Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tezaina: (teza) mt. ih, (tezao): Enti-milaza ny basy atao mahitsy tsara ka hitifirana, ny volobeny tsy aankina amin-javatra; asiana na tapahina eo afovoany tsara. Ahitsio
Tezaina: (taiza) mt. ih. (texao): Karakaraina sy kolokoloina: Sarotra tezaina koa ity zaza ity. Ahitsio
Tezerana: na Terezana (tezitra) mt: ih. (tezero, terezo): Ampisehoana tsy fahafaliana, ka toa maha ta hamely: Notezeran-drainy i Soa fa alim-pody loatra. / Anarina, levilevena: Tokony hotezeranao ireo mpianatra ireo fa kamis. Ahitsio
Tezitra: p.t.: Tsy faly amin'ny olona iray ka hetsehim-po hamely azy: Tezitra taminy ny rainy ka saika voafelaka izy. / Tezitra noho ny hakamoanao ny mpampianatra. 1 ' mt.: "Axa tezitra anay, Tom-po ô" - t.i.f.: Tezerana na terezana, voatezitra, tinezitra / mitezitra, fitezitra mpitezitra / itezerana, fitezerana / mahatezitra / tezitezitra / hatezerana, fahatezerana. ¶ M,h.: Sosotra, madiky, monjotra, mimonjotra, mandongilongy, montotra, malonilony, mimonjomonjo, mionjononjona, manao farateny, mihifika, tohina, sendaotra, entim-po, tafintohina, milondolondo, somalondo, lotika, letra, misamontotra, mifongofongo, mikitoka, mikintona, manangam-bovona, mirintona, miotinotina, mandrivana, lomodomotra, vinitra, miviniviny, mivindina, mivindavinda, mikitakita, mena, tera-mena, mivoaramena, hendratra, hendratra dia hendratra, miala vonkina, mivandravandra. tonga fofona ohatra ny ronono mandroatra, mihidy vazana, miempo fo, misarongatra, mandroatra, mitroatra, mitrifana, misafoaka, mitafoaka, miafokafoka, mifotroaka, mitrafana, mikafara, mikafankafana, miafonafona, miefonefona, misondro-dra, henjan-kozatra, romotra, gaigy, misamboaravoara, misafotofoto vorim-bava, maimbo ra, liandra. — Mora tezitra, saro-pò, saro•poserana, foizina, ratsy fo, manao fon'ny mpanefy. Ahitsio
Tezotezo: a.: Toetran'ny zaza lava mahia, - t.i.f.: Mitezotezo, fitezote- zo. Ahitsio
Tia: mt.: Manana fironana na firaiketana amin-javatra na olona iray: Tia an'io saka io izaitsizy i Naivo. 1 Mahatsiaro ho voasintona tsy hisaraka aman'olona iray, izay na ho an-tena, hasian-tsoa ary hahafoizan-javatra na hahafoizan-tena mihitsy aza: Tsy misy tsy tia ny zanany, na ny biby aza. 1 Mahatsiaro hafinaretana amin-javatra iray: Tia hira malahelohelo ny zandriko. / Tia ny mitsangantsangana eny amoron-dranomasina izy. 1 Mahazoazo, mankafy: Tia akondro fatratra Rangahy vadin-dRazanany. - t.i.f.: Tiavina na tiana / mitia, fitia, mpitia / itiavana, fitiavana / mahatia / mifankatia, mpifankatia 1 ifankatiavana, fifankatiavana. - F.-p.: Tia kely, tiatia kely: kahihitra sy fetsifetsy ka na zavatra tsy dia inona akory aza dia tetehiny ho azy. / Tsy tia mainty, tsy tia maizina: leony sy tsy tia tanteraka, tofoka tsy te hiherika akory. / Tsy tia mololo: ilazana ny efa voafitaka mafy ka tsy tia hiherika intsony. / Tsy tia velona: anarana iantsoan'ny olona ny mpivarokena, ny mpamosavy, ny mpanapa-doha... noho ny asa fanaony. ¶ M.h.: Mirona, miraiki-pitia, miraiki-po, mandala, mankamamy, mankafy, mankasitraka. — Tia fatratra, mironaka, seriny, miadala, lefaka, mivarilena, misary adala, matim-pitia, matimaty amin'ny, mimatimaty amin' ny, azon'ny sasany amin' ny..., voan'ny fandraikiraikena. — Tia tena, tiatia kely, vorombe sima, mpanao ampihi-mamba, mpitady tany malemy hanorenam-pangady, mpila sitrany ahay, mahalala folo ho an-tena fa tsy mahalala iray ho an'olona, mahajery voamason-jaza, mivolo hoho, manao asa azy, manao voin'ny azony, manao havana raha misy patsa, manao kely tsy mba mamindro, mijery lamba vaky, manao vain-drahalahy tsy mba maharary, manao mamy hanina an-tanana. Ahitsio
tiako:ftt. Tia. Ahitsio
Tiatiatra: a.: Kotro-baratra mi- riatra na midoboka misy akony mifamalivaly any ho any. é t.l.f.: Mitiatiatra, fitiatiatra. Ahitsio
Tiavina: na Tiana (tia) mt. ih. (tiavo): Ananana fironan'ny fo, iraiketana: Tsy tian'ilay zazauauy ilay tovolahy fa be taona loatra. ? Irina, tadiavina: Hanao izay tianao aho. ? Sitraka: Tsy tiako ny hanambadianao iny olona iny. ? Mahafinaritra: Tiako ity boky ity fa misy tantara mahaliana. Mirihina fa ny Tiavina dia manan-kevitra indrindra hoe "ezahina ho tiana", ka izany no ananany fomba mandidy: tiavo: Tokony hotiavina ny fianarana. Ahitsio
Tibatiba: p.t.: Fano (tahakany kibo feno rano), dibadiba. - t.i.f•: Mitibatiba, fitibatiba. Ahitsio
Tifahina: (tifaka) mt. ih. (tifaho): Tapahina, vakina. Ahitsio
Tifaka: p.t.: Tapaka na vaky ka miparitaka, tapaka ka mipitika. - t.i.f.: Tifahina, atifaka, voatifaka / mitifaka, fitifaka. Ahitsio
Tifidalitra: (Btl) a.: Lalaon'ny ankizy anehoana fahakingana amin'ny famonoan-dalitra: aforitra ny hazo na sila-bolo, asiana tady ny tapany roa hanenjana azy, ka ny bala dia vero na hazo hazonina eo amin'ny tady ny tapany; sintonina henjanina mafy ny tady, ka avotsotra tampoka, dia mitsipika teo ny bala ka mihatra ery amin'ny zavatra tifirina. Ahitsio
Tifihina: (tifika) mt. pdr. (tiffho): Pitihina: Tifiho rano handeha any fo amboa io fa mahasosotra. Ahitsio
Tifika: a.: Tsipika, pitika. 1 t.f.f.: Tifihina, atifika, voatifika, tafatifika 1 manatifika, fanatifika, mpanatifika / anatifihana, fanatifihana 1 mitifika, fitifika, mpitifika 1 itifihana, fitifihana 1 mahatifika. Ahitsio
Tifirina: na Tofirina (tifitra) mt. ih. (tifiro, tofiro): Asiana (amin'ny basy, tafondro, tsipfka... na izay rehetra mety hahavoa): Notifiriko tamin'ny basy ifay vorona ka nitsirara, ? Kendrena hasiana: Izaho mihitsy no notofirinao tamin'iny teny iny. * Ohab.: Aza manaf-boronkotofirina: tsy mba taitairina ny olona na biby tiankasiana na hosamborina. Ahitsio
Tifitra: a.: Famelezana amin' ny basy; fandefasana zavatra hahavoa ny hafa; fikendrena. - t.i.f.: Tifirina, na tofirina, atifitra, voatifitra 1 mitifitra, fitifitra, mpitifitra 1 itifirana, fitifirana 1 mahatifitra. Ahitsio
Tigetra: (angl. ticket) a.: Zavatra boribory fisaka atranga ambony ka kendrena tifirina atao fanazarana amin'ny fahaiza-mitifitra. Ahitsio
Tihika: a.: Fahafenoana safomorona na mihoa-pefy. i t.i.f.: Mitihika. Ahitsio
Tihina: sy Tihintihina a,: Fihetsika feno avona na rehareha, na amin'ny teny na amin'ny fandeha. - t.i.f : Mitihintihina, fitihintihina, mpitihintihina 1 itihintihinana, fitihintihinana 1 mahatihintihina. Ahitsio