Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vanila: na Lavanila (fr. vanille) a.: Zavamaniry karazana vahy misy voany lavalava tokony ho 25 sm ary tahaka ny anklkely ny habeny, manana fofona manitra izay mahatonga azy ho sarobidy noho izy tafiditra amin'ny fanamboarana zava-pihinana maro (sokolà, mofomamy...) sy fanaovan-taozava-manitra (savony, ranomanitra...). Ahitsio
Vaninandro: a.: Ny andro sy volana ary taona nitranganjavatra na nanaovana asa iray: Ny uaninandro 26 Jona 1960 no nahazoan'iMadagasikara ny fahaleouantenany, Ahitsio
Vanivany: a.: Hehy na tsiky maneso. i t,if.: Mivanivany, fivanivany, mpivanivany / ivanivaniana, fivanivaniana. Ahitsio
Vanja: o.: Vovo-javatra mora mirehitra ka ampiasaina amin'ny fanaovam-bala fitifirana — Nisy karazany telo ny vanja teto fahizay: ny vanja barota (vita teto antoerana), ny vanja fotsy ary ny vanjam+piraka. - F,-p.: Vanja may tsy harena: enti-milaza izay rehetra lanilanim-poana. Ahitsio
Vankona: a.: Fiasan'ny mpandrafitra hanadiovany ny hazo ho tonga malamalama tsars: Ny vankona dia lehibe noho ny raboa. - t.i.f.: Vankonina, avankona, voavankona 1 mamankona, famankona, mpamankona / amankonana, famankonana / mahavankona. ~ F.-p,: Taim-bankona: potikazo mihoronkorona avy amin'n? hazo novankonina. jereo: ''vakona'' avy@ teniparitra betsileo. Mira amin'ny vankona Ahitsio
Vankonina: (vankona) mt. ih. (vankony): Halamaina tsara atao malambolambo amin' ny vankona. 1 h.o.: Voamboatra tsara aoka izany: 0-hatra ny novankonina er? ny fiteniny! Ahitsio
Vano: o.: Karazam-borona avo dia, mitovy amin'ny vantogisa ny haben'ny tenany, ny tendany azony halavaina hirangaranga avo rehefa misy zavatra tazaniny ary koa azony hafohezina rehefa mipetraka izy; ny lehibe indrindra dia ilay antsoina hoe: "Vanobe": fotsy tanteraka ny volony fa ny ranjony sy ny vavanyno vony tanora; amin' ny toerana be fariby sy ony lehibe ary amin'ny heniheny no ahitana azy. (Telo karazana ny vano ka ny lehibe indrindra dia ilay vanobe voalaza etsy ambony). Ahitsio
Vanona: p.t.: Mahomby: Tana vanona tsara ny voaloboka tamin'ny taona ito. 1 Mandroso: Tsy mety vanona ny varotra eto amin'ity faritany ity. 1 Manjary: Tsy misy vanona ny akoho nompiany. 1 Misy vidiny; mahatanteraka ny ilana azy, tomombana amin'ny maha-izy azy: Tsy vanona intsony ity penina ity. / Mbà olom-banona. 1 To, tanteraka: Tsy nisy uanona ny fikasany ka kivy tanteraka izy. ïf t.i.f.: Mahavanona, fahavanona, mpahavanona / ahavanonana, fahavanonana. Ahitsio
Vanontety: (Tsm) a.: Omby misoratsoratra fotsifotsy manaraka ny lamosiny. Ahitsio
Vantana: p.t.: Mahitsy: Vanta-na ity lalana ity fa aroho. 1 Tsotra tsy misy olakolaka: Vantana ny ankizy raha miteny. 1 Tsotra tsy misy aingitraingitra na haingonkaingony: Vantana loatra izany hira izany! 1 Voan'ny aretin-kibo ka mivalana tsy mahatsiaro tena: Vantana ao 1-balita hatramin'ny aninaraina. - t.i.f.: Vantany / vantanina, avantana 1 mamantana, famantana, mpamantana 1 amantanana, famantanana / mivantana, fivantana 1 ivantanana, fivantanana 1 mahavantana f vantambantana. Ahitsio
Vantanina: (vantana) mt. th. (vantano): Aleha tsy mivilivily: Nouantanin'ny mpisava ny fivarotany ka hita tao ny entana nafeniny, 1 Lazaina tsy misy olakolaka: Vantano ny teninao fa aza sa farina Ahitsio
Vantany vao: ppt. feh.: Tamin' ny fotoana indrindra izay...: Vantany vao niseho izy dia nitehaka ny olona. Ahitsio
Vantotra: a.: Enti-milaza olona na biby tanora efa ho lehibe. - F.-p.: Vanto-j axa: sakanjaza / Vantotr'olona: tovolahy tovovavy. / Miaro vantony: mandrara havana vavy tsy hanao fitondran-tena ratsy. / Mivantotra sahady: ilazana olona vao tera-bao ka mametraka ny zanany amin'ny olona ary lasa mijilajila. Ahitsio
Vantozy: (fr, ventouse) a.: Tamaboha antonontonony apetaka amin'ny hoditra mba hampisy fahamaimaizana, amin'ny fanafoanana ny rivotra ao anatiny, ka hitsaboana ny aretina amin'io faritra io. Ahitsio
Vantsavantsa: Mitovy amin'ny Vatsavatsa. Ahitsio
Vantsilana: a.: Karazan-kazo. Ahitsio
Vantsiona: a.: Karazan'akoho (Porphyrio smaragnotus). Ahitsio
Vany: a.: Ny faritra anelanelan' ny tonony roa: Fary lava vany. - F,-p.: Mila vaniny: mita ady, olona sarotiny amin'izay atao. * Fit-en.: Hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny uaniny: firariana atao olona mba hahombiazany tanteraka amin'izay ataony. Ahitsio
Vao: p.t.: Tsy mbola simba: Mofo vao vidina fa efa leon' ny mofo mialina andro aho. 1 Niseho tsy ela izay: Fery vao. 1 Tsy tranainy, tsy ton-ta: Nosoloana dabilio vao daholo ny dabilio tao am-piangonana. Ny p.mt, "Vao" dia manan-kevitra samy hafa araka ny matoanteny miaraka aminy, na milaza ny ankehitriny, na ny lasa, na ny ho avy: 1) Mbola eo...: Vao misakafo izahay. 2) Avy... tsy ela akory: Vao nisakafo izahay, 3) Efa akaiky ny: Vao hisakafo izahay. 1 ppt. feh.: Raha vantany avy...: Vao nahare poa-basy izy dia nandositra. i Vaozina, havaozina/ manavao, fanavao, mpanavao / anavaozana, fanavaozana / mifanavao 1 mihavao / ihavaozana, fihavaozana / mahavao 1 mavao. Ahitsio
Vaofy: Jer. Vofy. Ahitsio