Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Varizoka: a: Resadresaka tsy misy antony mitarazoka tsisy farany. 1 Varizohina, tafavarizoka/mivarizoka, fivarizoka, mpivarizoka / ivarizohana, fivarizohana / mahavarizoka / varizodxizoka. Ahitsio
Varombo: a.: Ilay faritra hoboka aty idiran'ny zarany amin'ny angady. Ahitsio
Varongy: a.: Hazon'ala atsinanana, tsy dia mafy loatra, nefa maro mpitady hanaovana hazon-trano, hazon-kodiaran-tsarety, rafitra madinika... (Ocatea tricophlebia). Ahitsio
Varoraka: p.t.: Enti-milaza akanjo na lamba tsy voafatotra tsars fa ketraka, migedragedra. 1 h.o.: Tay mihetsika firy fa kivy sady vizana. - t.i.f.: Avaroraka, voavaroraka, tafavaroraka / manavaroraka, fanavaroraka, mpanavaroraka / anavarorahana, fanavarorahana / mivaroraka, fivaxoraka, mpivaroraka / ivarorahana, fivarorahana / mahavaroraka / varoradroraka. Ahitsio
Varotra: a: Fanakalozan-javatra amin'ny vola, hitadiavantombony: Lasa nanao varotra any an-tsiraka izy. 1 Entana amidy: Aza hitsahinao ity varotr'olona. i t.if.: Voavarotra / mivarotra, fivarotra, mpivarotra / ivarotana, fivarotana / mampivarotra, mifampivarotra, mahavarotra / varobarotra. - F.-p.: Ady varotra: fifamaliana ataon'ny mpivarotra sy ny mpividy momba ny vidin' entana ka ny mpividy mangataka mba hahenan'ny mpivarotra io vidiny io, ny mpivarotra kosa tsy mety mainpihena avy hatrany. / Mamola-barotra: mampitamby ny mpivarotra ny mpividy mba hampihenany ny vidin'ny entana iadiam-barotra, na mampitamby ny mpividy ny mpivarotra mba hanekeny ny vidiny araka ny tiany hivarotana azy. / Manongombarotra: mahita olon-kafa mitady hividy ilay zavatra efa nokasaina hovidina ka manondrotra indray ny vidiny efa nomena. / Mivaro-tena: mahazo vola amin'ny fijanganjangana. / Varotra alika: varotra ifanerena. / Varotra ambongadiny: varotra be no atao fa tsy mitsipotipotika. / Varotra an'elakelatrano, varotra an-kobohobo: varotra atao any an-takontakona tsy sahy mazava noho ny mpivarotra ta hanondrotra ny vidin'entana tsy ara-drariny. / Varotra an-trano tokana: varotra entana tsy mety hita any an-kafa fa ao amin'io toerana io ihany. / Varotra antsinjarany: fivarotana zavatra tsipotehina madinidinika. / Varotra olona: fivarotana olona atao mpanompo. / Varotra omby anaty ambiaty: varo-javatra tsy eo ambany maso. / Varotry ny mananotena: varotry ny mpivarotra misalasala noho izy sady ta hahazo vola no toa tsy mahafoy entana. / Varo-bazaha: varotra tsy misy ady varotra fa efa raikitra hatrany tsy azo ovana ny vidin'entana. / Varoboba: varotra mora dia mora. / Varo-dratsy: fivarotana zavatra nangalarina. / Varodroa: enti-milaza olona roa samy mivarotra zavatra iray (oh. trano iray izay karakaraina mpanera roa samy ha-fa). / Varotra mahay mody: varotra azo averina na afody. / Varo-maika na Varotry ny maika hiala, Varotry ny mai-ka hody: varo-mora. / Varomaizina: mitovy amin'ny varotra an'elakela-trano. / Varo-mandeha: fivarotana enta-na mifindrafindra amin'ny toerana maro samihafa fa tsy amin'ny toerana anankiray raikitra. / Varo-maty: varotra entana tsy azo averina intsony na manao ahoana na manao ahoana. 1 h,o,: Fahafatesana, / Varo-miandry: varotra entana izay avela hijanona eo raha mbola tsy lafo. / Varo-miera na Varo-mifody: varotra entana azon'ny mpividy averina raha tsy mahafa-po azy. / Varotra misy fehi-uauany: varotra misy fepetra izay azo ravana. J Varotra tsy miverimbodiondry: varotra entana nanomezana vola mialoha ho fandraiketam-barotra, ka raha tahiny tsy raildtra ny varotra any aorian, dia lany maina iny vola iny fa tsy averin'ilay olona tompon'entana intsony. / Varo-tay mifody: varotra entana tsy azo averina intsony. 1 h.o.: Fahafatesana. Ahitsio
Varozaka: Varozana a. sy p. t.: Enti-milaza: 1) zavatra lava mirefarefa na mitaritarfka; 2) teny lava tsy misy antony fa ny teo ihany no averimberiaa, - t.i.f.: Avarozaka / manavarozaka, fanavarozaka, mpanavarozaka j anavarozahana, fanavarozahana / mivarozaka, fivarozaka, mpivarozaka / ivarozahana, fivarozahana / mahavarozaka / varozadrozaka. Ahitsio
Vary: a.: Karazan-javamaniry madini-boa, izay ambolena amin'ny tany malaria sy be rano, foto-kanin'ny telo ampahefatry ny mponlna eran'izao tontolo izao, ka anisan'izany ny Malagasy. (Misy karazany maro ny vary arakaraka ny lafiny jerena: raha ny bika aman' endriny no jerena, ao ny vary lava, vary botry, vary rojo..., Miha-betsaka ny karazana vary misy eto Madagasikara toy ny vary dista, makalioka, ny vary gasin'ny Mangamila, ny varin'ny Marovoay, ... Raha ny toerana aniriany kosa, ao ny vary ankeniheny, ny vary an-tanety, ny vary tomboka; raha ny fotoana amafazana azy, ao ny varialoha, vakiambiaty, vary asara, vary jeby, vary atriatry.•). 1 Famarana taloha mitovy amin'ny tolàna inenin'ny vata, izany hoe ~— mahatratra eo amin'ny 120 litatra ankehitriny eo ho savily eo: Vary zato tsy entimandeha. - F,-p.: Vary varialoha (jar. io teny io), / Vary vakiambiaty (jer, io teny io). / Vary asara: vary ambolena amin'ny Janoary. / Vary jeby: vary afafy amin'ny Mey, ketsaina amin'ny Jiona ary jinjaina Novambra. / Vary atriatry: ambolena amin'ny Martsa (amin'ny tapany avaratra andrefana daholo ireo telo farany). / Vary rahana: vary akotry maitso andrahoina, ahahy vao totoina. Ireto avy no zavatra lalovan'ny vary miatomboka izy akotry mandra-pahatongany ho vary azo hanina akotry: ireo totoina na atao masomboly afafy aloha ny akotry eny amin'ny taninketsa izay efa voaomana ketsaina ireo ketsa atao eny amin'ny tanimbary avaina afaka volana vitsy, rehefa matoy manomboka mavomavo dia jinjaina, atapy eny amin'ny famoloana ho maina, totoina ary hofaina izay vao andrahoina ohabolana fampiasa: vary sy rano an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao Ahitsio
Vasavasa: a.: Famakafakana (zavatra) hatramin'ny antsipirianY madinika - t.i.f.: Vasavasaina, voavasavasa / mamasavasa, famasavasa, mpamasavasa / amasavasana, famasavasana / mivasavasa, fivasavasa, mpivasavasa / vasavasana, fivasavasana / mahavasavasa. Ahitsio
Vasavasaina: (vasavasa) mt. ih. (vasavasao): Fakafakaina hatramin'ny antsipiriany madinika. Ahitsio
Vasia: (fit.-p.) a.: Kintana. Vasia (t. tr.) a: Dihy. Ahitsio
Vasohina: (vasoka) mt, ih. (vasohy): Atao mangavoka. 1 Alana baraka: Novasohiny teo imason'ny olona teo a-ho. Ahitsio
Vasoka: p. t.: Tay mamiratra na mangiran fa mangavoka, matroka, komavoka: Vatoaoa efa vasoka ity ka tsy tiako. 1 Afa-baraka ka menatra. 1 t.if.: Vasohina, voavasoka / mamasoka, famasoka, mpamasoka / amasohana, famasohana / mahavasoka / vasobasoka. ¶ M.h.: Tsy mamiratra, tsy mangirana, tsy mandina, matroka, mangafoka, mangavoka, vazina, kimavo. Ahitsio
Vata: a.: Fanaka vita amin' ny hazo na vy, atao fainetrahana fitafiana na zavatra hafa ao anatiny: Avalona ao anaty vota ny lamba madio. 1 Fotoben'ny famarana taloha izay natao koa hoe fahenim-bary, mitovy amin'ny 20 1 na 2 dal ankehitriny; ny tapa-bata izany dia 10 litatra no fatrany. • F.-p,: Vatabe: tenabe (ny vataben-dokanga). / Vatandrakitra: vata fandatsahandrakitra. / Vatam-paty: vata filevenana na vata ametrahana ny faty andeha halevina. / Vatasarihana: vatakely norafetana hifampiditra amin' ny latabatra ka azo aintonina sy atosika araka izay itiavana azy. * Ohab.: Tantely tapa-bata ka ny fo no mameno azy: enti-miala tsiny raha kely tsy arakaraka ny fitiavana ny fanomezana atao. Ahitsio
Vatana: a.: Ny tenan'ny olona na biby: Ny olombelona dia uatana sy fanahy araka ny fampianaran'ny antokom-pinoana maro. - F.-p.: Isam-batan'olona: enti-milaza ny tenan'ny olona tsirairay avy. / Vata-miaramila: miaramila tsotra tsy manan-galona. / Vatan-dehi?ahy: ny lehilahy rehetra ao amin'ny toerana iray. / Vatan'orona: ny tampon'orona, ny taolan'orona. / Vatantenany: enti-milaza hoe ny tenany mlhitsy. / Vatan-tsambo: ny tapaky ny sambo mitsinkafona ambonin'ny rano. / Vatan'okondro: ilay taho ben' ny akondro mitondra ny tenany manontolo. / Vatan' adaia: enti-milaza olona na zavatra lehibe ratsy bika, tsisy endriny. / Vaton-tainy: teny fanambaniana ilazana ny miaramila tsy manana Brady, ny vata-miaramlla. Ahitsio
Vato: a.: Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain'ny mpahalala fa avy amin'ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany. ? Potik'io voalaza eo ambony: Vary be vato. 1 Ireo toko alahatra amin'ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona. ~ Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: Vato-mizana. ~ Isa azo amin'ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Baba tamin'ny fifidianana farany. - t.i.f.: Vatoana / mamato, famato / mamatovato, famatovato. - F.-p.: Akora voto: silatsila-bato toa tsy ilaina manao ahoana. / Fo vato: fo tsy mangoraka olona. /Fonosimbato; haham-bato: enti-milaza hafatra tsy nova, voatahiry tsy nisy nahafahana. /Manao am-batonikaky: mandraikitra zavatra indray mandeha, ka tsy azo ovana intsony io; mihenahena amin' ny teny natao, toy ny mpivarotra tsy azo iadiam-barotra. / Mangidy vato: mety hanan-kevitra maro: na fatratra, na sarotra, na tsy laitra. / Nitady toko ka sendra vato: sendra izay notadiavina indrindra (matetika io f.-p. io no tohizana ny hoe: "naniry zaza ka tera-dahy", "nikororoka vary ka sendra rivotra"). / Toro vato nandiauana: maty olona kiady sy voninahitra (mitovy amin'ny hoe: folaka andry niankinana). / Vato ateli-mamba: enti-milaza ny tenin'olona efa ho faty izay tsy maintsy tovfna tanteraka, na koa teny na tsiambaratelo tanana mafy tsy atao misy mahalala. / Vato eran-tanana: olona eo am-pelatanan'ny hafa ka azony ampiasaina araka izay itiavany azy. / Vato fa-mono lolo: olona fanariana ny raharaha rehetra. / Vato fehizoro: vato fototra eo amin'ny zoron'ny trano aoriana. J Vato fiolahana: fialana. ( Vota filokana; vato torahana na vato tsipazana: vato misy loaka notorahan' ny olona ka noheverin'ny mpinompino foana fa fambara tsara raha tafiditra tao anaty lavaka ny vato, fa fambara ratsy kosa raha tsy tafiditra. / Vato kely vaua: kahihitra, mahidy mihirim-belona. / Vota mahery: vato-mizana mavesatra kokoa noho ny ara-dalàna. / Vato mitsangana: vato fahatsiarovana. / Vato nametan-kafatra: olona nametrahana teny ka tsy ma-nova izany. / Vato osa: vatomizana maivana kokoa noho ny ara-dalàna. / Vato tsindry hahazana: ilazana ny vato ataingina eo amin'ny sisin'ny tsihy anahazam-bary mba tsy hikopahan'ny tsihy rehefa tsofin'ny rivotra, ka esorina rehefa mena ny vary. ? h.o.: Zavatra na olona akipaka rehefa tsy misy ilana azy intsony. * Ohab.: Aza atao uato tsindry hahazana, ka raha maioka ny andro atsipy: enti-mananatra tsy hanao tsinontsinona ireo nahitana soa rehefa tsy misy ilana azy intsony. / Vato atora-pody ka tsy mataho-bary hihintsana: enti-milaza zavatra tsy maintsy atao noho ny soa kendrena aminy, ka tsy ajanona na inona inona tonga. Ahitsio
Vatoafo: na Vatofalia a.: Karazam-bato mainty mafy, fakana afo fa mora miteraka afo rehefa ampifampikasohina; fanaovana kapaika Ahitsio
Vatoana: p.t.: Be vato: Tany votoana, vary vatoana ? Hetry, botry, vatokely: Vatoana ity arma ity. ~ Mafy, sarotra andrahoina: Mangahazo uatoana. Ahitsio
Vatoasana: a.: Karazam-batovary malemy volo atao fandranitana fiasana, toy ny antsy, hety... Ahitsio
Vatobodo: a.: Karazam-bato mafonja. Ahitsio
Vatodidy: a.: Karazam-bato menamena madini-bolo sady malemilemy no tsy dia malama, ka atao fandranitana antsy tsara na fiasana (rehefa voavoatra toy izany ny vatodidy dia atao hoe vatoasana) mora pehina koa ny vatodidy ka ampiasaina hanaovana sary na haingontrano. Ahitsio