Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vonganina: (vongana) mt. ih. (vongany): Didiana atao tsoriany. Ahitsio
Vongatraka: p.t.: Mena midorehitra. - t.i.f: Mivongatraka. Ahitsio
Vongavonga: p. t.: Ngezabe, makadiribe, botrefom-be. i t.i.f.: Mivongavonga. Ahitsio
Vongehina: (vongika) mt. ih. (vongeho): Entina amim-pahasahiranana izaitsizy: Inona ihany ity zavatra vongehinao ity? Ahitsio
Vongengy: Jer. Vongaingy. Vongika a,: Fitondrana zavamavesatra. - t.i.f.: Vongehina, avongika, voavongika; tafavongika / mamongika, famongfka, mpamongika / amongehana, famongehana / mivongika, fivongika, mpivongika 1 ivongehana, fivongehana / mahavongika. Ahitsio
Vongilahy: a.: Karazan-javamaniry. Ahitsio
Vongitrika: o.: Fijery mandrahona, mahatahotra. - t.i.f.: Avongitrika, tafavongitrika / mamongitrika, famongitrika, mpamongitrika I mivongitrika, fivongitrika, mpivongitrika / mahavongitrika. Ahitsio
Vongo: sy Vongovongo a.: Fitobfana mitontohitra, fiavosana mifanongôa, fibokitra. i t,i.f.: Avongo, voavongo, tafavongo / mivongovongo, fivongovongo, mpivongovongo / ivongovongoana, fivongovongoana / mamongovongo, famongovongo, mpamongovongo / amongovongoana, famongovongoana / mahavongovongo. Ahitsio
Voniafo: a.: Talantalana eu ambony fatana atao hanamainana ny kitay rehefa merika ny andro. Ahitsio
Vonifanja: a,: Ny vonin'ny zavamaniry izay tonga voankazo. Ahitsio
Voninahitra: a.: Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin'ny nandreseny ny fahavalo. / Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin'ny olon-dratsy. 1 Mariky ny hambonian-toerana na laharana ana-nana eo amin'ny firenena: Natao roa ambin'ny folo voninahitra izy. 1 Dera sy laza: Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. - F,-p.: Mahafa-boninahitra: manala ny haja ananana. / Manome voninahitra: manolotra haja sy fankasitrahana. / Manamboninahitra: enti-milaza ireo mpitondra na ny miaramila manana galons ambony. * Ohab.: Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary: enti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin'ny zavatra madinika. Ahitsio
Voninkazo: a.: Organa mampitombo taranaka ny ankamaroan'ny zavamaniry, izay mizara roa: ny fitoeram-boa ary ny ravim-bony, izay mazàna miloko sy manana endrika mahafinaritra. Ahitsio
Vonivato: a,: Vato avo sy lehibe. / h,o.: Fierena azo antoka. Ahitsio
Vonjena: (vonjy) mt, (vonjeo): Itondrana vonjy, alana amin'ny loza: Vonjeo haingana ir? zozo ir? fa nianjera 1 Aleha, hatonina: Vonjeo haingana ny Dokotera raha marary ianao. 1 Ampiana: Novonjeny ny mahantra ary nampiantranoiny ny tsy manan-k fabo fana. Ahitsio
Vonjy: a.: Avotra, fanalana amin'ny loza; fanampiana, fiantràna. 1 t. L f.: Vonjèna, avonjy, voavonjy, vinonjy 1 mamonjy, famonjy, mpamonjy / amonjena, famonjena / mifamonjy 1 mahavonjy / vonjivonjy. - F,-p,: Vonjy aina: fanaovana izay hahavelona. I Vonjy fo: sakafo kely atao tohan'aina mialoha ny sakafo lehibe mbola tsy masaka. 1 h,o,: Famonjena kely na fahafaham-po kely mialoha. / Vonjy fotoana: famonjena ora na fotoana efa vita. I Vonjy maika na vonjimaika: ilazana ny zavatra ampiasaina mandrà-pahavitan'ny te-na izy. / Vonjy rano vaky: fanampenanà ny fefiloha izay vakin'ny rano. 1 h,o.: Enti-milaza koa ny famoriam-bola sy famonjena ireo tratran'ny tsY fahampiana tampoka na voina. / Vonjy taitra: fitondrana famonjena noho ny zava-niseho: jiolahy, hain-trano... I Vonjy tavan'andro: zavatra atao maika entina mamonjy fotoana vetivety. I Tra-bonjy: enti-milaza olona voavonjy ara-potoana soa aman-tsara. ¶ M.h.: Vonjimaika, vonjY tavanandro, vonjy taitra, vonjy ratio vaky. Ahitsio
Vonkavia:(Btl) a.: Randrambolo betsileo navona eo ankavia. Ahitsio
Vonkina: a.: Fiforetana, onkina, kainkona. - t.i.f.: Avonkina, voavonkina, tafavonkina 1 mamonkina, famonkina, mpamonkina I amonkenana, famonkenana / mivonkina, fivonkina, mpivonkina / ivonkenana, fivonkenana 1 mahavonkina / vonkimbonkina. - F,-p,: Miala uonkina: ma-mono, na tezitra ka miteny mafy sy manaram-po izaitsizy amin'izanY. Ahitsio
Vono: a.: Famelezana, fikapohana: Matim-bono any io zozo io fa aza apetraka any intsony. 1 Fanalana aina, fanaovana izay hapafaty: Nataon'ny miaramila vono moka ireo fahavalo ratsy saina, 1 Fitsofana ny jiro. 1 Fikosehana ny soratra tsy ho hi-ta. - t.i.f.: Vonoina, avono, voavono, vonono / mamono, fa-mono, mpamono 1 amonoana, famonoana 1 mifamono / mahavono / vonovono I vonoana. - F.-p.: Vono baibona: ilazana ny fantsika izay alentika mafy, na pehina tsy ho afamitsoaka. / Vita vono baibona: vita mafy, vita tsara. 1 Vono botretra: fampisehoana toetra tsara fanahy na badobado mba hanambakana na hiheveran'ny hafa ny tena ho tsara na olona tsotra. / Vono moka: famonoana ho faty amim-pahanginana ka tsy hisy hahalala na hahatsikaritra. / Vonon-drenikely: famonoana miafina tsy hitan'ny hafa, na famelezana tetehina tsy hisy soritra azo iampangana ilay mpamono, / Vono sotry: fampisotroana tangena ny akohokely roa, ka izay tokoavina ho velona dia velona ary izay tokoavina ho faty dia maty, mba hoentina manambara fa mitsara ara-pahamarinana ny tangena, tamin'ny andro fampinomana fahizay. I Vono tandroka: fandefasana teny mialoha mba hampitahotra izay iadiana. / Vono trebotrebo: famonoana avy hatrany tsy misy fanontaniana na fitsarana kely akory. / Vono vorona: 1) fifandirana izay heverina hitadiavana ny mari-na, ka ny akoho no ampisotroina tangena. -2) filan-kisa enti-mandrahona na mampitahotra. Ahitsio
Vonoana: (vono) a,: Fahavoazana mihatra hatramin'ny aina: Vonoan'olona. • Fandringanana, fandripahana. Ahitsio
Vonoina: (vono) mt, ih. (vo-no y): Kapohina, asiana, velesina: Nahoana no vonoin' Ikoto foana ny zanako? 1 Alana aina: Novonoin'ny jiolahy tany anaty lobolobo tany izy, 1 Tsofina: Vonoy ny jiro. 1 Foanana: Efa nouonoina ity lalana ity, 1 Kosehina tsy hisy: Efa novonoina ny anaran' ny zanakao fa iray volana izy tsy tonga. 1 Anesorana (..,) ny karama: Novonoina ariary zato io mpiasa io fa nanapaka ts? ara-dabàna. Ahitsio