Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tanjahina: (tanjaka) mt. ih. (tanjaho): Atao tonga mafy, manan-kery: Tanjaho ity tady ity fa mila ho tapaka. Ahitsio
Tanjaka: a.: Herim-batana: Nihena ny tanjak'io touolahy io hatramin'ny nahapotrahany. ? h.i.: Izay entinamanamafy zavatra: Tsy mba nanifisany akory ny volotsangana natao tanjany, fa nokapakapaina dia narafitra. (Fofombadiko, E.D. And.) Ahitsio
Tanjaka: ft.: Fisehoan'ny vatana tsy misy manarona azy, boridana; hanja; hanjaka. - t.i.f.: Mitanjaka, fitanjaka, mpitanjaka / itanjahana, fitanjahana. Ahitsio
Tanjona: a.: Tany eo amorondrano azo ipetrahana raha miala avy ao anaty rano; vody tanety mandroso ao anaty rano mora itodian'ny lakana. ? h.o.: Zava-kendrena, faritra kendrena ho tratra: Ny fitouian-jo tanteraka no tanjona hotratrarin'ny fitondrana entim-bahoaka. Ahitsio
Tanjozorina: (tanjozotra) mt. ih. (tanjozory): Ampandehanina milahatra betsaka tsy miato. Ahitsio
Tanjozotra: a.: Fandehanana milahatra betsaka. Ahitsio
Tankasina: a.: Mitovy amin'ny Takasina. Ahitsio
Tankazo: a.: Olona miasa hazo any an'ala. Ahitsio
Tankina: p.t.: Ritra, maina: Mahagaga fa tankina ilay loharano tatsy andrefan-tanĂ na. ? Lany: Tankina ny uo-Iantsika. ? Gina, tsy ahitanteny intsony: Tankina aho nahare ilay uaouao tsy nampoiziko. * t.i.f.: Manatankina, mahatankina. Ahitsio
Tankisina: a.: Tsy fanaovanjavatra haingana fa milalotra mijanona ela eo. * t.i.f.: Mitankisina, fitankisina, mpitankisina / itankisinana, fitankisinana / tankisinkisina. Ahitsio
Tankosenana: na Tankosinina (tankosina) mt. ih. (tankoseno, tankosino): Lotoina, fotetahana loto. Ahitsio
Tankosina: na Tankosona p.t.: Maloto, mihosina anaty vovoka na anaty fotaka. * t.i.f.: Tankosenana, atankosina, voatankosina, tafatankosina / mitankosina, fitankosina, mpitankosina / itankosenana, fitankosenana / mahatankosina / tankosinkosina. Ahitsio
Tanky: (fr. tank.) a.: Fiarakodia fenti-miady; vy ny tenany manontolo ary tsy mba kodiarana no andehanany fa vy mihodina manaraka ny lavany tahaka ny olimpanjehy ka io no ahafahany mandeha amin'izay tiana handehanany. Ahitsio
Tanondrehina: p.t.: Enti-milaza ny olona izay miondri-doha noho ny alahelo, izay tsy avelan'ny alahelo tsy hitanondrika. Ahitsio
Tanondrika: a.: Fiondrehan'ny loha noho ny alahelo. * t.i.f : Tanondrehina, atanondrika, voatanondrika, tafatanondrika f manatanondrika, fanatanondrika, mpanatanondrika / anatanondrehana, fanatanondrehana / mitanondrika, fitanondrika, mpitanondrika/ itanondrehana, fitanondrehana / mahatanondrika. Ahitsio
Tanontanona: a.: Toetran'ny olona mipetrapetraka eo akaikin' olona mihinana, ka toa mitsiriritra izay haniny, na olona tonga fotsiny hijerijery fa tsy hanao inona na inona. * t.i.f.: Tanontanonina, atanontanona, voatanontanona, tafatanontanona / mananontanona, fananontanona, mpananontanona / mitanontanona, fitanontanona,mpitanontanona / itanontanonana, fitanontanonana / mahatanontanona. Ahitsio
Tanontanonana: (tanontanona) mt. ih. (tanontanony): Enti-milaza ny olona miasa na akekezin'ny sasany mijerijery_ tsisy antony eo: A-za tanontanoninareo eo rainareo fa aoka izy hisakafo milamina tsara, Ahitsio
Tanora: a. na p.t.: Tsy be tao-na niainana, zatovo, herotrerony: Tanora kokoa ny rainao noho ny raiko. / Maty tanora. ? (loko na volon-javatra) Matsora: Tiako ity lamba manga tanora ity. * t.i.f.: Tanoraina, voatanora / mahatanora, maha-tanora f hatanorana, fahatanorana. - F.-p.: Tanora saina, tanora fanahy: enti-milaza olona tsy matotra, maivan-doha. / Teny tanora: teny tsy voahevitra. Ahitsio
Tanoraina: (tanora) mt. ih. (tanorao): Atao tonga matsora: Tanorao kely ny lokon'ity lamba ity fa mila ho antitra loatra izy izany. Ahitsio
Tanosy: a.: Jer. Antanosy. Ahitsio