Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Taranjana: a.: Tangozan'ny ravina mampitohy azy amin' ny taho, sampantsampan'ny vody saonjo. • h,i: Saikiny entina manenjana ny lamba zairina na tsihy rarina. ? I-reo antokon-javatra isan-karazany ianarana: Ny marika no taranjam-pianarana tsy hainy indrindra. ~ Ahitsio
Tararaka: a.: Vorona naman' ny vorondolo. ? h.o.: Entimilaza olona varimbariampoana sy midonanaka amin' ny tsy antony. Ahitsio
Tararena: p, t, : Farary, farofy. Ahitsio
Taratara: a.: Fandinihana malina dia malina, fanadihadlana sy fikarohana amim-pitandremana. Ahitsio
Taratasy: a.: Zavatra amboarina amin'ny zavamaniry na voridamba izay atao koba dia tampisahana manify dia manify, ka ampiasaina hanoratana: Manify loatra ity taratasy ity ka tsy azo anoratana. / Rauin-taratasy. • Soratra ifandefasan'ny olona roa mba hifamangiana, hifampilazana vaovao na hifampiraharahana: Nandefa taratasy tany amin'i dadatoa aho mba hamangiako azy tamin' ny nahafatesan'ny zanany. 1 Teny ilazana ankapobeny ny soratra rehetra Raina ho fanamarinana ny fananan-javatra na fahavitan-draharaha iray: Ento daholo ny taratasy rehetra momba ny aotomobilina. - F.-p,: Vola taratasy: vola vita amin'ny taratasy fa tsy mba amin'ny metaly. / Taratasim-bola: taratasy solombola, izany hoe azo andraisam-bola any amin'ny tranom-bola. / Vazaha taratasy: olona manana ny zon'ny Vazaha ara-taratasy fotsiny fa hafa firenena. / Mahay taratasy: mahay mamaky sy manoratra. Ahitsio
Taratra: a.: Hazavana alefa-na zavatra miantefa amin'ny rano na fitaratra: Manimba maso ny taratry ny masoandro ao anaty rano raha mandeha lava amin'ny lakana. 1 Hazavana mihalohalo na miserana kely: Mahafinaritra izany tara-bolana aty anaty hazo. 1 Fijerena zavatra maninteraka lamba na fitaratra na amin'ny elakelaky ny rantsantanana. / Fanarangaranana na fitsikilovana izay atao miafinafina. - t.i.f.: Tarafina, ataratra, voataratra, tafataratra / mitaratra, fitaratra, mpitaratra / itarafana, fitarafana / mahataratra / tarataratra. Ahitsio
Tarazo: a.: Toetran'ny zavatra mihantona mikiraviravy, toy ny voankazo. 1 Teny na kabary na raharaha maharitra, tsy tapaka, na dia azo faranana vetivety aza. 1 Zavatra efa lasa fahazarana ka mety ho tonga fomba mihitsy: Efa lasa tarazo ity fanaon' ny ankizy mifoka sigara mbola kely ity, 1 Taranaka efa lavitra elanelana aty aoriana, taranaka mifandimby mitohy hatrany: Velon-tarazo: manan-taranaka handimb y. Ahitsio
Tarazoka: a.: Mitovy amin'ny Tarozaka. Ahitsio
Tarehy: a.: Ny faritra anoloana amin'ny loha, misy ny handrina, ny maso, ny orona, ny vava; ny tava: Be tandra kely ny tarehin-dRamatoa iny. / Ny fisehoana ahitana ny zavatra iray: Be kilavadauaka, hono, ny tarehin'ny uolana, hoy ireo efa nanitsaka teny. / Nitondrany voninkazo tsara tarehy aho. - Endrika, bika: Aseho matetika amin'ny tarehin'ny uoromailala ny Fanahy Masina. * Ohab.: Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ouana: enti-milaza fa ny bika aman'endrika dia sarotra ovana satria efa izao no nanaovan'ny Nahary azy, fa ny toetra amam-panahy kosa dia miankina amin'ny sitrapon'ny tena ny mahatsara na maha-ratsy azy. ¶ M.h.: Tava, endrika, salovantava, laingon-tava, takolaka, fify. Ahitsio
Taretra: a.: Karazan-javamaniry. fanao kofehy ny hozadraviny: Be taretra maniry amin' ity faritany atsimo ity. / Kofehy fanjairana: Kiborin-tare tra. Ahitsio
Taretra: Taredretra p.t.: Tsy maika, tsy rototra. Ahitsio
Taria: a.: Resaka na dinika lavareny: Aza lava taria eo ianao. Ahitsio
Tariavina: (taria) mt. ih. (tariavo): (resaka) Halavaina na tohizina tsisy farany. Ahitsio
Tariby: a.: Vy natao miezoezo kely toy ny kofehy na ny tady, ka ampiasaina amin' ny zavatra maro. Ahitsio
Tarifa: (fr, tarif) a.: Fampisehoana indray mijery ny vidin'entana na ny ambaratongam-pahalafosan'ny sarandalana na ny hajian-ketra arakaraka ny halehibeny avy. Ahitsio
Tarigetra: a. (T - ar - igetra, jer. Tigetra): Zavatra boribory fisaka toy ny vola izay apetraka lavitra hizarana mitifitra. 1 Zavatra na biby na olona kendrena hasiana. 1 Filamatra na foto-kevitra kendrena hotratrarina: "Vita haingana sady tsara" no tarigetran' ity trano fandrafetana ity. Ahitsio
Tarihina: (tarika) mt. ih. (tariho): Sintonina: Kalesy tarihin-tsoaualy. / Taomina: Notarihin'ny naman-dratsy no nampioua an'iny touolohy iny. / Entina: Raha tarihin'olona sady mahay no manao ny marina ny firenena dia ho sambatra sy handroso. 1 Atomboka sy tantanana, aingaina: Tariho ny fivauahana, ny hira. Ahitsio
Tarika: a.: Fisintonana, fanaovana izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena: Taribato. 1 Fitaomana. • Fanoroana lalana, fitondrana. 1 Antokon'olona miaraka milalao, mihira na mandihy eo ambany fifehezan'olona ray: Tarik'i Rainizafitsimrhogo. 1 Metaly nohalavaina ho tsorany: Tari-by, tari-barahina (izay soratana mate* ka tariby...). - t.i.f.: Taritina / tarihina, atarika, voatarika f mitarika, fitarika, mpitarika f itarihana, fitarihana / mahatarika. - F.-p.: Tari-dositra: fihatahana tsikelikely tsy tena mitsoaka avy hatrany. / Tarijoro: fomba fitondran'ny olona ny lambany raha la-va, izay ataony mitaritarika eny amin'ny tany ny zorony.jTay tia tari joro: tsy mihambohambo, satria, taloha, ny lava lamba dia noheverina ho mpanankarena. Ahitsio
Tarimo: a.: Anaran-kafa ilazana ny kibondranjo. 1 Fivontosana. Ahitsio
Taritarika: (Atm) a.: Tady taretra lava be izay henjanina eo ambonin'ny tanimbary vao noketsaina ka misy kofehy singory isaky ny 10 sm; voasingotra amin'ireny kofehy kely ireny ny voronkelY mitady hihinana ny vary vao noketsaina. Ahitsio