Teny nampidirina farany

Ahazakazaka
[admin]
: (hazakazaka), mt. fit. (ahazakazaho): Entina mihazakazaka, ampiasaina amin'ny hazakazaka. Ahitsio
Ahavitravitra
[admin]
: (hauitrauitra), mt. at, (ahauitraviro): Atao kitoatoa, atao mosalahy. Ahitsio
Ahavingavina
[admin]
: (hauingauina), mt, at. (ahavingauino): Atao kitoatoa, atao mosalahy. Ahitsio
Ahatsika
[admin]
: (hatsika), mt. fit. (ahatsiho): Entina manatsika na miantso. ~ Ilazana koa ny basy vaikaina. Ahitsio
Ahatsaka
[admin]
: (hatsaka), mt. fit. (ahatsaho): Entina manatsaka, izany hoe: a) mamarana, mikiky zavatra; b) mihady tany avoavo hanaovana lalana. Ahitsio
Ahàtra
[admin]
: (hatra), mt. at. (aharo) Atao mipaka amin'ny..., atao mianjera, miantefa amin'ny: Tsy azonao ahatra aminy izany lalàna izany satria olona marary sain izy. Ahitsio
Ahataka
[admin]
: (hataka), mt. at. (ahataho): Atao mifanalavitra tsy ampifanakekezina: Tokony hahataka kely ny tongotr'it? latabatra it?. 1 Sarahina, atokana: Nahoana no nahatakareo at? izahay? Ahitsio
Ahasohaso
[admin]
: (hasohaso), mt. fit. (ahasohasoy): Entina manasohaso, mandokadoka: Teny mirehidrehitra no nahasohason'ilay mpikabary ny lehiben'ny fokontany, Ahitsio
Ahasina
[admin]
: (hasina), mt. at. (ahasino): Aolana. ~ Akivilivily, rotsirotsina: Ahasino io zozo io fa voky loatra. Ahitsio
Ahasina
[admin]
: (hasina) mt. at. (ahasino): Omena hasina, ankatoavina ho masina: Nahasin'ny ambanilanitra tamin'ny uolatsivaky ny mpanjaka fahiny rehefa tonga ny Fandroana. Ahitsio
Aharona
[admin]
: (harona), mt. fit. (aharony): Entina mangarona, manatsoboka tanana ao anaty zavatra. Ahitsio
Aharoka
[admin]
: (haroka), mt. fit. (aharofy): Entina mikaroka, mitady. Ahitsio
Aharo
[admin]
: (haro), mt. at. (aharoy) Afangaro, atao mikambana: Naharony tamin'ny gisanay ny gisany ka nanahirana ny nanauaka azy. * Ohab.: Vary zato naharon' ny sompitra: enti-milazaolona samy hafa toerana na fonenana nefa nakamban'ny ra maha-mpihavana. Ahitsio
Aharihary
[admin]
: (harihary), mt. at. (aharihario): Aseho tsara manontolo fa tsy misy miafina: Naharihariny ny marina ha menatra foana ireo nanendrikendrika azy. Ahitsio
Aharatsaka
[admin]
: (haratsaka), 'nt. fit. (aharatsaho) : Entina manaratsaka, mamarana, manatsaka. Ahitsio
Aharatra
[admin]
: (haratra), mt. fit. (aharato) : Entina manaratra: It? hareza it? aharatra ny volombavanao fa maranitra tsara. Ahitsio
Ahaotra
[admin]
: (haotra), mt. fit. (ahaory): Entina mihaotra, na mikiky amin'ny hoho ny faritra mangidihidy amin'ny tena: Kifafa kely no ahaotran'i Nenibe ny lamosiny fa tsy takany. Ahitsio
Ahaona
[admin]
: (haona), mt. at. (ahaony): Atao izay hifanenany, asaina mifanatrika: Nahaona ny an-kilany sy ny an-daniny teny amin'ny fitsarana. 1 A-kambana, ampiadina, atambatra, avitrana: Ahaony ireo hazo roa ireo. Ahitsio
Ahantsika
[admin]
: (hantsika), mt. at. (ahantsiho): Atao mihantsika, izany hoe atao miforitra mankany ivoho: Aza ahantsika tahaka izao ny sorokao. Ahitsio
Ahantsy
[admin]
: (hantsy) mt. fit. (ahantsio) : Entina mihantsy, izany hoe mihaika na miantso olona hifaninana amin'ny te-na. Ahitsio