Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tazo: a.: Karazan'aretina manrpanetsetra sy miteraka fanaviana izay mampisondrotra ny hafanana ary mandreraka tsikelikely: Nandringana oiona izaitratra ny tazo fahiny teto Madagasikara. / "Injany man4ko ny kotrok'orana, — Mandreraka sady mandazolazo -- Tsapaina ny fo, ha mangorangorana — Mata-na kanefa tsy uoan'ny tazo" (S. BEM). ? h,a.: Aretim-panahy noho ny fahavoazana iray lehibe nihatra tamin'ny tena: Voan'ny tazomkarena Rmngahy iny. Ahitsio
Tazona: a.: Fitanana mafy; famihinana, fanagejana tsy hihetsiketsika, tsy famelana handeha na hiala. - t.i.f. Tazonina, atazona, voatazona, tinazona 1 mita-zona, fitazona, mpitazona 1 itazonana, fitazonana / mahatazona. Ahitsio
Tazonina: (tazona) mt. ih. (tazony): Gejaina, fihinina tsy hihetsiketsika: Tazony mafy ny tady. 1 Tanana tsy hilefa, tsy avala handeha na hiala: Notazonin'ny polisy indray alina ilay nahina ho mpangalatra. 1 h.o.: Tazon y ao an-tsainao izany anatra izan y. Ahitsio
Tazotazo: a.: Fiboridanana, fitanjahana (tsy fiteny afatsy amin'ny lehilahy). - t.i.f : Mitazotazo, fitazotazo. Ahitsio
Te: Jer. Ta. Ahitsio
Teatira: (fr. Théatre) a.: Fampisehoana an-tsehatra tantara mampangitakitaka na mampahonena na mampihomehy, izay velomin'olona hita mihetsika sy miresaka toy ny amin'ny fiainana andavanandro izao: Mijery teat7ra Ahitsio
Tebahina: (tebaka) rat. ih. (tebaho): Esoina, haratsiana, kianina: Tsy zakako mihitsy ny nataony fa notebahiny teo imason'ny olona teo a-ho. 1 Atao tsinontsinona, tsizarizarina, zimbazimbaina, fotsifotsina: Izao no todin' ny nataonao fa notebahinao ny anatra natao anao. Ahitsio
Tebaka: a.: Eso, fanaratsiana, fanakianana noho ny hasosorana na ny tsy fifankahazoana. 1 Fanaovana tsinontsinona, fanatsizarizariana, famotsifotsiana, faniratsirana. - t.i.f. : Tebahina, voatebaka, tinebaka I manebaka, fanebaka, mpanebaka 1 anebahana, fanebahana f mahatebaka I tebatebaka. Ahitsio
Tebiteby: a.: Ahiahy, tahotra, fihavatravatra fa toa hisy hihatra na hanjo ny tena. - t.i.f.: Mitebiteby, fitebiteby, mpitebiteby 1 itebitebena, fitebitebena. Ahitsio
Teboka: a.: Mari-pijanonan-tsoratra (.) ampiasaina rehefa mamarana fehezanteny. - F..p.: Teboka amam pain go (;): mari-pijanonan-tsoratra: -a) entina manavaka fizarazaram-pehezanteny feno fa tsy tanteraka: Auy hatrany dia nanatona andrainy ilay zaza mpandany; niankohoka teo an-tongony dia nifona taminy -b) mba hampisaraka tapa-pehezanteny izay efa samy misy faingo: Toy izao no fipetrakay: teo varatra, i dada; teo atsimo, i neny.../ Teboka roa (:): mari-pijanonan-tsoratra fampiasa -a) eo alohan'ny fitanisanjavatra: Misy efatra ny zoron-trano: ny zoro firarazana, ny zoron'akoho, ny zorom-barauarambe, ny zorombaravarankely -b) alohan'ny fehezanteny manazava na mamelabelatra hevitra na teny iray eo aloha: Ny nanaovako izany dia izao: tsy riako ho fantatry ny olona aho -d) raha mamerina teny nolazain'olona: Hoy Andrianampoinimerina hoe: "Ny ranomasina no ualampariako". / Teboka manontany (1): fampiasa eo aorian'ny fahezanteny manontany: I-za no anaranaoS Ahitsio
Tefahina: (tefaka) mt ih. (tefaho): Asiana tefaka na tehamaina, kapohina: Nahoana no tefahinao ny zanako? ? Asiana teny maharary. Ahitsio
Tefaka: a.: Feo re rehefa misy zavatra vaky, toy ny vilany izany. ? Vono amin'ny felatanana, tehamaina. - t.i.f.: Tefahina, atefaka, voatefakalmanatefaka, fanatefaka, mpanatefaka I anatefahana, fanatefahana / mitefaka, fitefaka, mpitefaka 1 itefahana, fitefahana. Ahitsio
Tefaka: a.: Zavamaniry iray karazana amin'ny antendry, rofia, voaniho... izay anaovana sahafa na satrolq,a, ary ny lavenony angalana sirahazo izay atao hoe Betefaka (Chrysalidoearpus deeipiens Beeeari-Palm /ers). Ahitsio
Tefena: (tefy) rut. ih. (tefeo): (metaly) Amboarina: Notefen'iza iny firavakao iny? ? Asiana (totohondry): Notefeko ny totohondry ny anao iahy ka nitsirara. Ahitsio
Tefintefina: a.: Hamailamailahana sy fipentsompentsonana hitsabaka amin'ny raharahan'ny sasany. - t.i.f: Atefintefina, tafatefintefina / mitefintefina, fitefintefina, mpitefintefina / itefintefenana, fitefintefenanaJ mahatefintefina. Ahitsio
Tefitra: p.t.: Maimaika er3 hanao, salehotra; misalovana ny tsy raharahan'ny tena. Ahitsio
Tefitra: p.t.: Be ebo, be hambo, kevokevoka mitady do-ka; kitokitoka raha miteny. - t.i.f.: Mitefitra, fitefitra, mpitefitra 1 mahatefitra. Ahitsio
Tefoedra: (fr. typhoïde) a.: A-retina avy amin'ny mikraoby iray manokana izay atao hoe basilin'i Eberth, avy amin'ny sakafo, ary miditra any amin'ny tsinay, ka ny famantarana azy dia tazo tsy mety miafana sy fivalanana matetitetika; raha tsy voatsabo dia miafara amin'ny fahaloahan'ny tsinay ny tefoedra. Ahitsio
Tefohana: (tefoka) mt. pdr. (tefohy): Tifirina: Notefohany basy ilay biby. ? Asiana tehamaina: Tefohy tehamaina io raha mamaly. Ahitsio
Tefoka: a.: Fipoahana tsy dia mafy loatra, toy ny an'ny basy; firefotra toy ny an'ny rantsan-kazo tapaka na ny vilany vaky. - t.i.f.: Tefohana, atefoka, voatefoka / manatefoka, fanatefoka, mpanatefoka/ anatefohana, fanatefohana I mitefoka, fitefoka, mpitefoka I itefohana, fitefohana 1 mahatefoka. Ahitsio