Voanjo | : | a.: Miaramila napetraka hiandry tany ao amin'ny toerana na taniina vao nalaina. ~ Ny olona rehetra manao fonenana vonjimaika hanamainty molaly ny tany na hila ravin' ahitra. - t.i.f.: Voanjoana, avoanjo, voavoanjo / mamoanjo, famoanjo, mpamoanjo / amoanjoana, famoanjoana I mivoanjo / mahavoanjo.
Ahitsio |
Voanjo | : | a.: Karazan-javamaniry mamoa voa fakana menaka iray atao hoe mena-boanjo. (Rehefa hiova ho voany ny voniny, dia milentika any anaty tany ny tahom-boanjo, ka rehefa vokatra ny voanjo dia hadina ireo tahony ireo ary akifik,a mba hampihintsana ny voany; izany no nahatonga ny fitenenana hoe: "Ara atao toy ny tahomboanjo: ny nahitana indray no akifikifika") — Misy karazany roa ny voanjo: ny voanjobory ary ny voanjombazaha na kapika.
Ahitsio |
Voanjoana | : | (voanjo) mt. ih. (voanjo y) :Ametrahana voanjo.
Ahitsio |
Voanjopika | : | na Kapika a.: A-naran-kafa ilazana ny voanjombazaha (Btl: Vanjokatra).
Ahitsio |
Voankandrina | : | a.: Karazan-kazo fihinam-boa (Garcinia Ge-nordi).
Ahitsio |
Voankanina | : | a: Aretina azo tamin'ny hanina nisy mosavy. ? Tsy fahalevonan-kanina.
Ahitsio |
Voankarabo | : | a.: Karazam-bahy.
Ahitsio |
Voankavandra | : | a.: Karazan-kazo madinika mitovy amin' ny havandra ny haben'ny voany (Longani).
Ahitsio |
Voankazo | : | a.: Organa amin'ny zavamaniry izay avy amin' ny voninkazo ary misY ny voa hamelona taranaka azY indraY.
Ahitsio |
Voanketsihetsy | : | a.: Karazan-javamaniry mifanahaka amin' ny voatango.
Ahitsio |
Voanongo | : | a.: Anaran-kafa ilazana ny tanantanampotsy.
Ahitsio |
Voanosy | : | a.: Karazam-bibikely fianakaviamben'ny voangory mivelona eny ambony hazo sasantsasany.
Ahitsio |
Voantailahy | : | a.: Tsy fitoviana; fisaratsarahan-tsaina, fisaraham-bazana. - t.i.f.: Mivoantailahy, fivoantailahy.
Ahitsio |
Voantaimboalavo | : | a.: Karazankazo madinika.
Ahitsio |
Voantaindalitra | : | a.: Karazankazo.
Ahitsio |
Voantakasina | : | a.: Karazan-kazo madinika (Dracoena).
Ahitsio |
Voantamenaka | : | a.: Jar. Tamenaka.
Ahitsio |
Voantandroka | : | a.: Bibikely mipetraka amin'ny mandomando sy ny maizimaizina, saingy mihorona faingana izy rehefa raisin'ny tanna.
Ahitsio |
Voantay | : | a.: Karazam-boangory kely, manga mainty ny sorany ary manao ny tranony any anaty tain'omby.
Ahitsio |
Voanteny | : | (t. tr.) a.: Fahaizamandaha-teny — ankehitriny, ampiasaina hilazana ny amboaran'ny teny tsirairay fampiasa, atao koa hoe voambolana.
Ahitsio |