Teny nampidirina farany

Ahantona
[admin]
: (hantona), mt. at. (ahantony): Apetaka amin' ny zavatra ambony toerana, dia avala hihevaheva, hikiraviravy; akiraviravy; akirazorazo: Ahantony kely ny satroko. / Taloha nahantona no famonoana ny olona uoaheloka ho faty. ~ Ho.: Atsahatra, aato: Nahantona kely aloha ny raharaha. Ahitsio
Ahanta
[admin]
: (hanta), mt. fit. (ahan-tao): Enti-milaza ny olona entina hangatahan-javatra na ny zavatra entina hampihantan-jaza: Mofo sy vatomamy foana no ahantan-drainy an' i Fara kely. Ahitsio
Ahanjahanja
[admin]
: (hanjahanja), mt. at. (ahanjahanjao): Alana lamba na akanjo ka hita vatana amin'izao, aboridana. Ahitsio
Ahandrotra
[admin]
: (handrotra), mt. at. (ahandroty): Atao fatotra mora mivaha. ~ Fiten.: Ny fanambadiana tsy nafehy fa nahandrotra: ny fanambadiana tsy na-tao tsy ho azo ravana akory. (Marihina fa angamba fitenenana vao niforona tat? aoriandriana ihany io fa tsy aratoe-tsaina malagasy hatrany an-tendrony akory, izay azo heverina ho nitrangan'ilay fitenenana hafa fandre matetika manao hoe: Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana). Ahitsio
Ahandrona
[admin]
: (handrona), mt. at. (ahandroy): (rano) Tsy avoaka fa avela hitoby amin'ny toerana iray: Aza ahandrona eto ny rano fa mahabe moka Ahitsio
Ahandroina
[admin]
::ler. Handroina. Ahitsio
Ahandrohandro
[admin]
: (handrohandro), mt. at. (ahandrohandroy): Atao izay hampahadiva hilatsaka azy (orana, ranomaso). Ahitsio
Ahandrina
[admin]
: (handrina), mt. fit. (ahandrino): Entina manandrina na mijery olona manatrika tsara: Maso menan'ny hatezerana no nahandriny ahy. Ahitsio
Ahanankanana
[admin]
: (hannhanana),mt. at. (ahanankano): Atsinkafona ao anaty...; empoina. Ahitsio
Ahanaka
[admin]
: (hanaka), mt. at. (ahanaho): Aparitaka, aely: A-za ahanaka eran'ny trano ny rano. Ahitsio
Ahana
[admin]
: (hana) mt. at..(ahano): (vola) Apetraka hisy zanany: Vola ahana ve it? nomenao ahy it? sa samborina fotsiny amin'izao e? Ahitsio
Ahana
[admin]
: Ahanahana ft.: Fijanonana, fiatoana. - t.i.f.: tafahana / manahana, fanahana, mpanahana / anahanana, fanahanana / iahanahanana, fiahanahanana. Ahitsio
Ahambahamba
[admin]
: (hambahamba) mt. at. (ahambahambao): A-hantona, avela hisalasala. Ahitsio
Ahalotra
[admin]
: (halotra), mt. fit. (ahalory): (tanana) Entina mihalotra, maka trondro na orana ao anaty lavany. Ahitsio
Ahalohalo
[admin]
: (halohalo), mt. at, (ahalohaloy): Ahantona. ? Atao anevanevany, tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa. Ahitsio
Ahalasanana
[admin]
: (lasa), mt. mpam. toe-j.: Andehanana: Lazao ahy ny andro hahalasananao. ? Ahafatesana: Roa taon izay no nahalasanan-dRakoto. Ahitsio
Ahalana
[admin]
: (halana), mt. at. (ahalano): Atao halana, fefy: Ireto bozaka ireto ahalana ny siny. Ahitsio
Ahaitraitra
[admin]
: (haitraitra), mt. at. (ahaitrairo): Mitovy amin'ny haitrairina, hasarotina. Ahitsio
Ahaino
[admin]
: (haino) mt, at. (ahainoy): Ampihainoina. ? mt. fit.: Entina mihaino, Ahitsio
Ahaingo
[admin]
: (haingo), mt. fit. (ahaingoy): Atao haingo, entina hanaingoana: Voninkazo sy zaua-maitso no nahaingo ny trano nampidirana ny mpana m bady. Ahitsio