Teny nampidirina farany

Mifankahazo
[hery]
:(azo) mt. pf. (mifankahazoa): Azon'ny anankiray izay tian'ny anankiray holazaina: Tsy hifankahazo na oviana izy roa lahy ireo satria ny iray moana sy marenina, ny iray jamba. 1 Tsara resaka: Mifankahazo tsara izahay sy i dadatoanao. Ahitsio
Mifankahalala
[hery]
:(tala) mt. pf : Mifamaly ny fahalalana, ka ny iray mahalala ny iray, ity faharoa koa mahalala ilay voalohany: Mifankahalala tsara izaho sy Rakoto. Ahitsio
Mifankahala
[hery]
:(hala) mt. pf. (mifankahal?): Samy tsy tia ny ankilany avy. Ahitsio
Mifank-
[hery]
:Tovona ambaratonga faharoa enti-manao mt. s. milaza fifamalian'asa raha manomboka amin'ny maha ny mt. tsotra: mahita ? mifankahita, mahalala ? mifankahalala. Ahitsio
Mifanjohy
[hery]
:(zohy) mt. pf.: Mifanarakaraka mifanao aloha sy aoriana; miaraka lava eny: Nifanjohy ela teny izy roa talohan'ny hivadiany. ? Mifanenjika: Nifanjohy ny polisy sy ilay mpangalatra. Ahitsio
Mifanjofo
[hery]
:(jofo) mt. s. (mifanjofoa): Miady mikatroka: Nifanjofo tao atsimon-trano ny mpianatra amin'ny lakilasy roa. ? Mifamely: Mifanjofo daka. Ahitsio
Mifanjihitra
[hery]
:(fanjihitra) mt. s. (mifanjihira): Mifamaly mafy; mifanditra, miady vava, manao ady antsanga. Ahitsio
Mifanjevo
[hery]
:(zevo) mt. s.: Mifangaro, mifampidipiditra sy misaritadritaka ka tsy hita intsony ny ahy sy azy: Nifanjeuo ny entana eran'ny trano. ? Mifanao tombo-tanana: Nifanjeuo ny tafika roa ton ta, Ahitsio
Mifanjana
[hery]
:(fanjana) mt. s.: Tsy misy mety manao asa iray fa miandry ny sasany ka manilika aminy. 1 Tsy mety manao raha tsy kely noho ny an'ny hafa ny anjaran' ny tena. Ahitsio
Mifanizina
[hery]
:p.t.: Tery dia tery ka mifanety aoka izany. Ahitsio
Mifanitsy
[hery]
:(hitsy) mt. s.: Milahatra mahitsy: Tsy mifanitsy ireto andry telo ireto. ? Mifanandrify, mifanatrika: Rangahy lehibe izay no nifanitsy tamiko teo am-pisakafoana. ? Mifanaraka, sahaza: Mifanitsy amin'ny faniriako indrindra izany lazainao izany. / Tsy mifanitsy aminy velively io asa io fa asa loatra ny nifidianany azy. Ahitsio
Mifanitsaka
[hery]
:(hitsaka) mt. pf,: Mifanosy ny tongotra: Aza mifanitsaka, rankizy, fa mipetraha tsara a! ? Mitsanganamaro amin'ny toerana ety, mifanety, mifanizina: Nifanitsaka mihitsy ny mpijery hira gasy, fa nalaza ilay tarika nilalao. (Ny fiteny matetika amin'ity hevitra ity dia hoe: mifanitsa-kitro). Ahitsio
Mifanisa
[hery]
:(isa) mt. pf. (mifanis?): Mampitovy isa, mifaninana amin'ny isa: Sahy mifanisa aminareo izahay. ? Mitovy isa: Mils hifanisa amin'ny olona ny fiarakodia ao an-dreniuohitra ao. Ahitsio
Mifanipaka
[hery]
:(tsipaka) mt. pf. (mifanipaha): Mitovy amin' ny Mifandaka. Ahitsio
Mifanintona
[hery]
:(sintona) mt. pf.: Mifandrirotra: Mifanintontady. ? Voan'ny fanintontsintona: Intelo no nifanintona ilay zaza androany. Ahitsio
Mifaninona
[hery]
:(inona) mt. s.: Manontany ny fifandraisana ara-pihavanana misy amin'ny olona roa: Nifaninona moa Andrianjafy sy Andrianampoinimerina? Ahitsio
Mifanindry
[hery]
:(tsindry) mt. pf.: Enti-milaza zavatra roa ka ny iray eo ambonin'ny iray. ? h.o.: Enti-milaza zavatra roa tonga na mianjera amin'ny fotoana iray: Nifanindry tamin'ny fanadinanay ny nahaterahan'ny zanak'anabavik o. Ahitsio
Mifanindrana
[hery]
:na Mifanindrandalana (Indra na indranY) mt. s.: Mandeha milahatra tsy misy aloha sy aoriana: Nifanindran-dalana izahay sy i Dada nankany an-tsaha. Ahitsio
Mifaninana
[hery]
:(inana) mt.pf. (mifanin?na): Mamplady fahaizana na tanjaka na hatsarana mba hahitana izay mana-na bebe kokoa: Nifaninana mba hampiseho herimpo izy roa lahy. Ahitsio
Mifanila
[hery]
:(ila) mt, s.: Mifanakaiky: Mifanila amin'ny tranonay ny tranon-dRakoto. Ahitsio