Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tanora: a. na p.t.: Tsy be taona niainana, zatovo, herotrerony: Tanora kokoa ny rainao noho ny raiko, Maty tanora. (loko na volon-javatra) Matsora: Tiako ity lamba manga tanora ity. * t.i.f.: Tanoraina, voatanora / mahatanora, maha-tanora f hatanorana, fahatanorana. - F.-p.: Tanora saina, tanora fanahy: enti-milaza olona tsy matotra, maivan-doha. / Teny tanora: teny tsy voahevitra. Ahitsio
Tanoraina: (tanora) mt. ih. (tanorao): Atao tonga matsora: Tanorao kely ny lokon'ity lamba ity fa mila ho antitra loatra izy izany. Ahitsio
Tanosy: a.: Jer. Antanosy. Ahitsio
Tantana: a.: Fizarana zavatra amin'olona maro samy kendrena hanana anjara avokoa. * Fizarana vola na sakafo amin'olona maromaro nandray anjara tamin'ny fandevenana na famadihan-drazana na lanonana na asa tsotra: Mahafinaritra fa uita tsara ny tantana. ? Fandrin-javatra, lenta: Tsy mitovy tantana ny tokotany. * t.i.f.: Tantanina, voatantana / mitantana, fitantana, mpitantana / itantanana, fitantanana / mahatantana. ¶ M.h.: Mitouy tantana, mitovy rano, mitovy saranga, mitovy lenta, mitovy lemba, mitovy soroka, marina, marin-drano, marin-tampona, marin-toerana, ankamarenana, lemaka, fandrin-drano, ranoray, bambaray, mitohy nonoka. Ahitsio
Tantàna: a.: (Endrika verindroan'ny teny hoe: "Tana"): Fandraisana olona amin'ny tanana ka entina mamindra miaraka amin'ny tena. (Marihina fa efa nova toerana ny tsindrim-peon'io teny io amin'ny fiteny mahazatra ka nanjary tàntana). - t.i.f.: Tantanana, atantana, voatantana / mitantana, fitantana, mpitantana / itantanana, fitantanana / mahatantana. Ahitsio
Tantanana: a.: Fiasana — izay metaly ny lohany ary hazo ny tahony — ampiasaina hikapohana vy, na handentehana fantsika na hamakiambato: Mively amin'ny tantanana. Ahitsio
Tantanana: (tantana) mt. ih. (tantano): Raisina amin'ny tanana ka entina mamindra miaraka amin'ny tena: Tantano io zaza io fa ratsy ny lalana. Ahitsio
Tantangindrano: a.: Zavamaniry any anaty rano (Ottelia ulvoefolia). Ahitsio
Tantanina: (tantana) mt. ih. (tantano): Zaraina: Notantanina tsara ny hena ka faly daholo ny olona. Ahitsio
Tantara: a.: Fahalalana ny zava-niseho tamin'ny andro lasa: Mampianatra antsika zavatra maro ny tantarampirenena. • Filazana fitohitohizan-javatra, andraisan' olona anjara, tena nisy marina na noforomporonin'ny saina fotsiny: Tia mihaino tantara ny ankizy. è tif: Tantaraina, voatantara / mitantara, fitantara, mpitantara / itantarana, fitantarana / mahatantara. Ahitsio
Tantaraina: (tantara) mt. ih (tantarao): Lazaina amin'ny antsipiriany: Tan tarao izay hitanao tany an-tsena. Ahitsio
Tantarana: a.: Filaharan-javatra mahitsy ohatra ny miaramila na ny boky mitandahatra amin'ny fitoeram-boky. * t.i.f : Tantaranina, voatantarana, tafatantarana / manatantarana, fanatantarana / mitantarana, fitantarana / mahatantarana. Ahitsio
Tantaranina: (tantarana) mt. ih, (tantarano): Alahatra mahitsy. Ahitsio
Tantava: (Ski) a: Zavatra maivana mitsinkafona afatopatotra amin'ny ilan'ny harato mba hampitsinkafona azy. Ahitsio
Tantavana: a.: Fitaovana misy loadoaka ampandalovana rano miharo ventin-javatra na loto, ka mandeha ny ranony fa mijanona kosa ny ventiny na ny loto; sivana. * t.i.f.: Tantavanina, atantavana, voatantavana / manatantavana, fanatantavana, mpanatantavana / anatantavanana, fanatantavanana / mitantavana, fitantavana, mpitantavana / itantavanana, fitantavanana / mahatantavana. Ahitsio
Tantavanina: (tantavana) mt. ih. (tantauano): Ampandalovina amin'ny tantavana; ampandalovina maninteraka ny lamba, taratasy manify: Tantauanina aloha ny rano vao sotroina raha tsy azo antoka ny fahadiouany. / Tantauano amin'ny taratasy manify io ro be menaka io. Ahitsio
Tantazana: (tanty) mt. ih. (tantazo): Andrasana hianjera ka raisina eo ambonin'ny tanana velarina na ao anaty zavatra: Tan tazo iny baolina iny. / Tantazo amin'ny satrokao ireto vola madinika ireto, • Raisina: Tokony hotantazantsika tsara izay anjara omen' Andriamanitra antsika. Ahitsio
Tantelisiaka: a.: Karazan-tantely volovoloina sy misoratsoratra mamiratra. Ahitsio
Tantely: a.: Zavatra mamy, manimanitra ary vonivony, ataon'ny karazam-bibikely izay atao hoe renitantely avy amin'ny vovo-bonin'ny voninkazo tsentsefiny: Mamy ohatra ny tantely. • Anarana ilazana ilay bibikely mihitsy koa: Ny andrian-tantely no arahin'ny tantely rehetra. - t.i.f•: Manantely. - F.-p.: Tanteiy afa-drakotra: enti-milaza ny zava-tsoa izay tsy tsara tandrina, ka itsabahan'ny olona rehetra, na adala na hendry. l Tantely amam-bahona: enti-milaza ny soa sy ny ratsy izay indraindray hita mifanila toerana eto amin'ny fiainana. / Vary amin-dronono tondrahan-tantely: enti-milaza zavatra tonga lafatra ihaonan'ny soa sy ny tsara. * Fiten.: Mamy ny tantely fa misy faikany, mamy ny fary fa misy fiakany...: entimilaza fa na inona na inona zava-tsoa eto an-tany dia misy tsininy avokoa, ary izany dia avy amin'ny toetrany tsy lavorary. Ahitsio
Tanterahina: (tanteraka) mt. ih. (tanteraho): Loahana hatrany ambadika: Tanteraho ity hazo ity. • Vitaina tsara tomombana, tontosaina: Tokony hotanterahina ny fikasana tsara natao. Ahitsio