Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tandonaka: a.: Andriana na hova ka navotan'ny mpanjaka ary dia tonga mpanompony. Ahitsio
Tandra:Fiasana misy vavany roa mahazo mifanatona ary toa miketoka ka afaka mamia zavatra, ampiasaina hanongotam-pantsika na hitazonana ny vy mahamay hotefena. - t.i.f.: Tandraina, atandra, voatandra, tinandra / manandra, fanandra, mpanandra / anandrana, fanandrana. Ahitsio
Tandra: (Btm) a.: Fanomezana mariky ny fifonana noho ny fahadisoana. Ahitsio
Tandra:Fanomezana manokana omena zaza mbola tsy teraka na zaza marary mba hirariana na hisambasambana fahaterahana na fahasitranana soa aman-tsara ho azy. - t.i.f.: Tandraina, atandra, voatandra, tinandra / manandra, fanandra, mpanandra / anandrana, fanandrana. Ahitsio
Tandra: (Ski) a.: Tolotra orne-na ny zanaka na ny zafy. Ahitsio
Tandraholatra: a.: Karazan-tany menamena ataon'ny olona fandalorana. Ahitsio
Tandraina: (tandra) mt. ih. (tandrao): Ongotana amin' ny tandra. Ahitsio
Tandraina: (tandra) mt. ih. (tandrao): (zaza) Omena fanomezana mba hisambasambana fahasitranana ho azy. Ahitsio
Tandrametaka: p.t.: Vita kitoatoa toy ny napetapetaka fotsiny, zara fa vita. Ahitsio
Tandrano: a.: Ireo monina amoron-drano na eny an-keniheny. Ahitsio
Tandrantandrana: a.: Fijery miherikerika etsy sy eroa toy ny an'ny olona bado ketrinketrina. - t.i.f.: Mitandrantandrana, fitandrantandrana, mpitandrantandrana / itandrantandranana, fitandrantandranana. Ahitsio
Tandrefana: (andrefana) a.: Enti-milaza ny olona avy any andrefana. — Raha ilazana ny fizaran'ny tany lehibe io teny io, dia entina milaza ny olona avy any amin'ny ilan'ny tany heverina fa ilentehan'ny masoandro, dia i Eoropa izany, A-merika... mifanohitra amin' ny Tatsinanana, karazan'olona monina amin'ny ilany atsinanana amin'ny tany (A-zia, Japana...). Ahitsio
Tandremana: (tandrina) mt. ih. (tandremo): Afantoka aminy ny saina amana eritreritra: Tandremo tsara izay soratanao, fa ny soratra mijanona. ? Ambenana, andrasana, karakaraina mba tsy hisy simba: Tsy notandremanao tsara ny akohokely ka nisy latsaka tao am-pantsakana. ? A-rahina, tanterahina: Raha te ho voavonjy ianao, tandremo ny didy. ? Atao izay tsy hahavoa ny tena: Tandremo sao solafaka. Ahitsio
Tandremo: fa an 'izay mamaky ihany ny fanoloana ny fitaratra vaky na simba. Ahitsio
Tandrena: na Tendrena (tan-dry) mt. ih. (tandreo, tendreo): Endrikendrehina, tsaratsaraina foana, tombotombohina. Ahitsio
Tandrendrena: p. t.: Adaladala, ketrina, taraiky. * t.i.f• : Mitandrendrena, fitandrendrena, mpitandrendrena. Ahitsio
Tandrevaka: p.t.: Tsy voakendry na mba nomanina fa toa nataotao vonjy maika na kitoatoa fotsiny: Nahandro tandrevaka. Ahitsio
Tandrify: ppk.: Manatrika ny, mifanatrika amy: Tandrifin' ny lapan'ny tanàna no misy ny tranony. ? Sahaza, antonona: Tandrify ho vadinao io zazavauy io ka aza misalasala./Tandrify azy mihitsy ilay aga. (Tsara homarihina fa amin'ilay hevitra (1) dia tandrifin'ny, tandrifiko, tandrifinao, tandrifiny... no ampiasaina, fa amin' ilay hevitra (2) kosa, tandrify ny, na tandrify ahy, tandrify anao, tandrify azy..., ka fiteny diso ny hoe: tandrifin'azy). - t.i.f. : Tandrifina, atandrify, voatandrify / manandrify, fanandrify, mpanandrify / fanandrifiana, anandrifiana / mifanandrify / mahatandrify. Ahitsio
Tandrimo: a.: Kilalao vita amin'ny hazo natao boribory kitsoloha misy fantsika, izay hodidinina kofehy, ka rehefa atsipy amin'ny tanY ny tandrimo ka somary sintonina ny kofehy, mivaha haingana ilay izy ary mihodinkodina eo ambonin'ny fantsika ny tandrimo: Milalao tandrimo. - F.-p.: Kapo-tandrimo, vely tandrimo: kapoka mafy mirivirivy. ¶ M.h.: Sangodina. Ahitsio
Tandrina: a.: Fiambenana, fiandrasana, fampifantohana ny saina amana eritreritra amin-javatra anankiray; fanarahana, fanatanterahana didy na lalàna: Ratsy tandrina ny nanaovany ny ankizy./A-taovy tsara tandrina ny didy. * t.i.f : Tandremana, atandrina, voatandrina / mitandrina, fitandrina, mpitandrina / itandremana, fitandremana 1 mahatandrina. Ahitsio