Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voanantay: a.: Karazan'anamamy maniry eny arnin'ny zezika. ~ h. o.: Enti-milaza ny zaza maroroka loatra. Ahitsio
Voanantoka: a.: Karazam-boangory mitovy habe amin' ny voanosy. Ahitsio
Voanantsindrana: a.: Karazankazo kely madinika mamimamy ny voany. Ahitsio
Voandamory: a.: Voatabiha maniry ho azy ary madinika kely. Ahitsio
Voandamoty: a.: Karazana paisom-bazaha teratany. Ahitsio
Voandelaka: a.: Anaran-kazo lehibe madinidini-dravina, ny voany mavo mitambatambatra ho sampaho. Ahitsio
Voandramiary: a.: Karazan-javamaniry fahita eny arnin' ny harambato na anaty honahona, misy voniny fotsy, mitovitovy bika amin'ny lisy. Ahitsio
Voanemba: a : Karazan-javamaniry madini-boa fanao fangaron-daoka matsiro, Ahitsio
Voanembanalika: na Voanembanamboa a.: Karazan-kazo madinidinika ny voany sy ny raviny, fanao famalanana na fisotro mampahatsemboka der. Talrokonangatra), Ahitsio
Voangaly: a.: Karazam-boangory mitovitovy amin'ny voanantoka, ny elany misy mitsoriadriaka fotsy (Cétonia). Ahitsio
Voangilombazaha: a: Anarana hafa ilazana ny voatabiha. Ahitsio
Voangoribe: a: Karazam-boangory be fihinana. Ahitsio
Voangorifotsivody: a.: Karazam-boangory kely fihinana, mifaritra fotsy ny vodiny. Ahitsio
Voangorimbaratra: a. :Karazamboangory kely mivelona any anaty ahitra. Ahitsio
Voangorimpasika: a.: Karazamboangory kely mivelona any anaty fasika amoron-drano. Ahitsio
Voangorinakoho: a: Karazamboangory. Ahitsio
Voangorindroho: a.: Karazamboangory. Ahitsio
Voangorintapia: a.: Karazamboangory. Ahitsio
Voangory: a.: Bibikely ohatra ny ankibe, ny vavany mafy natao hanorotoro ny fakankazo, ny elany roa mifanarona amin'ny andaniny avy ka ilay ivelany mafy toy ny kaninkaninkena. Ahitsio
Voaniho: a.: Karazan-kazo iray fianakaviana amin'ny rofia, ravinala, antendry, ans..., izay sady avo be no lehibe, ny voany mifono ao anaty akora be kirany (fanao borosin-trano), ny nofomboany azo akana menaka (diloilo kaokao) ary ny ao anatiny misy rano manan-tsiro manokana manala hetaheta. Ahitsio