Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voatavontay: a: Karazam-boatavo maniry eny amin'ny zezika. ~ h. i.: Ilazana olona fonetana, fohy hatoka ary be vatana. Ahitsio
Voatavotamenakatodiakoho: a.: Ny karazam-boatavobozaka kely indrindra. Ahitsio
Voatavotsiafakamboa: a.: Karazana voatavoarivolahy, lehibe vody, ataon'ny olona siny fantsakana. Ahitsio
Voatiry: (fr. voiture) a.: Teny ilazana ny fiara taritin-tsoavaly, mitondra olona sy enta-na. Ahitsio
Voatohaka: a.: Kazaram-bibikely toy ny tsingala any anaty rano, maharary fanaikitra. Ahitsio
Voatra: a.: Lamina, karakara. 1 t.if.: Amboarina, voavoatra, voamboatra / mamboatra; manamboatra, fanamboatra, mpanamboatra j anamboarana, fanamboarana / mivoatra, fivoatra, mpivoatra / ivoarana, fivoarana ) mahavoatra / voaboatra. Ahitsio
Voavahiatatra: a.: Karazana tsaramaso dia (Dolichos). Ahitsio
Voavahy: o.: Karazan-tsaramaso; tsiaridrafy. Ahitsio
Voavary: a.: Atodin-kankana hita amin'ny nofon-kisoa. ét.if.: Mamoavary. Ahitsio
Voavitsy: a: Kibon-dranio. Ahitsio
Voavola: a.: Anaram-piravaka voahangy na volamena na ankosotra. Ahitsio
Voavotaka: a.: Anaran-kazo fihinam-boa (Brehmia spinosa). Ahitsio
Voay: a.: Karaza-mamba, sain- gy kelikely kokoa, na dia masiaka izaitsizy ihany koa aza; azo anaovana poketra na kiraro ny hodiny (hodiboay). * Ohab.: Lasa ny mamba, tonga ny voay: ilazana olona roa mifandimby samy mana-na toetra ikoizana. Ahitsio
Voazato: a: Karazan-javamani--, ry fihinam-boa, paokanelina. Ahitsio
Voazavo: a.: Karazana voatango mena aty izay Ialta betsaka any atslmo, fihinana man-ta ka mampangatsiatsiaka aoka izany. Ahitsio
Vodiahitrarivo: a: Ny tantsaha mamboly mandadiana. Ahitsio
Vodifahitra: a: Lavaka ivoahan'ny fako sy ny zezika rehetra avy ao am-pahitra. Ahitsio
Vodiondry: a: Vola omen-dRazazalahy ny ho rafozany aorian'ny fangatahany an-dRazazavavy. heverina ho anisait' ny fototry ny fanambadiana ka nahatonga ho mahamenatra ny "mitari-bady tsy lasam-bodiondry" — Ny vodiondry dia natao koa hoe "hajam-bolana". - F.-p.: Vodiondrim-barotra: vola omena mialoha ho fandraiketam-barotra. Ahitsio
Voditronga: a.: Ny tapany ambany amin'ny tahon'ny hazo izay tafajanona ao anaty tany rehefa notapahina ilay hazo. Ahitsio
Vodivoampelatanana: a: Halavan-drefy mitovy amin'ny haben'ny felatanana iray manontolo apetraka mihohoka; ny sakan'ny felatanana. Ny vodivoampelatanana dia mitovy amin'ny voantondro dimy. Ahitsio