Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vorehina: (vorika) mt. ih. (voreho): Amosavfna, omena sakafo misy ody mahafaty na mankarary. Ahitsio
Vorenana: a.: Kiborin-kofehy. ~ p.t.: Fonetana, onkenana. Ahitsio
Vorery: p. t.: Maloto, be tsikoko, maharikoriko; afa-baraka. i t. L f.: Mamorery, famorery, mpamorery. Ahitsio
Voretaka: Mitovy amin'ny Boretaka. Ahitsio
Voretra: p.t.: Tsy mahavatra mikarakara na manadio ny tenany sy izay mikasika azy, ka maloto maharikoriko lalandava. - t.i.f.: Mivoretra, fivoretra / mamoretra / mahavoretra / voredretra I havoretra. ΒΆ M.h,: Kalaina, kisinina, vorery, tongovorery, tsy mahava-tena, benamboka, betsinamboka, vazina, misavoritaka, mikorontana, mikondendina, mikondendy, misafotofoto, misampotina, mikoretika, misavorovoro, mikorandendina, misaritaka, misafotaka, mitavona, misomotaka, safotetaka, Ahitsio
Vorika: a.: Mosavy mahafaty. - t.i.f.: Vorehina, avorika, voavorika 1 mamorika, famorika, mpamorika / amorehana, famorehana I mahavorika 1 voriborika. Ahitsio
Vorikena: a.: Ny faritra matavy amin'ny omby vositra. Ahitsio
Vorina: (vory) mt. ih. (vorio): Antsoina ho tonga miaraka amin'ny toerana iray: Novorina teo an-tokotanibe ny fokonolona taloha hihaino kabary. 1 Angonina: Mahatratra telo arivo ny vola novorina. - t.i.f, : Avorina, voavorina 1 mamorina, famorina, mpamorina 1 amorenana, famorenana I mivorina, fivorina 1 ivorenana, fivorenana I mahavorina 1 vorimborina 1 vorenana. - F.-p.: Vorim-pasika: antontam-pasika mivangongo; tobim-pasika miavoavo. Ahitsio
Vorinosy: a.: Karazam-bakana fotsy kilavalava. Ahitsio
Voritra: Jer. Vorotra. Ahitsio
Vorivorina: (vorivory) mt. ih. (vorivorio): Boriborfna, a-tao tonga vorivory: Vorivorio io hazo io. Ahitsio
Vorivoriny: sy Vorivorinkena a.: Anarana ilazana ireo kitapo faharoa sy fahatelo amin'ny vavonin'ny biby mandinika toy ny omby, manarakaraka ny roroha; rehefa avy tsakoin' ny biby fanindroany ny hanina, dia averiny avy any amin'ny rorohany ary mandalo mivantana any amin'ny vorivoriny. Ahitsio
Voroka: ft.: Fofona ratsy sady mantsina. 1 tif: Mavoroka / havoroka. Ahitsio
Voromahailala: a.: Vorona mpihinam-boan-iavamanirY ary fatra-pivelona miaraka, tsara hena ka ompian'ny olona. (Mahavita lalana lavitra ny Voromahailala ary afaka miverina amin'ny toerana nialany indray; avy amin'izany no nahatonga ny anarany (mahay lalana). Ahitsio
Voromahery: a.: Karazam-borona mpihaza sy mpihinankenam-biby velona; mety ho lehibe sy matanjaka ny voromahery any an-tany hafa ka mahazaka zanak'omby na zanak' ondry. Ahitsio
Voromanga: a: Teny entina ilazana olona tiana: Raha tsy tian'ny hafa aza, ravoromangako kosa! Ahitsio
Vorombato: a.: Anaran'akoholaby mahery miady fahizay, izay karazan'akoho vaventy ary somary mifaingoka ohatra ny an'ny boloky ny vavany. Ahitsio
Vorombazaha: a.: Jer. Ganagana. Ahitsio
Vorombe: a.: Jer. Gisa. Ahitsio
Vorombola: a.: Vorona iray fianakaviam-be amin'ny alto-ho sy ny voxontsiloza, misy volony marevaka, indrindra ny lahy, izay manan-drambo mahazo misandrahaka ka mivelatra toy ny kodiarana. Ahitsio