Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vovonana: a.: Rafi-kazo man-dry eo an-tampon'ny trano, izay ipetrahan'ireo lohatrano amin'ny an-daniny roa. - F.-p.: Mita taovovo nana: enti-milaza ny masoandro efa manandrify tsara ny vovonana ka misasaka tsara ny andro amin'io fotoana io (12 ora antoandro). / Vovonana iadian'ny lohany: ny hazo atao lohatrano dia amin'ny vovonana avokoa no mifantsika, ka dia atao ohatra amin'ny ray aman-dreny izay iraisan'ny mpianakavy rehetra, na amin'ny lehibe iraisan'ny olona entiny ny vovonana. J Vovonan-gadra: ny masomby ifampitohizan' ny rojo amin'ireo olo-meloka gadraina. / Vouonan-karaka: ny hazo lava ihantonan'ny haraka rehetra amin' ny fanenomana. / Vovonamizana: ilay tsivalam-by f-han tonan'ny tana-mizana (ny mizana fandanjana vola-mena no lazaina eto). Ahitsio
Vovozina: (voua) mt.ih, (uovazy): Kiakiahin'ny alika amin'ny fombany. Ahitsio
Voy: a: Fanaovana izay hampisosa ny lakana amin'ny fikapohana ny rano. - t.i.f.: Voizina, avoy, voavoy 1 mivoy, fivoy, mpivoy 1 ivoizana, fivoizana 1 mahavoy 1 voivoy. Ahitsio
Vozavoza: a.: Fidrahodraho, firaikiraiky, fitsivaikavafka, fitahontahona. 1 tif: Mivozavoza, fivozavoza, mpivozavoza 1 ivozavozàna, fivozavozàna. Ahitsio
Vozezehana: (zezika) mt. pdr. (vozezeho): Enti-milaza toerana fatrarana zavatra atao mifanongoa na miavosa: Novozezehana kitapon'arina ny fiarakodia. Ahitsio
Vozezika: a.: Fiavovona sy fifanongoan-javatra mifangaroharo be ihany. - t.i.f.: Vozezehana, avozezika, voavozezika, tafavozezika 1 mamozezika, famozezika, mpamozezika / amozezehana, famozezehana / mivozezika, fivozezika, mpivozezika 1 ivozezehana, fivozezehana 1 mahavozezika 1 vozezijezika. Ahitsio
Vozezy: f.t.: Fitomboana maro. + t.i.f.: Mamozezy, famozezy, mpamozezy. Ahitsio
Vozihirina: (vozihitra) mt, ih. (uozihiro): Bontsininabe. Ahitsio
Vozihitra: a.: Fibontsinanamakadiry azon'ny rivotra, fivontosana, fibibahana. - t.i.f.: Vozihirina, avozihitra, voavozihitra, tafavozihitra 1 manavozihitra, fanavozihitra, mpanavozihitra 1 anavozihirana, fanavozihirana / mivozihitra, fivozihitra, mpivozihitra / ivozihirana, fivozihirana 1 mahavozihitra 1 vozihijihitra. Ahitsio
Vozo: sy Vozovozo ft.: Haosàna, hozo, hozohozo. - t.i.f.: Mavozo, mavozovozo, havozoana. Ahitsio
Vozona: a.: Ny tenda eo amin' ny faritry ny hatoka, ny elanelan'ny soroka sy ny loha: Misy uailahy kely eo amin' ny vozony. • Enti-milaza koa fanerena hanaiky. 1t.if.: Vozonana Imamozona, famozona, mpamozona 1 amozonana, famozonana 1 mahavozona I am-bozona 1 miambozona, fiambozona, mpiambozona 1 iambozonana, ffambozonana 1 mahambozona. - F,-p,: Taingim-bozona: sady fampijaliana no fanandevozana. / Tandroka aron'ny vozona: fitenenana ilazana ny olona manana fahefana na harena na fahaizana izay manana adidy koa hamonjY sy hitandrina ny eo akaikiny amin'ny loza mety hahavoa azy. / Tery vozona: fanera-na hanao zavatra na tiana na tsy tiana. J Vozon'akanlo: ny manodidina ny tenda amin'ny akanjo. / Vozon-tauoahangy: ny eo ambanin' ny vava tavoahangy izay andraisana azy. I Varifitoventy mahatapaka ny vozon'akoho: fitenenana enti-milaza zavatra kely mahatonga zavadehibe ho simba. * Ohab.: Manalasala ohatra ny uozon'akoho tanora: enti-milaza zavatra tsy hita ha-tao ho tsars na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. Ahitsio
Vozonana: (vozona) mt. ih. (oozany): Raisina amin'ny vozony. ? Terena hanaiky: Tsy nouozonana ianao nanao an' io, ka amin'izany tanteraho hatramin'ny farany. Ahitsio
Vy: a.: Karaza-metaly mena-mena matroka ny volony, anisan'ny ilaina indrindra amin'ny metaly rehetra fa anaovana fiasana amam-pitaovana isan-karazany. Ahitsio