Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voantolongo: a.: Voasarimakiranamarikivy izaitsizy. Ahitsio
Voantondro: a: Ny refy mitovy amin'ny haben'ny rantsana iray izay atao koa hoe: anky (halavana: 18m/m). Ahitsio
Voantrotroka: a.: Karazan-kazo madinika (Tristemma Virusanum). Ahitsio
Voantsakoa: a.: Karazan-javamaniry (Spondias). Ahitsio
Voantsefoka: a.: Anarana bibikely. Ahitsio
Voantsianaranana: a.: Voan'ny ampaly. Ahitsio
Voara: a.: Anenta-masombolim-bary na ravin-javamain kely. 1 t.if.: Amboara. Ahitsio
Voara: a.: Karazan-kazo vaventy midoroboka naman' ny aviavy, madinidini-boa fihinana, toy ny aviavy sy ny amontana ihany koa. Ahitsio
Voarakitia: a.: Karazan-kazo izay miteraka afo rehefa ampifampikasohina. Ahitsio
Voaramena: a.: Karazana voara iray mena ny voany. Ahitsio
Voaramontsina: a.: Hazo lehibebe mahatratra 2 na 3 metatra ny haavony; fihinana ny voany, izay mivondrona ho salohy ary mena, antitra rehefa masaka. Ahitsio
Voaramontsina: a.: Hazo madinika misy voany kely fihinana tsara tsfro (Vaccinium fasciculatum). Ahitsio
Voarampoaitra: na Voarampoitra a: Karazan-kazo (Eugenia). Ahitsio
Voaranala: na Voarandambo a.: Karazana voara fihinan' ny lambo any an'ala ny voany. Ahitsio
Voaroihazo: a.: Karazana voaroy fihinan'ny landy ny raviny, ka izany no anaovana azy koa hoe "Hazondandy". Ahitsio
Voaroimainty: na Voarointsilo a.: Karazan voaroy mainty. Ahitsio
Voaroimbazaha: Voaroimena, Voarointsaka a.: Karazana voaroy fihinana (Rubis rosoe folius). Ahitsio
Voaroy: a.: Anarana iombonan' ny karazan-kazo madinidinika maro, misy voany mena-mena kely. Ahitsio
voary:Jereo [ary] Ahitsio
Voasana: (vofy na vaofy) mt. ih. (voàsy): Esorina ny hodiny: Voasy ity mananasy ity. 1 Hazavaina: Novoasan'ny mpampianatra tsara ny lesona. Ahitsio