Teny nampidirina farany

Mifangaro
[hery]
:(haro) mt. pf. (mifangaroa): Mitambatra ka tonga sarotra avahana: Nifangaro ny ondrintsika. ? Mitambatra ho iray: Tsy mety mifangaro amin'ny rano ny menaka. 1 Miharo, miaraka amin'ny.,.: Aza mifangaro amin'ireo ankizy mpitabataba ireo ire. ? Miaraka misafotofoto, mifanosona: Mifangaro ao dahoio ny lambanareo ka samia maka ny azy. Ahitsio
Mifanety
[hery]
:(ety) mt. pf. (mifanete): Tery dia tery noho ny habetsahan'ny olona mitangorona; mifanizina. Ahitsio
Mifanesika
[hery]
:(sesika) mt. s.: Tonga na miditra mirohotra miaraka. Ahitsio
Mifanerasera
[hery]
:(serasera) mt.pf. (mifaneraser?): Mifampihaona matetika, mifampikasokasoka. Ahitsio
Mifanerana
[hery]
:(erana) mt. s.: Mitovy hatiana, lanja, habe: Mifanerana tsara amin'ny lohanao io satroka io fa vidio. ? Mifanaraka, mifanentana: Mifanerana amin'ny hareny ihany ny vola laniny ka tsy mampaninona azy. Ahitsio
Mifanendrika
[hery]
:(endrika) mt s.: Mifanaraka: Mifanendrika amin'ny akanjonao tsara ny kiraronao. ? Mitovy: Mitanendrika aoka izany izy mirahavavy. Ahitsio
Mifanena
[hery]
:(tsena) mt. pf. (mifanen?): Mifankahita sendrasendra toa nitsena ny iray ny iray; miara-tonga amin'ny toerana iray, mifanojo, mifanehatra: Nifanena teny andalana izahay sy ny mpampianatra anao. Ahitsio
Mifanelanelana
[hery]
:(elanelana) mt, s.: Enti-milaza zavatra na olona roa karazana, ka tsy a-tao misesy ny iray karazana fa sisihana ilay karazany faharoa mifandimbidimby aminy: Ataovy mifanelanelana ny mpianatra kilasy fahadimy sy fahenina. Ahitsio
Mifanehatra
[hery]
:(sehatra) mt. s.: Mifanena. Ahitsio
Mifandrozana
[hery]
:(fandrozana) mt. s.: Tsy mifanara-kevitra, tsy mifanaraka; (raharaha) misavorovoro. Ahitsio
Mifandrotra
[hery]
:(fandrotra) mt, s.: Mifatotra singory: Mora vahana io fa mifandrotra fotsin y. Ahitsio
Mifandrotika
[hery]
:(fandrotika) mt. pf.: Mifandrovitra, miady mafy mifanao hotohoto. Ahitsio
Mifandrombaka
[hery]
:(rombaka) mt. pf. (mifandrombaha): Mifaninana manao asa na miteny: Mifandrombaka hanao tsianjery ny mpianatra. ? Mifaninana haka (zavatra) haingana sy an-kery sao lasan'ny sasany: Mifandrombaka uoankazo izy dimy lahy. Ahitsio
Mifandrindra
[hery]
:(rindra) p. mt.: Mifanaraka tsara. Ahitsio
Mifandramatra
[hery]
:(fandramatra) mt. s.: Mifanaikitra, miady, manao ady saritaka. Ahitsio
Mifandraka
[hery]
:(fandraka) mt. s.: Misy ambaviny, misy loaka hidiran'ny andahiny. - F.-p.: Voatavo tcy mifandraka: enti-milaza ankizy mbola zazabodo. Ahitsio
Mifandraika
[hery]
:Mifandraidraika (raika) mt. s.: Misy fitovitoviana amin'ny...: Mifan- draidraika amin'ny tarehindrenibeny ny tarehin'ity zaza ity. Ahitsio
Mifanditra
[hery]
:(fanditra) mt. s. (mifandira): Miady vava, mifamaly, mifanjihitra: Mifanditra lalandaua izy roa lahy ireo. Ahitsio
Mifandiso
[hery]
:(diso) mt. s.: Tsy mifanena, tsy mifanaraka: Nifandiso izahay sy Rakoto. / Nifandiso ny bokotrao fa amboary. Ahitsio
Mifandinika
[hery]
:(dinika) mt. pf. (mifandiniha): Miara-mamotopototra ny amin'ny antonanton-draharaha iray: Nifandinika momba ny fanambadian'ny ankizy izahay roa tonta. Ahitsio