Teny nampidirina farany

Mifefika
[hery]
:(fefika) mt. s. (mifefeha): Rendrika, vaky. Ahitsio
Mifefy
[hery]
:(fefy) mt. s. (mifefe): Misy fefy: Mifefy ve ny tokotaninareo? 1 Manatona ho ao ambany fiarovana:Mifefy amin'ny reniny ny zazakely. Ahitsio
Mifefy
[hery]
:(fefy) p.t.: Enti-milaza ny fombafomba fanao rehefa mandevina, izay mifarana amin'ny famonoana omby. Ahitsio
Mifatsifatsy
[hery]
:(fatsifatsy) p;t,: Enti-milaza ny vary tsy mohaka fa mitsiratsiraka: Mahate hihinana izany vary izany fa mifatsifatsy er?, Ahitsio
Mifatsafatsa
[hery]
:(vatsavatsa) mt s.: Mitsaontsaom-bava, miteniteny foana, mirediredy. ? M. h.: Vatsavatsa. Ahitsio
Mifatrofatro
[hery]
:(fatrofatro) p.t.: Vaventy sy bolangina. ? M,h.: Dobarabe, dofa. Ahitsio
Mifatratra
[hery]
:(fatratra) mt. s. (mifatr?ra): Mifanety be, mifanizina: Efa mifatratra ny tsaramaso ato fa aoka izay. / Mifatratra ao amin'ny gara ao fotsiny ny olona fa mbola tsy tonga ny kalesin-dalamby. Ahitsio
Mifatra
[hery]
:(fatra) mt. s.: Voafatra: Vary folo mifatra no vokatray tamin'ity taona ity. Ahitsio
Mifaroratra
[hery]
:(faroratra) mt.s.: Miroritra, mihalava, maditidity: Hita ter? am-paravodilanitra nisy rahona fotsy nifaroratra nanakona ny masoandro. Ahitsio
Mifarombaka
[hery]
:(farombaka) mt p. (mifarombaha): Mifanesika hanao asa, haka zavatra, hiteny: Nifarombaka naka ny baolina ny mpilalao ka nisy naratra. Ahitsio
Mifaritra
[hery]
:(faritra) mt. s.: Misy faritra, voafa;itra: Tsy azony kasihina ny tanintsika satria efa mifaritra mazava tsara. / Misy dian-javatra na famantarana mipetaka: Misy mifaritra boribory mainty eo a min'ny handriny. Ahitsio
Mifarina
[hery]
:(farina) mt. s.: Maharitra andro vitsivitsy tsy mivalana, mampoelana ny fivalanana. (Tsara homarihina fa amin' ny zazakely ihany no ampiasana an'io teny io, fa amin' ny lehibe kosa dia ny hoe "mitohana" no ampiasaina). Ahitsio
Mifarimbona
[hery]
:(farimbona) mt. s. (mifarimbdna): Miaraka: Nifarimbona nanenjika ilay mpangalatra ny mponina rehetra, / Mifarimbona mitoto uary izy mirahavavy. ? Miaraka miasa: Nifarimbona nandritra ny andro izy telo lahy. Ahitsio
Mifaratsaka
[hery]
:(faratsaka) mt, s.: Mivarina, mianjera: Nafana loatra izy ka tsy tratra nifaratsaka tany anaty rano. / Nifaratsaka tany anaty hady ilay uato natorako. ? h.o.: Mialokaloka: Nifaratsaka tany anaty ala ny lehiben'ny mpikomy ka saika tsy hita. 1 Sandra, tohatra: Sambatra ianao fa nifaratsaka tamin' ny zaua-tsoa rehetra, Ahitsio
Mifarana
[hery]
:(farana) mt. s.: Vita, tapitra: Mifarana anio ny taom-pianarana. ? Voala romoromo, vita mitovy tantana: Ataovy mifarana tsara ny uolonao. Ahitsio
Mifaraingo
[hery]
:(faraingo) p.t.: Mifeloka ny Iohakeliny: Alaouy amin'ity uy mifaraingo ity. Ahitsio
Mifaoka
[hery]
:(faoka) mt. s. (mifaoha): Manadio. 1 Manesotra amin-kery sy haingana: Hitako nifaoka ny uoronkely teo ny papango. 1 Mamely amin'ny tandroka. Ahitsio
Mifantsona
[hery]
:(fantsona) mt. p.: Tsy fandre afa-tsy amin'ilay fombam-piteny hoe: "indray mifantsona": indray mande-ha. Ahitsio
Mifantsitsitra
[hery]
:(fantsitsitra) mt, s.: Miporitika mitoraka mahitsy. ? M.h.: Mitangirika, mitifika. Ahitsio
Mifantsika
[hery]
:(fantsika) mt. s, (mifantsiha): Miraikitra amin'ny fantsika: Tsy mifantsika tsara ity sary ity izany. ? Milozoka, miraikitra: Mifantsika amin'ny fianarana marina ity zaza ity ka tsy mahagaga raha mahomby. ? M.h.: Mimaso, mifositra, mifototra. Ahitsio