Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voahangindrano: a.: Karazamboahangy namboarina fa tsy vita-Nanahary. Ahitsio
Voahangisampandralambo: a.: Ny tsara sy sarobjdy indrindra amin'ny karazam-boahangy. Ahitsio
Voahangitsimandrilalana: a.: Karazam-boahangy lehibe indrindra. Ahitsio
Voahangy: a,: Zavatra boribory kely mahafinaritra avy amin' ny biby any anaty ranomasina, ataon'ny vehivavy fihaingoana; vakana, moraporitra, voavola. Ahitsio
Voahazoa: Karazan-javamaniry ahazoana menaka. Ahitsio
Voahirana: a.: Zavamaniry any anaty rano izay mamony ny tatamo (Nymphoea stellata), Ahitsio
Voaibe: p.t.: Makadiribe, goaibe. Ahitsio
Voailahy: p.t.: Tsy matahotra, mahery fo. Ahitsio
Voaka: a.: Fialana avy ao anaty toerana iray mankany ivelany; fisehoana ety ivelany; fampisehoana asa natao. 1 Avoaka, voavoaka, tafavoaka I mamoaka, famoaka, mpamoaka I amoahana, famoahana I mifamoaka / mivoaka, fivoaka, mpivoaka / ivoahana, fivoahana I mahavoakalvoaboaka. Ahitsio
Voakitsonamboa: a.: Karazana voaloboka (Vitis microdiptera). Ahitsio
Voalavo: a: Biby lavalava vatana, tsoky loha, lava rambo, mpanimba zavatra (indrindra ny voly sy tahirin-tsakafo) ary mpanely ny areti-mifindra amin'ny parasy entiny. Misy karazany telo ny voalavo: ny voalavo mainty, ny voalavo fotsy ary ny voalavon-drano. • F.-p.: Mamono voalavo: jar. Vono. / Tsy maty voalavo an-kibo: tsy levona 1o1ompo. * Ohab,: Voalavolahy sasatry ny miaina: saka matory ka alam-bolombava: enti-milaza ireo olona sahisahy loatra ka tsy mitaapa izay mety hahafaty azy akory. / Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran'ny nify no vazivazfna: enti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. Ahitsio
Voalavofotsy: a.: Karazam-boalavo misy fofona, matsilo vava ary maneno tahaka ny fody, tsy tian'ny saka hohanina (voalavofody no iantsoan'ny Tanala ny voalavofotsy). Ahitsio
Voalefoka: a.: Ny vody tatamo. Ahitsio
Voalehilahy: p.t.: Voafora, efa vita hasoavana. Ahitsio
Voaloboka: a.: Zavamaniry mandadina izay mamoa voany mamy fanaovana divay. Ahitsio
Voalobokala: a.: Voaloboka dia. Ahitsio
Voalohany: p.t.: Loha laharana, ny aloha indrindra: Ny volana zanvie no volana voalohany amin'ny taona. ? Fiandohana: Tany am-boalohany. Ahitsio
Voamadilo: a.: Voan'ny hazo atao hoe Kily, na Madilo, maniry any amin'ny tapany ataimo sy andrefana; tahatahaka ny voantsaramaso ao anaty fonony lavalava misy voany maromaro ao anatiny ny voamadilo, izay sady mamimamy kely no maharikivy, tian'ny ankizy fatratra, haninY amin'nY sira sy sakay; ny voamadilo dia mana-na toetra mampivalana ka azo ampiasaina raha mitohana. Ahitsio
Voamahery: a.: Karazana hazo madinidinika (Grewia). Ahitsio
Voamaho: (Btm) a.: Voan-javamaniry madinika manitra, sady matavy rehefa endasina. Ahitsio