Teny nampidirina farany

Aelo
[admin]
: (elo), mt. fit. (aeloy): Ampiasaina hatao elo; iarovana amin'ny hainandro na ny orana: Ravin'ampanga no naelon'ny ankizy ny zazauavy nanao fampitaha. Ahitsio
Aely
[admin]
: (ely), mt, at. (aeiezo): A-paritaka, ahahaka: Naelin' ny akoho ny fako. 1 Aparitaka atao fantatry ny olona rehetra: Naelin-dRakoto sahady ilay vaovao momba ny fanadinana. Ahitsio
Aelatra
[admin]
: (elatra), mt. at. (aelaro): Atafitafy, avelatra. Ahitsio
Aelanelana
[admin]
: (elanelana), mt, at. (aelanelano): Atao eny analanelana: Tsaramaso no naelanelako ny katsaka. Ahitsio
Aelakelaka
[admin]
: (elakelaka), mt. at. (aelakelaho): Alana na endahana isam-pelany. Ahitsio
Aefitra
[admin]
: (efitra), mt. fit. (aefero): Atao efitra, atao manelanelana: Ity lamba ity aefitra ny atody sy ny vina. Ahitsio
Advantista
[admin]
: (fr. adventiste) a.: Antokom-pivavahana kristianina niendaka tamin'ny fototra protestanta ka miompana amin'ireto zavatra roa loha ireto: 1) Fiverenana amin' ny fomba-iiosy sasantsasany, toy ny fanajana ny andro fahafito (Asabotsy), ny fanomezana ny fahafolon'ny harena ho an'ny fiangonana, ny fifadiana kisoa, hazandrano tsy misy vombony na kirany. 2) Fiandrasana ny fiavian'ny Tompo izay heveriny fa mbola ho tonga indray. Ahitsio
Adrisa
[admin]
: a.: Anarana ilazana ny vavy amin'ny karazam-balala iray, izay atao hoe aketa ny lahy; ny adrisa dia vaventiventy mahafinaritra ary misoratra vony sy mainty ny tenany. * Ohab.: Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary? fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin'ny tena? Ahitsio
Adre
[admin]
: t.-p.: tenim-piontanana enti-milaza: a) Fahatsiarovana hafinaretana: Adre! maha finaritra izany rivotra mitsoka malefaka. b) Fahatairana: Adre! inona izany lazainao amiko? d) Fanaintainana: Adre! mafy izany fahoriana entiko izany! Ahitsio
Adrakadraka
[admin]
: (drakadraka),mt. at. (adrakadrakao): Atao mitsangantsangana (volo): Nadrakadrakan'ilay alika ny volony. Ahitsio
Adraina
[admin]
: (adra) mt.ih, (adrao): Lavina am-pifaliana; esoesoina, ivaivaina. Ahitsio
Adraiko
[admin]
: (draiko), mt. at. (adraikoy): Asaina midraiko, asaina mandeha mijaikojaiko: Adraikony er? ny tongony rehefa mandeha, mova tsy irony zaza be parasy fahiny irony. Ahitsio
Adradradradra
[admin]
: (dradradradra), mt. at. (adradradradrao): A-tao midradradradra: Feo mafy mikarantsana no nadradradradrany, ka tsy nisy tsy nandre ny fokontany. Ahitsio
Adra
[admin]
: t,-p.: tenim-piontanana enti-mandà amim-pifaliana na enti-maneso, manivaiva: Adrà! tsy vitako izany! ¶ M.h.: Aisy, aoe, adrao, editay, eisieisy, isitra. - t.i.f.: adraina ) miadra, fia-dm, mpiadra 1 iadrana, fiadrana ( mampiadra. Ahitsio
Adoroboka
[admin]
: (doroboka), mt. at. (adorobohy): Atao midoroboka be ambany sy mirebareba: Aza adoroboka toy izao ny akanjonao, Raivo, fa mba ataovy etiety fohifohy. Ahitsio
Adoraraka
[admin]
: (doraraka), mt. at. (adoraraho): Asaina midonana-poana. Ahitsio
Adongaingy
[admin]
: (dongaingy), mt. at. (adongaingeo): Atao midongaingy, izany hoe mikainkona mihaona amin'ny...: Nadongaingin'ny fitondranci entana ny lohan'i Rainiraoty ka zary niientika tao amin' ny lamosiny. Ahitsio
Adonaka
[admin]
: (donaka) mt. fit. (adonafy): Enti-mandonaka, manempotra amin'ny setroka: Afom-bozaka roa entana no nadonany anay tao anefitra ka sempotra daholo izahay rehetm. Ahitsio
Adonadonina
[admin]
: (adonadona), mt. ih. (adonadony): Tratrevatrevaina: Aza dia adonadonina toy izany ny anabavinao. Ahitsio
Adonadonana
[admin]
: (adonadona), mt. ih. (adonadony): Esoina, tsiratsiraina, vingavingaina. Ahitsio