Teny nampidirina farany

Mifantsana
[hery]
:(fantsana) mt, s. (mifantsdna): Mihontsam-bava. Ahitsio
Mifantoka
[hery]
:(fantoka) mt. s. (mifantoha): Mifantsika, miraikitra ela tsy miala amy...: Nifantoka tan), amiko ny mason'ny mpijery. Ahitsio
Mifantina
[hery]
:(fantina) mt. p. (mifantena): Maka na manavaka izay tsara, mitsaika: Mifantina izay vary tsara hambolena. ? Maka izay tsara amin' ny sisa maro hafa, mifidy: Mifantina ny sakaizany izy. Ahitsio
Mifantafanta
[hery]
:(fanta) mt. s.: Mandentidentika. Ahitsio
Mifanta
[hery]
:(fanta) mt. s. (mifant?): Miozonozona, mianiana. Ahitsio
Mifanosona
[hery]
:(sosona) mt, s. (mifanosdna): Mifampidipiditra na mifanongona: Misy hifidiananao tsara ireo sobiky mifanosona ireo. / Milahara tsara fa axa mifanosona toy izao. 1 Atao na tonga indray miaraka: Tsy tiako mihitsy ny ahy ny raharaha mifanosona tahaka izao. Ahitsio
Mifanorona
[hery]
:(fanorona) mt. s.: Milalao fanorona. Ahitsio
Mifanontona
[hery]
:(tontona) mt. s.: Tonga misesy ka ny eo tsy lasa, ny hafa avy ihany: Nifanontona ny raharaha androany ka saika tsy nahita fotoana hisakafoana akory aho. ? Mianjera amin'ny fotoana iray: Nifanontona androany ny fankalazana ny fanambadiany sy ny fanadinany, Ahitsio
Mifanonta
[hery]
:(tonta) mt. s.: Mifamely, mifampikapoka. Ahitsio
Mifanongoa
[hery]
:(tongoa) mt. pf. (mifanongoava): Mifanaingina, izany hoe ny sasany mitaingina eny ambonin'ny sasany: Tsy nisy vato nifanongoa taorian'ilay riuo-doza Ahitsio
Mifanondritra
[hery]
:(tondritra) mt. s.: Mifanilaka hadisoana. Ahitsio
Mifanolotra
[hery]
:(tolotra) mt, p.: Mifanome: Nifanolotra peratra izy ireo. Ahitsio
Mifanolotra
[hery]
:(olotra) mt. s.: Mifampikasika: Nifanolotra angaha ny tranonareo taloha? - Mifanolo-body rindrina: enti-milaza trano roa mifanakaiky na mifampikasika mihitsy aza ny rindrina. Ahitsio
Mifanojo
[hery]
:(tojo) mt. pf.: Mifanena, mihaona, mifanehatra: Nifanojo lahy ny hevitsika mianaka! Ahitsio
Mifanohitra
[hery]
:(tohitra) mt. pf. (mifanohera): Mifanalavitra be toy ny atsimo sy avaratra, mifanipaka, mifandaka: Mifanohitra ny mamy sy ny mangidy. 1 Tsy mitovy hevitra, miady: Mifanohitra ny Tandrefana sy ny Tatsinanana. ? Tsy mifanaraka, tsy mifandrindra: Mifanohitra ny teny lazain'ny vavany sy ny asa ataony. ? Tsy mifanaraka amin'ny..,: Mifanohitra amin'ny fitsipiky ny Fikambanana ny nataonao ka horoahina ianao. Ahitsio
Mifankazatra
[hery]
:(zatra) mt. pf. (mifankazara): Enti-milaza olona roa na maro mpiaraka matetika ka mifankahazo tsara. Ahitsio
Mifankatia
[hery]
:(tia) mt. pf. (mifankatiava): Enti-milaza olona roa na maro izay manana fitia mifamaly: Mifankatiava ihany raha mbola velona ai-na. Ahitsio
Mifankaleo
[hery]
:(leo) mt. pf.: Entimilaza olona roa manao izay hahaleo ny ankilany avy. Ahitsio
Mifankahita
[hery]
:(hita) mt. pf. (mifankahit?): Mihaona: Dimy taona izao isika no nifankahita farany. Ahitsio
Mifankaheny
[hery]
:(heny) mt. s.: Enti-milaza olona roa, lehilahy sy vehivavy, mahazo mivady fa tsy voasakan'ny maha-mpihavana. Ahitsio