Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tangena: a.: Zavamaniry fantatra indrindra amin'ny voany mangidy, izay nampiasaina fahagola hitsarana ny olona voapanga ho mpamosavy tamin'ilay fomba atao hoe fampinomana (Thanginia uenenifera). —( Ahitsio
Tangerenana: (tangerina) mt. ih. (tangereno): Sangodinina. Ahitsio
Tangerina: ft.: Fisangodingodina, fitambolimbolina. - t.i.f.: Tangerenana, atangerina, voatangerina, tafatangerina 1 manatangerina, fanatangerina, mpanatangerina 1 anatangerenana, fanatangerenana 1 mitangerina, fitangerina, mpitangerina / itangerenana, fitangerenana / mahatangerina / tangeringerina. Ahitsio
Tangezaheza: ft.: Fijoroana mijanona tsy mandroso tsy mihemotra. * t.i.f.: Mitangezaheza. Ahitsio
Tangika: a.: Teny ilazana ny marary mivonto amin'ny te-na, tarimo, na Larimon'aret?-mifindia toy ny pesta izany na tarimo morainy fotsiny. Ahitsio
Tangiky: a.: Atodintarina, na atodintaria. Ahitsio
Tangina: (tangy) mt. ih. (tangio): Karamaina mba hanao zava-dratsy, tsy mendrika. Ahitsio
Tangirihana: na Tangirifana (tangirika) mt. ih. (tangiriho, tangirifo): Loahana. Ahitsio
Tangirika: a.: Hirika, loaka kely migorobaka amin'ny en-china na amin'ny fefiloha a-tao fandehanan'ny rano (jar. Tangoroaka, izay ilazana loaka mangotana kosa). - t.i.f• : Tangirihana, tangirifana, atangirika, voatangirika/ manatangirika, fanatangirika, mpanatangirika / anatangirihana, fanatangirihana / mitangirika, fitangirika, mpitangirika / itangirihana, fitangirihana/ mahatangirika. Ahitsio
Tangitrihana: (tangitrika) mt. ih. (tangitriho): Anitrihana, andentehana. Ahitsio
Tangitrika: ft.: Boiboika, fantsitsitra, toy ny fifantsitsiran'ny rano avy ao anaty tany. ? Fandentehana zavatra lalina toy ny lefona anaty hazo na anaty tany. * t.i.f.: Tangitrihana, atangitrika, voatangitrika, tafatangitrika / manatangitrika, fanatangitrika, mpanatangitrika / anatangitrihana, fanatangitrihana 1 mitangitrika, fitangitrika, mpitangitrika / itangitrihana, fitangitrihana / mahatangitrika / tangitrikitrika. Ahitsio
Tangizina: ft.: Toetran'ny zavatra mifanety, mifamoritra. * t.i.f.: Atangizina, voatangizina, tafatangizina/ manatangizina, fanatangizina, mpanatangizina / anatangizinana, fanatangizinana / mitangizina, fitangizina, mpitangizina / itangizinana, fitangizinana / mahatangizina. Ahitsio
Tango: a.: Fanapahana amin'ny tanana na amin'ny antsy ny ravina na laingon'ny anana; fanapahana ny tongotra sy ny elatry ny valala. * t.i.f. : Tangosana, atango, voatango / mitango, fitango, mpitango / itangosana, fitangosana / mahatango / tango-tango. - F.-p.: Tango iena: fomba fahandro valala izay tapahina ny tongony sy ny elany alohan'ny hampangotrahana azy. Ahitsio
Tango: a.: Tahon-tsotro andraisana azy; zarana, taho. Ahitsio
Tangoaka: a.: Loaka, gorobaka. ? Kilalaon'ankizy mitsingoloka ka ny lohany ataony anelakelaky ny tanany roa, ny tongony atsotrany ambony ary miamboho ny masoandro izy. Ahitsio
Tangolehina: na Tangolehana (tangoloka) mt. ih. (tangoleho): Aolana, aolikolika; fididirana. Ahitsio
Tangolika: a.: Fadiditra; olikolika. - t.i.f.: Tangolehina, tangolehana, atangolika, voatangolika, tafatangolika/ manatangolika, fanatangolika, mpanatangolika / anatangolehana, fanatangolehana / mitangolika, fitangolika, mpitangolika 1 itangolehana, fitangolehana / mahatangolika. Ahitsio
Tangoloahana: (tangoloaka) mt. ih. (tangoloahy): Loahana mangotàna. Ahitsio
Tangoloaka: a.: Loaka mangotana ao anaty tany, na ao amin'ny rindrina, na amin' ny fefiloha atao handehanan'ny rano. J Tangoloahana, atangoloaka, voatangoloaka / manatangoloaka, fanatangoloaka, mpanatangoloaka / anatangoloahana, fanatangoloahana / mahatangoloaka. Ahitsio
Tangongo: a.: Fivorian-javatra betsaka miavosa na fivorian' olona maro mifanakaiky, mifanety. - t.i.f.: Tangongoana na tangongoina, atangongo, voatangongo, tafatangongo / manatangongo, fanatangongo, mpanatangongo / anatangongoana, fanatangongoana/ mitangongo, fitangongo, mpitangongo / itangongoana, fitangongoana / mahatangongo. Ahitsio