Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tambý: a.: Mpiasa vy, mpanefy. Ahitsio
Tamby: a.: Karama; vola orne-na noho ny raharaha niangaviana: Aza mihevitra ianao fa ny madinika no be âzon' ny tambim-bola. fa ny lehibe sy vauenty indrindra. - t.i.f.: Tambazana, atamby, voatamby, tinamby/ manamby, fanamby, mpanamby / anambazana, fanambazana / mifanamby, fifanamby, mpifanamby / ifanambazana, fifanambazana / mitamby,, fitamby, mpitamby / itambazana, fitambazana / mampitamby / mahatamby / tambitamby. Ahitsio
Tamenaka: a: Ny menamena vonivony izay eo afovoany anatiny amin'ny atody. (Ny zana-borona na biby vao torontoronina sy ny sakafo ivelomany no ao anatin'io tamenak'atody io). * Ohab.: Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana: enti-milaza ny olona tsy mahay mifidy, na tsy mahalala ny tsara, ka ny tokony halaina indray no a-vela. Ahitsio
Tamenaka: a.: Karazan-kazo kelikely ravina fanaovana ody kankana ny voany (Poivrea grandidieri). Ahitsio
Tamika: a.: Fitsihan'ny rano kely dia kely mivoaka aminjavatra (vato, fefiloha): Ny harena dia ohatra ny rano an-tami-bato: raha tazanina toa be, raha andraofana tsy ahazoana ohatrinona (ohab.). • t.i.f.: Manamika, fanamika. Ahitsio
Tamina: (tamy) mt. ih. (tamio): Asiana tampoka, idirana ankeriny: Notamin'ny sasany ny tranon-dry Rakoto any ambaniuohitra. Ahitsio
Tamingana: a.: Taranaka, faxa sy dimby. - F.-p.: Lany tamingana: tsy misy taranaka intsony, maty maso. Ahitsio
Tamonaka: a.: Voanjo totoina dia andrahoina. Ahitsio
Tamora: p. t.: Tonga mora, mihalemy, mihalefaka; mihembidy. - t.i.f.: Tamoraina, voatamora / manatamora, fanatamora, mpanatamora / anatamorana, fanatamorana / mahatamora. Ahitsio
Tamoraina: (tamora) mt. ih. (tamorao): Vita moramora noho ny: Notamorain'ny famaky ny fikapana ny hazo. ? Atao moramora foana, tsy isahiranana, alaina na heverina ho mora: Tamorainao loatra ny fianaran'ny zanakao. ? Entina an-kamorana: Tamorainao ny mpianatrao. ? Ahem-bidy, aletsy: Raha tamoraina ny vidim-bary, ho maty antoka ny mpamboly. Ahitsio
Tamotamo: a.: Zavamaniry misy vodiny mavomavo ary fakana loko vony (Curcuma lo nga). —( Ahitsio
Tampenana: (tampina) mt. ih. (tampeno): Asiana sarona, asaina akombona, terena hikombona: Tampeno ny vauan'io zaza io raha vao mitomany. / Tsy azonao tampenana tsy hahita ny marina ny masoko. ? Enti-milaza ny lamba misy loaka asiana tapa-damba kely mizaitra mba hanarona ny loaka: Tampa-no kely ity pataloako ity fa loaka. ? Asiana tsentsina ka tsy afa-mivoaka na miditra intsony (ny rano na ny rivotra): Tampeno io hirika io fa avy eo no miditra ny rance, ? Asiana sakana tsy hahafahana mampiasa ilay zavatra: Notampenan-dry zareo ato atsimo ilay lalankely mandalo eo an-tokotaniny. Ahitsio
Tampesona: a.: Fangatahana sesilany, fitambezoana tsy miato ka manao hata-piso. * t.i.f.: Tampesonina, atampesona, tafatampesona / mitampesona, fitampesona, mpitampesona / itampesonana, fitampesonana / mahatampesona. Ahitsio
Tampesonina: (tampesona) mt. ih. (tampesony): Sosorina amin'ny fangatahana sesilany, amin'ny fitambezoana. Ahitsio
Tampify: a.: Fierena anilan' ny zavatra; fiankinana amin' ny hafa noho ny tahotra na tsy fahampiana; toetran'ny zavatra miankina na mipetraka mifanoroka amin'ny ha-fa. * t.i.f.: Atampify, voatampify, tafatampify/ manatampif y, fanatampify, mpanatampif y / anatampifiana, fanatampifiana / mitampif y, fitampify, mpitampify / itampifiana, fitampifiana / mahatampify. Ahitsio
Tampina: a.: Zavatra entina manentsina ny hirika, ny loaka: Niala ilay tampina natao tamin'ny varavarankely tsisy fitaratra. / Asio tampina ity akanjo ity fa loaka. • tif: Tampenana, atampina, voatampina, tinampina 1 manampina, fanampina, mpanampina f anampenana, fanampenana / mitampina, fitampina, mpitampina / itampenana, fitampenana / mahatampina. Ahitsio
Tampina: p. t.: Voasarona, mikombona, voakombona: Ela ny ela ka tampina ilay vaua fery. ? Voatsentsina ka manjary feno ny loaka na ny lavaka: Tampina haingana ilay loaka tamin'ny lakana ka tsy niditra firy ny rano. ? MisY zavatra misakana, ka tsy afamandeha na mivoaka ny rano na ny rivotra, fempina: Tampina ny lakandrano. Ahitsio
Tampinarany: a.: Ilay nofo toa kambo lavalava eo an-tendron'ny lalan-drivotra mankany amin'ny havokaVoka. ? h. i. : Lam bam-baravarankely amin'ny tapany ambany. Ahitsio
Tampisahina: (tampisaka) mt. ih. (tampisaho): Aankina, araikitra, apetaka, afetaka. Ahitsio
Tampisaka: a.: Fifitsahana hiafina; firaiketana amin-javatra iray ka toa mipetaka na mifetaka amin'io mihitsy. ? h.o.: Hataka efa dia misolelaka en>. - t.i.f.: Tampisahina, atampisaka, tafatampisaka 1 manatampisaka, fanatampisaka, mpanatamplsaka 1 anatampisahana, fanatampisahana / mitampisaka, fitampisaka, mpitampisaka 1 itampisahaaa, fitampisahana 1 mitampisaka, fitampisaka, mpitampisaka / itampisahana, fitampisahana 1 mahatampisaka. Ahitsio