Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Toherina: (tohitra) mt. (tohero): Tsy ekena ka atosika: Notoherin-dRakoto ny rain y. Ahitsio
Tohifina: (tohika) mt. ih. (tohifo): Anaovana di-doha. 1 Toherina amin-kiry: Notohifiny izaitsizy aho. Ahitsio
Tohika: a.: Di-doha, kiry hanao araka ny heviny ihany: Be tohika Rangahy io ka tsy azo 951 iadian-kevitra. 6 t.i, f.: Tohifina, voatohika, tafatohika / mitohika, fitohika, mpitohika / itohifana, fitohifana / mahatohika. - F.-p.: Be tohika: be kiry, madi-doha. / Tohi-miorika: ilazana ny tsy mankatd sy mafy loha amin-dray amandreny na ny lehibe. j Resy tohika: resy lahatra. / Tsy leo tohika: Tsy manaiky ho diso na dia efa anazavana ny marina aza * Ohab.: Aleo maty reniomby toy izay ho resy tohika: enti-milaza ny olona be didoha tafahoatra ka aleony iharam-patiantoka bevava toy izay ho resy lahatra. ¶ M. h.: Di-doha, hamafy hatoka, hamafy sofina, bohihy, botraika, fitokozihitra, fihenahena, fikiry, fikiribibiana, fikitroka, fikitrohana. — Be tohika, be dohika, kirina, lahy loha, mafy loha, mahery loha, mitompo teny fantatra, malemy maozatra, kizitina, mafy kitroka. Ahitsio
Tohiloha: a.: Lamba efa malemy sy rovitra ka ny slsiny roa no avitrana atao ampovoany. Ahitsio
Tohina: p.t.: Voadona malemy dia malemy, voakasika kely foana: Tohina fotsiny ilay tauim-boninkazo dia nianjera. • Sosotra na tezitra na mangoraka: Tohina ny foko mahita ilay uehivauy mahantra mibaby zaza mitsindroka eny an-dalambe, • Tofoka, leony: Tohin-kazandrano a-ho tany amoron-tsiraka. - t.i.f.: Tohinina, atohina, voatohina / manohina, fanohina, mpanohina / anohinana, fanohinana / mahatohina. Ahitsio
Tohinina: (tohina) mt. ih. (tohino): Kasihina kely: Aza tohininao aho fa manoratra. Ahitsio
Tohinjaka: p. t.: Mihetsiketsika, manonjanonja (mifanahatahaka amin'ny fihetsiky ny olona mitoto vary). - t.i.f.: Mitohinjaka, fitohinjaka, mpitohinjaka. Ahitsio
Tohitra: a.: Fampisehona kiry tsy hanaraka. - t.i.f.: Toherina, atohitra, voatohitra / manohitra, fanohitra, mpanohitra / anoherana, fanoherana / mifanohitra / mahatohitra / tohitohitra. Ahitsio
Tohizana: (tohy) mt. pdr. (tohizo): Asiana zavatra tohiny, ka misy teny famenony mandrakariva eo aorianany: Hotohizana rofia ity kofehy ity fa fohy loatra. (Aza afangaro amin'ny tohizina). * Ohab.: Manao foly mena tohizan-drofia: enti-milaza asa tsara ampifangaroina asa ratsy misy fitaka. Ahitsio
Tohizina: (tohy) mt. ih. (tohizo): Tsy vita fa mbola misy tohiny: Hotohizina rahampitso ny resatsika. / Mbola hotohizina (ny tantara). Ahitsio
Toho: a.: Karazan-kazo (Gymnosporia brachystachya). Ahitsio
Toho: a.: Karazana hazandrano kely fisaka ny lohany ary tsisy taolana firy. • F.-p.: Mason-toho: ilazana ny manana maso kely toy ny an'ny toho. / Toho asesimamba: enti-milaza ny madinika asesiky ny lehibe hanao ratsy. * Ohab.: Toho latsaka ambouo: mazaua andro idirana fa maizina andro ivoahana: enti-milaza olona mora sodokan-drendrarendra ka loza no miandry azy vokatr'izany. Ahitsio
Tohodrano: (tohoka rano) a.: Karazana fefiloha natao hanohoka na hanampina rano mandeha ka mahatonga ny rano hihandrona amin'ny toerana iray. Ahitsio
Tohofana:(tohoka) mt. ih. (tohofy): Fefena mba hihandrona ny rano: Tohofy ny tanimbary mba ho Teno rano. * Enti-milaza ny fatana asiana kitay, tain'omby..., miavovona be: Notohofany kitay be loatra ny fatana ka maty ny afo. • Atao mipetaka avy hatrany amin'ny vava: Tsy tokony hotohofana vava ny fantsakana satria natao ho an'ny olona rehetra io. Ahitsio
Tohoka: a.: Rehefa mety ho fefy atao hanampina rano mandeha ka mahatonga azy hihandrona: Toho-drano, ? Kitay na tain'omby avovona be eo am-patana; fanesehana ny kitay ao am-patana. ? Fihinanana sakafo na fisotroana rano izay tsy alozina fa atao mipetaka avy hatrany amin'ny vava: Zatra ny antoho-jinga ka tsy velon'ny an-kararana (ohab.). - t.i.f.: Tohofana, atohoka, voatohoka / manohoka, fanohoka, mpanohoka / anohofana, fanohofana / mitohoka, fitohoka, mpitohoka / itohofana, fitohofana / tohotohoka. - F.-p.: Toho-jinga: fitondrana ny zinga eo amin'ny molotra mba hisotroana rano. / Toho-tsofina: teny malemilemy, bitsibitsika. / Manao toho-tso fina: mibitsibitsika, milaza tsiambaratelo tsy ho ren'ny hafa. * Ohab.: Zatra manao tohojinga ka tsy uelon'ny an-kararana: enti-milaza olona zatra miadana amin'ny fiainana ka miferin'aina toa tsy ho velona raha tojo toe-java-tsarotra tsy maintsy hihafiana. Ahitsio
Tohono: (toa hono) a.: Tsaho kely, miely, honohono. Ahitsio
Tohotra: a.: Tranon-tantely, izany hoe ireo tranotrano misy efitrefitra fametrahan' ny renitantely ny mammy. I t.if.: Mitohotra, fitohotra. Ahitsio
Tohy: a.: Zavatra anampy zavatra hafa iray mba hahafeno tsara ilay voalohany: Lia-na handre ny tohin'ilay tan-tara aho. •Fampidiran-javatra maro mifanarakaraka amin'ny kofehy na tsora-by: Tohy vakana. 1 Famerenanjavatra na fiverenan-javatra fanindroany indray: Matahotra aho sao hisy tohiny ity ady ity. ? Fanalavana: Ny rambo, hono, dia tohin'ny hazondamosina ihany. / Fohy loatra io tady io ka tsy hahatakatra raha tsy asiana tohiny. 1 Fomba na asa enti-mampitambatra: Ataovy tsara tohy ireo hazo ireo, - t.i.f•: Tohizina, tohizana, atohy, voatohy, tafatohy / manohy, fanohy, mpanohy 1 anohizana, fanohizana / mitohy, fitohy, mpitohy 1 itohizana, fitohizana / tohitohy f mahatohy. ? F.-p.: Tohy lany: enti-milaza fifandimbiasana mitohy lava hatrany. / Tohy loha: ilazana ny lamba izay nampiana ila keliny mifampitohy ny lambanany; atao hoe: "kely ila" koa ny anaran'ny lamba toy izany. / Tohy nonoka: enti-milaza omby matavy hatrany an-dohany ka hatrany am-bodiny. / Tohy vandana: ilazana vakana mitohy ka mifanelanelana fotsy sy mainty. / Tohy uouoka: vovoka mitorajofo mifanesy tsy an-kiato. Ahitsio
Toina: a.: Valin'antso, valin' ny teny atao averin'ny ako. 1 Manoina, fanoina, mpanoina / anoinana, fanoinana. Ahitsio
Tointoina: na Tsitointoina p. mt.: Sandra, sendrasendra: Tointoina no nahitako azy teny an-tsena. Ahitsio