara, mpanatsirara 1 anatsirarana, fanatsirarana 1 mitsirara, fitsirara / itsirarana, fitsirarana 1 mahatsirara 1 tsirararara. Ahitsio
Tsiratsira: ft.: Eso, fanâovana tsy ho zavatra, fanaovana tsinontsinona, tevateva, - t.i.f.: Tsiratsiraina, voatsiratsira 1 maniratsira, faniratsira, mpaniratsira 1 aniratsirana, faniratsirana. Ahitsio
Tsiratsiraina: (tsiratsira) mt. ih. (tsiratsirao): Esoina, atao tsinontsinona, fotsifotsina, tevatevaina: Tsy azonao -tsiratsiraina mihitsy ny ray aman-dreninao. Ahitsio
Tsiravaohina: a.: Anarana ilazan'ny mpamosavy ny voatavo. Ahitsio
Tsiravina: p.t.: Raiki-tahotra mafy, mivadi-po: Tsiravina aho nahita ilay olona nanao saron-taua nitana antsy. - t.i.f.: Mahatsiravina, fahatsiravina. Ahitsio
Tsirebika: (fit.-p.) a.: Anarana ilazana ny voatavo any anindran-tany ka io no ampiasaina matetika noho ny teny voatavo manan-kevitra ratsy any. Ahitsio
Tsiredareda: p.t.: Taredretra, tavozavoza, tandrevaka. - t.i.f.: Atsiredareda, voatsiredareda, tafatsiredareda 1 manatsiredareda, fanatsiredareda, mpanatsiredareda 1 anatsiredaredana, fanatsiredaredana j mitairedareda, fitsiredareda, mpitsiredareda 1 itsixedaredana, fitsiredaredana 1 mahatsiredareda. Ahitsio
Tsireko: (Ats) a.: Hira ataon' ny vehivavy amin'ny fiandrasam-paty. Ahitsio
Tsirendrena: a.: Fivezivezena mankatsy mankaroa toy ny atëtiiï ii? olona domelina, mbola rrndremana, ao anatin'ny torimaso. - t.i.f.: Mitsirendrena, fitsirendrena, mpitsirendrena. Ahitsio
Tsirendrirendry: Mitovy amin' ny Rendrirendry. - t.i.f.: Mitsirendrirendry, fitsirendrixendry, Ahitsio
Tsirenireny: a: Mitovy amin' ny Renireny. - t.i.f, : Mitsirenireny, fitsirenireny, mpitsirenireny 1 itsirenirenena, fitsirenirenena. Ahitsio
Tsirerarera: Mitovy amin'ny Rerarera. Ahitsio
Tsiretadretaka: Mitovy amin' ny Retadretaka. il t.i.f.: Mitsiretadretaka, fitsiretadretaka, mpitsiretadretaka I itsiretadretahana, fitsiretadretahana. Ahitsio
Tsiretareta: Mitovy amin'ny Retareta. Ahitsio
Tsiriadriaka: Mitovy amin'ny Tsoriadriaka. Ahitsio
Tsirihina: (tsirika) mt ih. (tsiriho): Jerena vetivety: Ndeha tsiriho, r'ise, raha tonga ao an-tranony Rabe. Ahitsio
Tsirijy: a.: Anaran-javamaniry iray azo akana diloilo. Ahitsio
Tsirika: a: Fantsona lava ampidirana hazo kely maranitra izay tsofina ka mivoaka miriotra; ampiasaina hitifirana vorona madinika ny tsirika (ilay fantsona atao hoe renitsirika ary ireo hazo kely no zanatsirika). ~ Karazanjavamaniry fanao tsirika (Dypsis). Ahitsio