Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tefontefona: Mitovy amin'ny Tefintefina. Ahitsio
Tefotra: Jer. Tefitra. Ahitsio
Tefy: a.: Fanamboarana vy ho zavatra: Ratsy tefy ity rojo ity izany. 1 h.o.: Famolavolana: Aleo loha tsara tefy toy izay loha nosesefana izao karazam-pahaizana rehetra izao. i t.Lf.: Tefena, atefy, voatefy 1 manefy, fanefy, mpanefy 1 anefena, fanefena 1 mahatefy / tefitefy. - F-p.: Tefy be mivaona: taozavatra maro vita ara-tefy somaradimbana sy be angesongeso; enti-milaza koa fitsarana tsy marina, na firaisan-tetika ahitana olona ma-ro voaringodringotra. / Tefy maika: tefy kongorevo, taozavatra vita tsizarizary mamonjy tavan'andro fotsiny. / Tefy monta: fanefena vy izay tsy nodorana fa novelezina amin'izao; enti-milaza taozavatra natao izay hahavitana azy fotsiny, tsy misy vidiny. Ahitsio
Tehafina: (tehaka) mt. ih. (tehafo): Omena tehaka fa nahafinaritra: Notehafin'ny olona izaitsizy ilay mpihira. ? Asiana tehamaina: Saika hotehafiko ilay zazalahy fa nanafintohina ahy. Ahitsio
Tehaka: a.: Fampikatrokatrohana ny felatanana roa entina manamarika ny fingadon' ny hira na ny hafaliana: Nirefodrefotra ny tehaka nony avy niteny izy. ? Fikasihana amin'ny tanana. 1 Famelezana amin'ny felatanana (jar. Tehamaina). - t.i.f.: Tehafina, atehaka, voatehaka, tinehaka / manehaka 1 mitehaka, fitehaka, mpitehaka / itehafana, fitehafana / mahatehaka / tehatehaka, tehatehafina 1 mahatehatehaka. * An-tehaka: enti-milaza fahasitranana haingana amin'ny fitsaboana indray maka monja. / Teha-dolo: ilazana aretina mampivonto ny hodi-maso tampoka, ary noheverin'ny Ntaolo fa voakasiky ny lolo na matoatoa na angatra no nahatonga izany. / Tehak'afo: fanosora-menaka ny felatanana izay atanina afo hafana tsara ka apetaka amin'izay maharary. Ahitsio
Tehefana: (tehika) mt. ih. (tehefo): Takarina (na ambony toerana loatra izany na ambany toerana loatra): Iva loatra ny karetsak'ilay uaravarana mankany amin'ny laua-bary ka tsy azoko tehefana. ? Tendrena, kasihina na hanina kely: Maika be izy ka notehefany fotainy ny vara,. Ahitsio
Tehenana: (tehina) mt. ih. (teheno): Iankinana, ohatra ny atao amin'ny tehina: Teheno ny soroky ny zokinao. Ahitsio
Tehenina: (tehina) mt. ih. (teheno): Enti-milaza ny lakana izay atosika amin'ny tehin-dakana: Hitanao ir? lakana tehenin-dRangahy lava be frit? Ahitsio
Teheny: a.: Fitombotombohana, fitorohana amim-pahasahiana toa dia marina er?, ne-fa don-tandroka fotsiny ihany. * F.-p.: Manao teheny: manao don-tandroka. Ahitsio
Tehezana: a.: Ny taolana tsirairay amin'ny tratran'ny olona sy ny biby. * F.-p.: Tehezan-tany: ny fitongilanan'ny havoana. / Tehezam-bohitra: tanàna tataovana tendrombohitra. / Taolan-tehezana: teny iantsoana ny vehivavy andefiman-'drY Ahitsio
Tehika: o.: Kasika, fikasihana kely foana; ffhinanana tskelike)y amin'ny sotro. - t.i.f.: Tehefana, atehika, voatehika, tinehika, tafatehika 1 mitehika, fitehika, mpitehika / itehefana, fitehef a-na / mahatehika. Ahitsio
Tehina: a.: Tapa-kazo lavalava namboarina ho amin'ny dia: na hanohantohanana ny famindra, na hitsapatsapana ny lavadavaka eny amin'ny lalana, na hikapohana biby sendra ny tena... iti t.i.f•: Tehenana, tehenina, atehina, voatehina, tafatehina 1 mitehina, fitehina, mpitehina 1 itehenana, fitehenana 1 mahatehina. - F.-p.: Tehin-kiho: fanaovana ny tanana toa manery na mitehina ny valahana. * Ohab.: Tehin-kiho am-piakarana: tsy haingo fa tohan' aina: enti-milaza fa misy fisehoan-javatra ivelany izay toa haitraitra fotsiny, nefa hay tena zavatra ilaina mihitsy. ¶ M.h.: Tabaka, kibango, langilangy, kanonta, longy, firitsoka, kipikipy, valavala. Ahitsio
Teko: na Rondrona (Btl) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby somary miondrika ny tendrony. Ahitsio
Telefaonina: (fr. téléphone) a.: Fitaovana ahafahan'olona roa mifanalavitra miresaka. Ahitsio
Telegrafy: (fr. télégraphe) a.: Fitaovana ahafahana mampita teny na vaovao haingana any lavitra. Ahitsio
Telegrama: (fr. télégramme) a.: Teny ifampitondrana amin' ny aialan'ny telegrafy. Ahitsio
Televiziona: (fr. télévision) a.: Fampitana ny sary sy ny feo any lavitra amin'ny alalan' ny onja elektrika. Ahitsio
Telina: a.: Fanakodiavana, fanagorodanana zavatra any an-tenda tsy tsakoina: Atao teli-moka. ? mt. ih.: Tiana, ankasitrahana: Tsy teliko ilay teny nataon'ny zokin' ise ahy iny. * t.i.f.: Atelina, voatelina, tafatelina f mitelina, fitelina, mpitelina / itelemana, fitelemana / mankatelina / fankatelemana 1 mahatelina. ? F.-p.: Teli-moka: fitelemana zavatra tsy tsakoina fa tonga dia avarina. / Manao teli-moka: mitelina avy hatrany tsy mitsako akory. / Sitraka sy telina: enti-milaza zavatra mahafaly sy tena tiana tanteraka ka isaorana be ny olona manome. Ahitsio
Telo: p.i.: Milaza isa roa ampiana iray: Rehefa mandray telo (volana) ny zaza dia alam-bolo, * t.i.f.: Teloina I mitelo, fitelo, mpitelo f iteloana, fiteloana l intelo, manintelo, fanintelonyl fahatelo, ampahatelo na ampahatelony / hateloana l tsitelotelo. - F,-p,: Telo noho dimy: teny fampiasa amin'ny fanorona raha vato dimy sise ny ankilany ary telo ny andaniny; matetika tsy misy mahafaty ny mpilalao amin'ny tahaka izany raha samy mahay. * Fiten.: Toko telo mahamasa-nahandro: enti-milaza olona telo antoky ny fahavitan' ny zavatra iray. Ahitsio
Teloina: (telo) mt. ih. (teloy): Zaraina telo: Noteloina ny fananan'i dada sy neny. Ahitsio