Teny nampidirina farany

Afontina
[admin]
: (fontina), mt. at. (afonteno) : Averina amin'ny toerany teo aloha. Ahitsio
Afonoka
[admin]
: (fonoka), mt. at. (afonohy): Asisika anatin'ny... Ahitsio
Afono
[admin]
: (fono), mt. fit. (afonosy): Entina mamono, mandrakotra: Gazety no nafonony ny hena nouidiny. Ahitsio
Afonjafonja
[admin]
: (fonjafonja), mt. fit. (afonjafonjao): Entina mambata, mamonjafonja. Ahitsio
Afongotra
[admin]
: (fongotra), mt. at. (afongory): Atao fongotra, aripaka, aringana. Ahitsio
Afongofongo
[admin]
: (fongofongo), mt. at. (afongofongoy): Asafoaka. Ahitsio
Afongo
[admin]
: (fongo), mt. at. (afon. goy): Asaina mijanona ao am-pandriana mirakotra tsara: Nafongon-dreniny tao am-pandriana Inaivo kely fa nanauy be. Ahitsio
Afongatra
[admin]
: (fongatra), mt. at. (afongaro): Aseho, avoaka ho hitan'ny olona. Ahitsio
Afongana
[admin]
: (fongana), mt. at. (afongano): Atao raya tanteraka. Ahitsio
Afondrana
[admin]
: (fondrana), mt. fit. (afondrano): Entina mandoko menamena. Ahitsio
Afon-draingy
[admin]
: a.: Afo azo amin'ny hazo ampifampikasohina. Ahitsio
Afonangatra
[admin]
: na Afondolo a.: Afo voalaza ho avy amin'ny angatra na ny lolo. - F.-p.: Afondolo afonangatra: teny enti-milaza fianianana na fivoadivoadiana fa tsy hanao zavatra iray izay nahitana fahavoazana intsony: Afondolo afonangatra: tsy mba hisotro toaka intsony aho! Ahitsio
Afonanahary
[admin]
: a.: Afonangatra na afondolo betsaka izay hi-ta toa mirefarefa amin'ny tany. Ahitsio
Afonafona
[admin]
: a.: Fisafoahan-katezerana, haromotana. - t.i.f.: miafonafona, fiafonafona, mpiafonafona / iafonafonana, fiafonafonana. Ahitsio
Afompotra
[admin]
: (fompotra), mt. at. (afompory): Lanina atao majifa tsy misy miangana: Nafompony ny loua nauelandrainy sy reniny. Ahitsio
Afomanga
[admin]
: a.: Karazana tsipoapoaka be mitsoriaka miakatra rahefa ampirehetina ary mianjera misandrahaka mahafinaritra indray. - F. p.: Baia afomanga: fiadiana vaovao na karazan'aroplanina vaovao mitsoriaka haingana izaitsizy ohatra ny afomanga. Ahitsio
Afolavat
[admin]
:(Htl) na Rombantsahona na Sangasanganandevolahy a: Zavamaniry kely mamoa menamena fanao tambavy mahay be fa sady mampavitribitrika no ody malemy valahana ary mana-la ny aretin-kihy; ny ranony mahafaka ny hao raha anasan-doha; mbola azo ampiasaina ho fandiovana ny fivalanandrano sy fampitomboana ny hatsembohana koa ny laingon'ny afolava madinika (Hyptis pectinata). Ahitsio
Afolaka
[admin]
: (folaka), mt. at. (afolaho): Atao mifolaka; aforitra: Tsy manaiky, hono, izy fa nafolakao ny tanan-janany. Ahitsio
Afokasoka
[admin]
: a.: Poti-banja miraikitra amin'ny tendron' ny tahon-kazo kely, izay akasoka amin'ny baoritra misy ankoso-banja koa ka miteraka lelafo vetivety. - F.•p,: uoan'afokasoka: ny singany tsirairay; tahon'afokasoka: ilay tapany tsy mirehitra; tranon'afokasoka: ny fitoerany. Ahitsio
Afokafoka
[admin]
: a.: Firehetan-katezerana. - t.i.f.: miafokafoka, fiafokafoka, mpiafokafoka / fafokafohana, fiafokafohana. Ahitsio