Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Valona: a.: Famoretana lamba na fitafiana izay kendrena hilamina tsara; fandaminana sy fitehirizana ao anaty va-ta ny fitafiana tsy anaovana matetika. 1 t.Lf.: Avalona, voavalona 1 mamalona, famalona, mpamalona / amalonana, famalonana / mivalona, fivalona 1 mahavalona 1 valombalona I mivalombalona, fivalombalona. Ahitsio
Valonana: a.: Lamba mihorona milamina tsars, izay atao koa hoe "goran-damba". Ahitsio
Valonga: p.t.: Valo (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha raha nianatra nanisa hatramin'ny folo) jer. Ingisa. Ahitsio
Valongana: a.: Vongana, vainga, fonjan-javatra makadiry. i t.Lf.: Avalongana, voavalongana / mamalongana, famalongana, mpamalongana 1 mivalongana, fivalongana / mahavalongana. Ahitsio
Valopy: (fr. enveloppe) a.: Taratasy naforitra efatra ary midity ka aiditra ao anatiny ny taratasy alefa ho an' olona. Ahitsio
Valotra: (fr. valse) a: Karazandihy vazaha somary milantolanto: Mahay manao dihy valotra er? ireto ankizy! Ahitsio
Valòvoka: o.: Karazana vy ma-lia, roritina ho tariby. Ahitsio
Valovotaka: a.: Olona nandao ny tany niaviany ka mipetraka maharitra na sary monina mihitsy any amin'ny faritany hafa, noho ny fitadiavana ravinahitra. Ahitsio
Valozoro: a.: Trano ngeza sahalahala bika amin'ny tarehin-tsoratra H: Nony niuerina auy tany Antalaha Randria, dia io manorina trano valozoro io. Ahitsio
Valviola: (fr. valvule) a.: Takela-kakaninkanina toa matezaroritina ao amin'ny rindrina anatin'ny fo na ny fantson'ny lalandra, tsy mifefy ka mandray ny ra tonga ao aminy, nefa kosa manakana ny ra tsy hiverin-dalana. Ahitsio
Valy: a: Setry: Valin'ny fiakarana ny fidinana. ~ Setrin'ny taratasy nalefa na ny fanontaniana natao: Nandefa taratasy tany amin-dRakoto aho nefa tsy naharay voiiny hatramin'izao. / Ataovy mazava tsara ny valin-teninao. 1 Tody: Mbola hisy valiny izao fampijalianao zanak'olona izao. ~ Zavatra atao ao ambadiky ny zavatra hafa iray: Misy valy tafo ny tranonay. 4 Valiana, avaly, voavaly, vinaly 1 marner, famaly, mpamaly I amaliana, f amaliana / mifamaly I mivaly, fivaly, mpivaly I ivaliana, fivaliana 1 mahavaly I vaiivaly 1 mamalivaly. - F,-p,: Valim-babena: fankasitrahana àtaon'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny no-ho ireo soa be nataony taminy. / Valim-bonoana: famonoana (fikapohana) ny hafa ho setrin'ny namonoany ny tena. / Vulim-pahaizana: fankasitrahana noho ny fahombiazana tamin'ny fanadinana na ny fianarana ankapobe. / Valin'ady: fanarenana ny faharesena an'ady. / Valin-kasasarana: karama. / Valin-tanana: fomba fifanampiana fahiny tamin'ny aga teo amin'ny fokonolona: nfàsâ ho an'ny olona iray ny olona rehetra ary dia nifandimbiasana niasana toy izany tsirairay avy ny olona tao an-tanàna ka ilay niasana androany dia namaly niasa ho an'ny hala kosa ny ampitso. / Valy bontana: setrin'ny soa nataon'ny hafa tamin'ny tena / Valindrihana, ualisoa, valitafo, valizaitra (jer. amin' ny laharany ireo teny ireo). / Valy boraingona: valin-teny toa manao didiko fe lehibe fotsiny izao, valin-teny jadona. / Vaiy faty: setrin'ny namelezan'olona iray, na nahafaty izy na tsia. / Valy vilana: valin-teny atao amim-pahakingana, nefa tsy mifanaraka akory amin'izay tokony ho izy. ¶ M. h.: Setry, tsimbalivaly, valim-bonoana, valy faty, valin'ady, famerenana Ahitsio
Vanàka: p.t.: Gaga sady taitra tampoka ka ny vava no atanatana fotsiny fa tsy mahateny. 1 t.if,: Avanaka, tafavanaka / mivanaka, fivanaka, mpivanaka I ivanahana, fivanahana I mahavanaka. Ahitsio
Vanavana: o.: MisokAtra be (enti-milaza indrindra vava lavaka, hady, tevana): Teuana mivanavana. - t.i.f.: Vanavanaina, avanavana, voavanavana, tafavanavana / mamanavana, famanavana, mpamanavana 1 amanavanana, famanavanana I mivanavana, fivanavana I ivanavanana, fivanavanana I mahavanavana. Ahitsio
Vanavanaina: (vanaUana) mt, ih, (uonavanao): Sokafana makadiry be. Ahitsio
Vandambandana: (vandona) p. t.: Mipentimpentina, vangavanga. Ahitsio
Vandana: p.t.: Maramara misy sorany mifangaro: Auereno any ity taratasy vandana itY fa tsy misy hilana azy. 1 h. Tsy tsotra sy madio fa ratsiratsy toetra. i t.if.: Vandanina, voavandana / vandambandana, mamandambandana 1 mivandambandana. - F.-p.: Hena uandana na uandan-kena: nofon-kena misy taviny mipentimpentina, fahita indrindra eo amin'ny sorokena. / Fafa uandana: fomba famafa ratsy fa ets? sy er? fotsiny no ampandalovina ny kifafa. Ahitsio
Vandanina: (vandana) mt. ih. (vandano): Atao tonga maramara. Ahitsio
Vanditra: a.: Ny mivohitra mitsoriaka lavalava (toy ny dian'ny tady namatorana na ny tsora-kazo nikapohana). 1 Ny tady voarandrana na-tao haingon'akanjo. 1 t.if.: Avanditra, voavanditra / mamanditra, famanditra, mpamanditra 1 amandirana, famandirana I mivanditra, fivanditra / ivandirana, fivandirana l. vandimbanditra. Ahitsio
Vandrahana: (vandraka) mt.ih. (vandraho): Jerena amin'ny maso midiridiry. Ahitsio
Vandraka: a.: Fidiridirin'ny maso misokatra be sady mifantoka. - t.i.f;: Avandraka, vandrahana, tafavandraka 1 mivandraka, fivandraka I ivandrahana, fivandrahana / mahavandraka. Ahitsio