Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tokoa: p. mt.: Tana... fa tsy kivazivazy: Lasa tokoa izy lahy! 1 Fanamafisana ny teny "marina" ka ny hevitr'ireo teny roa ireo amin'izay dia hoe: tsy misy isalasalana: Marina tokoa fa tsy misy mahay ohatra azy. ? a.: Ny marina: Ny tokoa lazaina, fa efa leon'ny lainganao aho. Ahitsio
Tokoana: a.: Ny fikarakarana ny zavatra, ny hanina atao eo ambony toko mba handrahoina. * Ohab.: Ny tokoanam-bary aza iadian'ny mpivady: entimilaza fa na dia zavatra kely aza mety hampiady mivady. Ahitsio
Tokoana: (toko) mt. ih. (tokoy): Enti-milaza zavatra zarazaraina, saratsarahina: Notokoany folo ny voanjo namidiny. 1 Enti-milaza ny vary karakaraina handrahoina: Nahoana no tsy mbola tokoanao ny vary? 1 Enti-milaza ny vatom-panorona alahatra amin'ny toerany avy alohan'ny hilalaovana: Tokoy àry ny vato raha vonona hilalao Rangahy. Ahitsio
Tokoany: Tokoatra: Fihasimban'ny teny hoe "Tokoa", izay tsy tokony hampiasaina. Ahitsio
Tokona: a.: Fikarakarana ny sakafo handrahoina, fametrahana azy eo ambony toko. - t.i.f,: Atokona, voatokona J manokona, fanokona, mpanokona/ anokonana, fanokonana./ mahatokona. Ahitsio
Tokona: a.: Fihenahenana tsy mety mihetsika na miala amin'ny toerana misy ny te-na; fihenahenana tsy mety miasa. 1 t. f.: Mitokona, fitokona, mpitokona / itokonana, fitokonana. Ahitsio
Tokonana: a.: Ny toerana eo amin'ny fanambanin'ny varavarambe izay tsy maintsy dinganina na hitsahina isaky ny mivoaka sy miditra. Ahitsio
Tokony: p. mt.: Teny enti-milaza fa tsara, mety, ny hanaovana zavatra iray, na hahatongavan'ny zavatra iray (eo aorlan'ny "tokony", dia tsy maintsy atao milaza ny ho avy ny matoanteny): Tokony hiala tsiny ianao fa namingavinga ny mpampianatra anao. / Tokony houana ity lambam-baravarankely ity fa efa mandalambitsika. / Moa ve ho avy izy anio? Tokony, 1 Ankeviny, eo ho eo: Tokony ho tamin'ny folo izy no tonga. Ahitsio
Tokotany: na Kototany a.: Ny tany manodidina ny trano miorina na ny fasana: Tokotanim pasana. ~ Tany voafaritra —ary matetika aza voafefy — miankina amin' ny trano iray, ka atao hilalaovan'ny ankizy: Ndeha milalao any an-tokotanyl ? h. o.: a) Ny ankevitry ny tombam-bidin'ny zavatra iray: Tsy mihoatra ny iray alina ny tokotanim-barotr'io olona io. -b) Antoka: Ny karaman'ny mpiasa iray volana ity mbola tsisy tokotaniny akory. -d) Faritra: Tsy dia manahoana ny tokotanimpahaizan'io tovolahy io. -e) Fitambarana: Tsotra nefa mendrika ary mahatehotia ny tokotanin'endriny. -f) Ny loko hita ho be indrindra amin'ny sary izay misy loko maro: Inona no lokon'ny tokotanin'ilay akanjonao vaovao izay? Misy sarim-boninkazo fotsy sy marra), fa man-go ny tokntaniny. Ahitsio
Tokozihitra: a.: Fihenahenana tsy mety mihetsika hissa na hanampy (ny toko dia atsatoka hiorina mafy eo amin' ny fatana mba tsy hampiongana ny vilany); famitsahana na fitakokoana noho ny hatsiaka. i Mitokozihitra, fito• kozihitra, mpitokozihitra / itokozihirana, fitokozihirana. Ahitsio
Toky: a.: Fanantenana mafy amin'olona na amin-javatra iray: Mibanjina ny ho avy amin-toky. 1 Antoka azo ianteherana: Nanome toky izy fa hanampy ahy raha vao tonga. - t.i.f.: Mitoky, fitoky, mpitoky / itokiana, fitokiana J matoky 1 hatokiana, fahatokiana 1 mahatoky. - F.-p.: Manama toky: mametra-teny. J Fanomezantoky: fametrahan-teny, teny napetraka. / Manary toky: kivy ka miraviravy tanana, rera-po tanteraka. J Matoky tena: sahisahy, be hambo. J Tokim-panompoana: fampanantenana ampahibemaso fa hanoa tanteraka ny mpanjaka na ny mpitondra. J Tokin' aina: fampanantenana avy amin'ny mpisikidy fa tsy ho faty ny marary. / Toky ratsy: fihamboana be loatra, hasahian-doatra. * Fiten.: Ny toky fitaka: enti-milaza teny fampanantenana ahiahina ho tsy tanteraky ny mpanome toky. Ahitsio
Toky: a. : Mosavy. 6 Tokina, voatoky 1 mitoky, fitoky, mpitoky 1 itokiana, fitokiana 1 mahatoky. Ahitsio
Tola: (Btl) p..: Enti-milaza tandrok'omby mifanohitra fitsiry ka miolaka amin'n? an-daniny avy. Ahitsio
Tola: p.t.: Tofoka, tohina, leony: Tolan-kazandrano aho izany. ? Lefy, folaka sy mihamalemy: Ela nilibana ireny ka efa tola izao. 1 Mirai-ka, mirona, mitongilana. ? Enti-milaza ny vilany mianjera avy eo ambony toko. - t.i.f.: Voatola / mitola, fitola, mpitola J itolana, fitolana 1 mahatola. Ahitsio
Tola: (Tsar) a.: Omby manana trafo lava sy mirondrona. Ahitsio
Tolakitsiny: a.: Fanalana ny te-na amin'ny fiampangana ny hafa. Ahitsio
Tolàna: a.: Ny hazo ipetrahan' ny lelavaravarana sy irindrinany. * Fiten.: Ny tola-miadidy, ny varavara-miandraikitra: samy manana ny adidy aman' andraikitra tandrify azy avy. Ahitsio
Tolantsika: p.t.: Manao ohatra ny volantsinana, ka ny mivohitra, at? anoloana;hantsika, lantsika. i tif: Atolantsika, voatolantsika, tafatolantsika 1 manatolantsika, fanatolantsika, mpanatolantsika 1 anatolan• tsihana, fanatolantsihana J mitolantsika, fitolantsika, mpitolantsila / itolantsihana, fitolantsihana / mahatolantsika / tolantsidantsika. Ahitsio
Tolatola: a.: Fampihevingevenana ny loha, ny tena; doladola. - t.i.f,: Atolatola, voatolatola, tafatolatola / manatolatola, fanatolatola, mpanatolatola / anatolatolana, fanatolatolana / mitolatola, fitolatola, mpitolatola / itolatolana, fitolatolana / mahatolatola. Ahitsio
Tolefika: a.: Hilana, rona, rai-ka. - t.i.f : Mitolefika, fitolefika, mpitolefika. Ahitsio