Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vakampotsy: a.: Vakana madinika fotsifotsy fanaon'ny olona akotso amin'ny lamba landy. Ahitsio
Vakana: a.: Karazan-javatra boribory kely mahafinaritra, izay tohizina hatao haingo ka iambozonana na ahodidina ny lanton-tanana. ~ t.if.: Vakanana, voavakana / mivakana, fivakana, mpivakana I ivakanana, fivakanana / mahavakana. Ahitsio
Vakanana: (vakana) mt. ih. (vakano): Ravahana vakana. Ahitsio
Vakansy: (fr. vacance) a.: Fotoana lavalava tsy ianarana na iasana mba hialana sasatra. Ahitsio
Vakavaka: (vaka) a.: Fikodedika, fiambakavakana. 1 Ffhambahambana, firoahana. Ahitsio
Vakavakaina: (vakavaka) mt. ih.: Ikodedehana. Ahitsio
Vakiambiaty: a.: Anarana orne-na any anivon-tany ny vary afafy amin'ny volana Septambra — izay ahavakian'ilay zavamaniry atao hoe "ambiaty" — ketsaina amin' ny volana Desambra ary jinjaina amin'ny volana Avrily na Mey eo ho eo (jer. Varialoha). Ahitsio
Vakina: (vaky) mt, ih. (vakio): Potehina: Novakin'ny ankizy ny fitaratray. • Tresahina, sasahina: Vakio roa io hazo fisaka io. • Simbana, ravana, robaina: Novakin'ny sasany ny tranony. • Lalovana eo afovoany: Vakin'ny arabe migodana ny tandnanay. 1 Aseho ho fantatry ny be sy ny maro: Novakin'ny fokonolona teo anatrehan'ny mpitsara ilay mpangalatra. ? Saratsarahina ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra lazafny: Vakio ireo teny amin'ny petadrindrina ireo. - F,-p,: Vakim-baratra: taitra ka kepoka foana, mitanaka foana. f Vakin'ny tazo: enti-milaza ny olona nosantaran'ny tazo. Ahitsio
Vakirà: (Br) a,: Fatidrà. Ahitsio
Vakiraoka:andrana, tsy tena izy, mbola ilaina fanatsarana sy fandaminana Ahitsio
Vakisaova: na Vakisôva a.: Karazan-tononkira tshnihety miady rima ary mitanisanisa zavatra mitovy amin'ny rongo sakalava. (Anarana ilazana ny sôva ihany — jar. fo teny io; ny nahatonga azy dia hoy ilay mpitantara alohan'ny sôva iray hoe: "Vaky ny a?va momba ny..."). Ahitsio
Vakivoho: (Tsm) a: Omby tokambolo misy tsipika fotsy manaraka ny lamosiny sy ny kibony. Ahitsio
Vakoa: na Vakoana a.: Karazan-dravinala fihinana izay anaovan-tsatroka ny tsirany ary anafoana trano kosa ny raviny (Pandanus utilis). Ahitsio
Vakoka: a.: Masombola na rojo volafotay vaventy fanao haban-tanana. • h.i.: Vola na harena tehirizina; rakitsoa sarobidy navelan'ny ray aman-dreny na ny razana. - F.-p.: Voko-drazana: ireo hira na dihy malagasy hiringiriny fahiny izay azo heverina ho tahirin-drazana. Ahitsio
Vakomanitra: a.: Teny ilazana ny zava-kanto (hira, dihy,,.) nentim-paharazana. Ahitsio
Vaksiny: (fr. vaccin) a.: Fanefitra nalaina avy tamin' otrik' aretina tsy manan-kery hankarary intsony, ampidirina amin'ny olona na biby iray mba tsy handairan'io aretina io aminy. Ahitsio
Vaky: a.: 1) Sila-javatra potipotika, poti-javatra: Voan'ny vakin-tavoahangy ny tongotro. 2) Fanasaratsarahana ny teny voasoratra mba hahazoana ny hevitra lazaina: Vaky teny malagasy, • p.t.: 1) Enti-milaza zavatra potika noho ny clona na vely nahazo azy na noho ny fianjerany: Vaky ny solomasoko. 2) Simba, raya: Vakin'ny rano ny fefiloha. 3) Miseho: Vaky masoandro. 4) Fantatry ny olona rehetra: Vaky izao ny tsiambaratelony. 5) Entimilaza ny ravina, ny voa, ny vony vao mivelatra: Vaky ravina ny zavamaniry amin' ny lohataona. - t.i.f.: Vakina, voavaky, vinakY 1 mamakY, famakY, mpamaky / amakiana, famakiana 1 mifamakY 1 mivakY, fivaky, ivakiana, fivakiana / madas'aky / vakivaky. - F.-p.: Vakim-bola: sombintsombin'ny vola farantsa izay novakina taloha. f Vakim-borona: vorona na akoho voazara roa. f Manao vakim-borona: manao sakafo be, mihinana hanim-py. 1 Vakin-dalana: ny ilany roa avy amin'ny laiana. / Vakin-doso: ny antsasaky ny farantsa, loso. f Vaky adisaona: maniry faravazana. / Vaky am-batolampy: hita mazava, miharihary ny zava-nafenina. f Vaky ambiaty (jar. Vakiambiaty). / Vaky bantsilana mise-ho miharihary tsara, / Vaky barara: menatra fa hita na naseho miharihary ny hadisoana nafenina, vaky lainga. f Vaky betroka: vaky nipotsaka ny ati-dohany niafina. . 4 h.o.: Voapotaitra ampahibemaso ny ratay natao na ny lainga nafenina. / Vaky feo: ilazana ny sakan-jazalahy eo amin'ny fahamaotiana izay manomboka ho be feo. / Vaky holatra: enti-milaza tany efa nasaina. / Vaky lafatra na vaky lafika: aretina mahatonga ny faladia ho vaky mihelakelaka. / Vaky lainga: potsltra ny lainga na-tao. / Vaky lalan-kaotra: misy dian-kaotra miseho. f Vaky lalantsara: enti-milaza ny trano misy lalantsara manelanelana ny efitra an-daniny roa. / Vaky loha, mamaky loha: sahiran-tsaina. / Lamba am-baky loha: lamba avitrana ka ny ilany atao mitohy. f Omby vaky loha: misy fotsy mamaky amin'ny handriny. f Vaky mandositra: rifatra mandositra. / Vaky man-ta: afa-jaza. / Vaky maso: enti-milaza ny alika na ny saka kely... miantomboka misokatra ny masony, na ny voan-javatra miantomboka haniry. f Vaky masoandro: fotoana tsy ahitana afa-tsy ilany kely amin'ny masoandro vao miposaka. / Vaky ra: a) baba ra; b) fati-dra. / Vaky raoka: sisiny amin'ny lamba. / Vaky sarona: entimilaza ny hoditra manarona ny loha bibikelin-jaza izay e-fa mety hivotsotra tsara ka mora hotsongoina. / Vaky saron-teny: sesin-teny. f Vaky somotra: miantomboka maniry somotra. / Vaky tai-nana: marary kibo mivalana noho ny havokisana be loatra. / Vaky tady: rifatra mandositra, milefa. / Vaky tamberona: mitovy amin'ny vaky betroka. / Vaky tampona: sori-bolo mahitay eo antampon-doha (mifanohitra amin'ny sori-bilana, izay tsy eo afovoany an-tampon'ny loba fa amin'ny ilany havia na havanana). / Vaky tantana: misy tsy mby ao ny fahan-tenona. / Vaky tratra: sahirana izaitsizy. 1 Vaky va-va: gaga, talanjona. / Vaky vazana: maniry ka hita ny tsimoka amin'ny vary akotry. / Tsy vaky volo: tsy ankanavaka, manontolo: Ny Molagasy tsy vaky volo, i Madagasikara tsy vaky vola. / Tsy vaky lay: enti-milaza fananana na ala mbola tsy nahafahana na tany mbola tsy nisy nandia. / Tsy vaky atatra tsy vaky afero: tsy menatra, tsy valahara. f Tsy vaky holatra: tany tsy mbola nasaina. / Tsy vaky ravi-natototra: mbola tsy nahafahana. / Tay ho vaky bilady ante!: hieren'ny loza ante! ¶ M.h.: Triatra, tapaka, tresaka, mitsefoka, miveraka, misaraka, mivava, manamika, vaky hentana. — Vaky lainga, vaky barara, vaky betroka, vaky tamberona, vaky am-batolampy, vaky bantsilana. Ahitsio
Vala: a.: Fefy manodidina: A-sio vola ny akohonareo fa manimba ny tanimbolinay. • Faritra na toerana andrian' ny omby ao an-tanàna: Nihoatra ny vala ilay zanok' omby halina. ¶ M.h.: Fahitra. 1 Fizarazaran'ny tanimbary:Manana tanimbary telo vola i Dadabe eny Antanintsaonjo. • Antoko, fifehezana: Irina mba tsy hisy afatsy vola tokana ho an'ny Kristianina rehetra. - t.i.f.: Valana, avala, voavala / marnais, famala, mpamala 1 amalana, famalana 1 mifamala / mivala, fivala 1 ivalana, fivalana 1 mahavala / mivalavala. - F.-p.: Vala be: (taloha) fahazoana miliba manao fitondran-tena ratsy na amin'olona foko inona na amin'olona foko inona. f Milaza vola maty, mitantara talla maty: milaza zavatra be foana tsy misy antony. Ahitsio
Valahana: a.: Faritra amin'ny tenan'ny olombelona mifanandrify amin'ny toerana misy ny voa ao an-damoaina, izany hoe ny faritra manodidina ny maoja. Ahitsio
Valahara: a.: Mitandro ny haja, ny voninahiny; mahatsiaro menatra (fampiasa indrindra ialohan'ny "tsy"): Tsy volahara: Tsy menatra, tsy mendrika. ¶ M.h.: Tsy vaky atatra, tsy vaky aty, tsy vaky afero. Ahitsio