Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voasaotra: Sinaotra a.: Entimilaza ny vehivavy vady napetraka tsy ho vady intsony. 1 Nankasitrahana. Ahitsio
Voasarimakirana: a.: Karazan voasary, kely noho ny voasarimamy ny habeny ary marikivy ny tsirony. Ahitsio
Voasarimamy: na Laoranjy (fr. orange) a.: Karazam-boasary mamy be ranony. Ahitsio
Voasarimandina: a.: Karazana voasary, mandina malambolambo ny hodiny fa tsy mba marokoroko. Ahitsio
Voasarinikalavola: a: Karazankazo madinidinika (Crotalaria Spinosa). Ahitsio
Voasary: a.: Anarana iombonana iantsoana ireo karazamboankazo salasalany, ny voany mavomena, ohatra ny totohondry ny habeny ary ny tsirony misy mamy misy marikivy. Ahitsio
Voasokera: p.t.: Voahodidina tsy afa-milefa. Ahitsio
Voatabiha: a: Zavamaniry, ny voany menamena malemy, fanao fangaron-daoka matsiro. Ahitsio
Voatama: (Btm) a.: Anaramboankazo. Ahitsio
Voatango: a.: Karazam-boatavo, lavalava ny endriny, misy voa anatiny, voankazo otazana rehefa matoa sy manitra ary somary miendaka ny hodiny, mafotrafotra sy mangatsiatsiaka ny nofony, tsy masira no sady tsy mamy ny tsirony, fatao tsindrin-tsakafo afangaro amin'ny siramamy. Ahitsio
Voatangombazaha: a.: Karazam-boatavo lavalava voa fanao fangaron-daoka matsiro no azo atao salady koa (fantatra indrindra amin'ny anaram-bazaha hoe: "concombre"). Ahitsio
Voatangondolo: a.: Karazana voatango dia. Ahitsio
Voatavo: a.: Anarana iombonana ilazana karazan-javamaniry fihinam-boa fanao fangaron-daoka izay toy izao ny toetoetrany: ny voany lehibe malamalama, ny tahony poaka aty mandadina, ny raviny mitapelaka misy lainy. - F.-p.: Voatavo tsy mifandraka: zazakely mbola kidaladala, zaza bodo. * Ohab.: Lokanga tsy atao ka lehibe ny voatavo: tsy manao ny tena ka mahay milaza er? hoe toy izao sy toy izao. Ahitsio
Voatavoarivolahy: a: Karazamboatavo kelikely, teritery ny afovoany ary fanao fitoerandrano rehefa nalana ny atiny ka nomainina. Ahitsio
Voatavobozaka: a.: Karazamboatavo lehibe fihinana, tsara tsiro. Ahitsio
Voatavofotsy: na Voatavohova a.: Karazam-boatavobozaka fasian-drano. Ahitsio
Voatavokarandoha: a: Karazana voatavobozaka, mafy dia mafy ny hodiny. Ahitsio
Voatavomenaka: a.: Karazana voatavoarivolahy fana fitoera-menaka Ahitsio
Voatavomonta: a.: Karazana voatavobozaka mangidy ka tsy fihinana, fa ataon'ny olona siny rehefa afaka ny ao anatiny. Ahitsio
Voatavompe: a.: Ny faritra ambany fenofeno mivohitra amin'ny fe. Ahitsio