Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voromiendratra: a.: Karazandamba taloha nisy sorany miolikolika. Ahitsio
Vorompotsy: a.: Vorona fotsy, iray fianakaviana amin'ny vano, mivelona eny amhr'ny hotsaka. Ahitsio
Vorona: a.: Anarana itambarana iantsoana ireo karazam-biby manidina misy elany roa solon'ny tongony anoloana, ka roa ihany ny tongony ary rakotra vola manokana — izay nantsoina indrindra hoe: volom-borona — ny tenany; manatody izy fa tsy miteraka. a F,-p,: Maty vorona: ilazana keo olona nosoloana vorona tamin'ny fampinomana ka maty ilay vorona. • h. : Maty tanora. / Voro-manompo: enti-milaza ireo vorona fiompy fa tsy mba dia. / Voro-manompo havana: zana ny havan'ny mpanjaka, na ireo olona ambony izay samy mikezaka hahatsara laza ny mpanjaka eo imason' ny vahoaka. / Vorombe maty uady: ilazana olona mijoro ka ny tongony an'ila ihany no mitehi-tany eo am-pijoroana. / Vorombe rima: enti-milaza ireo olona masiaka sy tia tena, nefa mpanenitra ny hafa. (Tapak'ohabolana ihany io fa ny ohabolana feno dia hoe: "Kapakapa uorombe rima, mijere te-na vao manenitra ny sasany", / Vorom-panova: salon' ny maty na ny tsy ao intsony mba hianteherana. * Ohab.: Vorona azon'adala: raha tsy maty aza mifohafoha volo: enti-milaza ny zavadoza mihatra amin'ny osa raha eo an-tanan'ny fohy saina sy ny tsy hendry. Ahitsio
Voronandrano: a.: Karazamborona, toy ny angaka, arosy... mivelona eny amin'ny hetrina; toy izao ny toetoetra manokana ananan'ny voronandrano: fohy ny tongony fa mafy ny hoho amin' ny loha rantsany ary misy hoditra manify mampikambana ny rantsana efatra ho toy ny fivoy. Ahitsio
Vorondolo: a.: Vorona artisan' ny antsoina hoe tsy sahy andro; be maso, be vola, misy sangany kely ny vorondolo; noho izy mpivoaka amin' ny alina, dia malaza ho voron'ny mpamosavy izy; tsara ho fantatra anefa fa anisan'ny vorona mahasoa izy noho ny fihazany ny voalavo, totozy sy ny namany (iray fianakaviana amin'ny vorondolo ny tararaka sy ny matoriandro). Ahitsio
Vorondreo: a.: Vorona salasalany, hafahafa bika, manopy maitso ny volony, izay lasa maitso antitra ea amin' ny volombodiny ary maitso misy tarany mena amin'ny elany; mitaraindraina toa mampalahelo ny feon'ny vorondreo ka heverin'ny maro ho fambara loza ny fandrenesana azy. Ahitsio
Vorongo: Jer. Forongo. Ahitsio
Vorontsiloza: a.: Vorona lehibe, fianakaviam-ben'ny akoho, vorombola..,, manam-bika hafa kely fa misy nofo mikiramborambo eo amin' ny lohany, ny tendany misy toa haingony mitarazoka ary ny rambony azony velarina toy ny fikopaka rehefa midoroboka izy; tsara hena ary tsy mba saro-devonina ohatra ny gisa ny vorontsiloza. Ahitsio
Vorosoka: p.t.: Voahosihosin' ny tongotra, madisa, tomarosoka. - t.i.f.: Mivorosoka, fivorosoka. Ahitsio
Vorotina: p, t.: Fivontosan'ny vorotra. Ahitsio
Vorotra: na Voritra a.: Fototry ny vihy. Ahitsio
Vorotra: a.: Potika na sombinjavatra tsy misy nana azy intsony. - F.-p.: Voro-damba: ny lamba efa rovitra sy potika ka tsy misy asany loatra intsony raha taffna. / Voro-drongony, uoro-jiafotsy, voro-kiraro: ilazana ny lamba rongony sy ny jiafotsy ary ny kiraro izay samy efa tonta sy rovitra tsy azo atao inona loatra intsony. / Voro-kitsay: tapa-damba tonta sady maloto no rovitra. / Voro-tsihy: ny tsihy efa rovidrovitra sady tonta. Ahitsio
Vorovoro: a.: Tsy filaminana, safotofoto, saritaka. i Vorovoroina, avorovoro / voavorovoro, tafavorovoro / mamorovoro na manavorovoro, famorovoro, mpamorovoro / amorovoroana, famorovoroana / mivorovo• ro, fivorovoro, mpivorovoro / ivorovoraana, fivorovoroana / mahavorovoro. Ahitsio
Vorovoroina: (vorovoro) mt, ih. (uorouorày): Akorontana. Ahitsio
Vory: mt. ih, ft.: Tonga miaraka eo amin'ny toerana iray: Efa vory ny mpianatra ka mitenena ianao. ? Voangona: Be ihany ny vola vorintsika omaly. - t.i.f.: Vorina, voavory, vinory, tafavory / mamory, famory, mpamory / amoriana, famoriana / mivory, fivory, mpivory / ivoriana, fivoriana I mahavory I vorivory. Ahitsio
Vory: na Vorivory p.t.: Manao faribolana: Tsipika vorivory, i t.Lf.: Vorivorina, voavory / manavory, fanavory, mpanavory I anavorivoriana, fanavorivoriana I mahavory. ? F,-p,:Hady vory na hadivory: hady na iavaka nohadfna manodidina toerana na vohitra kely. / VorivorY endrika: ilazana ny tarehy somary boribory ary mitalesaka kely. / Vory ioha: ilazana ny tafon'ny trano izay tsy mba nasiana tapenaka avo fa natao mitovy efatra eo ampovoany kosa. Ahitsio
Vory: a.: Roatra: Vorin-tsavony; vorin-dabiera. - t.i.f.: Mamory, mamorivory, famory, mpamory 1 amorivorlana, famorivoriana. ? F.-p.: Vorim-bava: rora mandroadroatra mameno ny vava sady mivoaka eo ivelany koa. / Mandoa vory: mihoaka mandoa, nefs tsy misy ventiny fa rano mamorivory fotsiny no aloa, misafoaka vorim-bava (fahita rehefa avy mihazakazaka na mikohaka mafy). / Mitoko vory: enti-milaza ny fotsimbary andrahoina ao am-bilany ka efa madiva handroatra. / Vorin-drano: ny rano mamorivory sy misy roatrany. / Vorin-tsavony: roatran-tsavony mitafoaka. Ahitsio
Vosesika: Mitovy amin'ny Bosesika. Ahitsio
Vosirina: (vositra) mt. ih. (uosiro): Atao tonga vositra. Ahitsio
Vositra: p.t. sy a.: Biby izay namboarina mba tsy ho afaka hiteraka intsony, ka amin'ny lahy, esorina ny an• gorony na ankonjony, ary amin'ny vavy, alana ny fonosan'atodiny: Akoholahy vositra. 1 t.if.r Vosirina, voavositra / mamositra, famositra, mpamositra I amosirana, famosirana / mahavositra. - F,-p,: Omby vositra: omby efa namboarina tsy halain-taranaka fa hohatavezina fotsiny. / Vosi-dronono: ny zanak'omby nodidiana raits mbola kely. / Vosi-Janahary: efa voavositra hatrany an-kibon-dreniny. / Vosi-malaza: anarana ilazana ireo omby vositra matavy sady makadiry izay atao fanomezana. Ahitsio