Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vitaina: (vita) mt. ih. (vitao): Efaina, tanterahina, atao manontolo hatramin'ny farany: Vitao haingana ny tranonao fa ho avy izao ny fahavaratra. 1 Taperina, faranana: Vitao ny resaka fa mbola be mihitsy anie izany raharaha hatao izany e! 1 Tapahina: Tokony hovitaina ny fanekem-barotsika, Ahitsio
Vitamina: (fr. vitamine) a.: Jer, Otrikaina. Ahitsio
Vitanona: (Btm) a.: Anarankazo. Ahitsio
Vitrana: a.: Ny zaitra atao hanakambanana ambain-damba roa: Tata-bitrana ity lamba ity izany. 1 Fanakambanana. / Fampirindrana. - t.i.f.: Avitrana, voavitrana Imamitrana, famitrana, mpamitrana 1 amitranana, famitranana 1 mivitrana, fivitrana, mpivitrana 1 ivitranana, fivitranana 1 mahavitrana 1 vitrambitrana. is Vitram-bato: takelabato misy triatra nefa tsy te-na misaraka. Ahitsio
Vitravitra: (t. tr.) a.: Mitovy amin'ny Vikavika. Ahitsio
Vitrika: ft.: Enti-milaza hakingana ombam-pahatanjahana. 1 t.if•: Mavitrika / mahavitrika / mampahavitrika I havitrika, havitrihana, fahavitrihana 1 vitribitrika. Ahitsio
Vitro: (Ats) a,: Akanga. Ahitsio
Vitsika: a.: Bibikely bitika dia bitika, lavalava vatana, mivelona miara-mitoetra ao anaty lavaka izay atao indrindra hoe lava-bitsika, na votry. / t,if.: Mangorovitsika. * Ohab.: Izay be no basy, ny vitsy lanin'ny vitsika: tailalaon-teny enti-milaza fa ny fitambaran'ny maro no handresena ary tsy maha-resy ny tena koa. Ahitsio
Vitsikambo: a.: Karazam bitsika manao ny tranony eny ambony hazo. Ahitsio
Vitsikazo: a: Karazam-bibikely ohatra ny vitsika fa tsy Iray karazana aminy velively, mikiky ny hazo amin'ny trano na ny fanaka. Ahitsio
Vitsivitsy: (vitsy) p.t.: Sasany ihany, tsy dia maro loatra: Olo-mahay vitsivitsy no efa nilaza izany. Ahitsio
Vitsy: p.t.: Tsy maro na betsa ka, tsy firy, keiy isa: Vitsy kely foana ny olona nahafantatra azy tata an-tanàna. 6 Havitsfna j mamitsy na manavitsy, famitsy na fanavitsy, mpamitsy na mpanavitsy j amitsiana na anavitsiana, famitsiana na fanavitsiana j mahavitsy j vitsivitsy / havitay / havitsiana I fahavitsiana / ankavitsiana. ¶ M.h.: Kely, vitsy kely, tsy maro, tsy firy, azo isaina, ankavitsiana, vitsy dia vitsy, azo isaina amin'ny rantsantanana, tsirairay tadiavina, zara raha misy. Ahitsio
Vity: (fr. lévite) a.: Palitao misy rambony any aoriana. Ahitsio
Vity: (fit.-p.) a.: Tongotra, ranjo. Ahitsio
Vivaona: a.: Karazan-kazo mafy (Dilobeia Thonarsü). Ahitsio
Vivery: p.t.: Fahasahiana mihoapampana tsy manahy izay ho vokatry ny hatao fa izay halehany tsy maninona, ary izay tonga zakaina: Manao vivery mihitsy Rangahy io. Ahitsio
Vivitina: (uiuitra) mt. ih. (uiuito): Entina amin'ny tendrony, amin'ny sofiny, amin' ny molony: Aza vivitina amin'ny molony io vilany io sao dia uaky. 1 Sintontsintonina, roridroritina: Aza vivitinao ny akanjoko sao ro-vitra. / (teny) Tsongoina dia roritina hiadiana: Teny diso lasa tsy nahy dia nouiuittiny ka lasa ady saika tsy vita mihitsy. Ahitsio
Vivitra: a.: Enti-milaza molo-javatra, sisiny. 1 Fandraisana zavatra amin'ny sisiny na amin'ny silany kely. 1 Fitsongoana teny kely eo amin'ny resaka ifanaovana na eo am-pifamaliana ka roritina hiadiana. - t.i.f.: Vivitina, avivitra, voavivitra j mamivitra, famivitra, mpamivitra 1 amivitana, famivitana 1 mivivitra, fivivitra 1 ivivitana, fivivitana 1 mahavivitra 1 vivibivitra 1 ambivitra, ankambivitra. Ahitsio
Vivy: a.: Voronandrano somary bongobongo maso, miraiki-drantsantongotra, mpanao an-tsitrika mba hahazoany trondro izay ivelomany; manao trano mitsingevaheva eny ambony rano ny vivy. * Ohab.: Via), nanitrika ka bongo mason'ny nahiny: enti-milaza ny olona izay voan' ny nataony ihany. ¶ Rh.: Mpivaro-drano tratr'orana. / Mandrora mitsilany ka mahavoa tena. Ahitsio
Vizana: sy Vizaka p.t.: Sasatra amin'ny tsy fihetsehana eo amin'ny toerana iraY, amin'ny fomba fipetraka iray tsy miova, amin'ny fihetsehana iray tsy miova: Vizan' ny niandry azy aho ka farany Lasa nody tany an-trano. 1 Reraka, osa: Vizana mafy loatra aho ka aoka keiy aioha mba handrihandry eto. Jer. Valaka. - t.i.f.: Vizanina,voavizana, voavizaka, vinizana 1 mamizana, famizana, mpamizana 1 amizanana, famizanana 1 mivizana na mivizaka, fivizana na fivizaka, mpivizana na mpivizaka 1 ivizanana, fivizanana 1 mahavizana, mahavizaka 1 vizambizana, vizambizaka j havizanana j fahavizanana. ¶ M. h.: Vizaka, sasatra, valaka, lanaka, reraka, disaka, rontsona, ronjana, mangana, masaka, vahotra, ronaka, honaka, marafoka, refona, tominjana, valalanina, monaina, savolaina, trotraka, toro, torovana, fotsy angola, mirozirozy, tsy mahahetsika, maty hentona. — Miala vizana, miala sasatra, miala ianona, maka aina, mitsotsotra. Ahitsio