Teny nampidirina farany

Adiridiry
[admin]
: (diridiry), mt. at. (adiridirio): Henjanina mafy ny hodi-maso mba hahatonga ny maso hivandraka sy hisokatra be: Aza adiridiry ohatra izao ny masonao fa mahatahotra. Ahitsio
Adiresy
[admin]
: (fr. adresse), a.: Fanondroana ny toerana onenan'ny olona iray: Axa fady indrindra mba lazao ahy kely ny adiresin-drainao. Ahitsio
Adinkisa
[admin]
: a.: Anarana laharantsikidy iray amin'ny sikidy alanana (fer.: Sikidy). Ahitsio
Adinina
[admin]
: (adina), mt. ih. (adino): Anontaniana, antsafaina: Nadiniko azy ny anarany fa tsy namaly izy. • Fotorana lalina na mafy, alaina am-bavany; donina, pohina, haro-fana, faninina: Nadinina ilay uoampanga ny amin'ny nandaniany ny androny, nefa nihenahena velona. • Tsapafna fahaizana, zahana fahaizana: Nadinina marika aho aninaraina ka tsy nahay. Ahitsio
Adiny
[admin]
: na Adim-pamantaranandro a: Ny iray ampahefatra amby roapolon'ny andro iray manontolo; fotoana vitan 'ny sah az ab em-p am antaranan dro mihodina indray mandeha tanteraka: Efa adiny roa (efa adim-p aman ta ranandro roa) izao no niandrasako anao teto. Mbahilazana ny ampahan'ny ora dia ny teny adiny ihany no ampiasafna: Antsasak'adiny, ampahefatr'adiny. Ahitsio
Adiny
[admin]
: a.: Ny mafy, ny sarotra, ny manahirana amin'ny raharaha iray: Ny manoro toa mora, fa ny manao no adiny. Mora ny miteny fa ny manao no adiny. * Ohab.: Androngo nangataka ka ny mody no adiny. Ahitsio
Adingina
[admin]
: (dingina), mt. at. (adingino): Atsangana henjana mahitsy: Nadingin'ny alika ny rambony dia lasa izy. Ahitsio
Adingidingy
[admin]
: (dingidingy), mt, at. (adingidingio): Asondroititra avo. Ahitsio
Adingana
[admin]
: (dingana), mt, at. (adingano): Ahoatra, adika: A-za adingana ny lohan-drainao ny sahafa, anaka. Ahitsio
Adina
[admin]
: Adinadina Ahitsio
Adimizana
[admin]
: a.: Anaran'ny volana fahafito amin'ny filaharan'ny volana malagasy mari-na, aorian'ny Asombola ary alohan'ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin'ny zoron-trano atsimo andrefana (zorombaravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin'ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy. • Fanandr.: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty. Ahitsio
Adimby
[admin]
: (dimby), dit. at. (adimbaso): Asolo: Ny zanany lahimatoa no nadimby azy. Mividiana tsofa uaouao hadimby an'it?. Ahitsio
Adilotra
[admin]
: (dilotra), mt. at. (adilory): Akasoka mafy , akitroka. Ahitsio
Adilana
[admin]
: (dilana), mt. fit.(adilano): Entina manety eo afovoany. Ahitsio
Adikasajy
[admin]
: a.: Laharan-tsikidy faharoa ambin'ny folo amin' ny sikidy alanana der. Sikidy). Ahitsio
Adika
[admin]
: (dika), mt. at. (adikao): Alaina tahaka: Adikao ireo soratra hitanareo amin'ny solaitrabe ireo. • Avadika amin'ny fiteny hafa: NadikandRabe tamin'ilay vazaha ny tenin'i dada. • Ampandalovina eo ambony: Aza fady fa adikako anao ity lovia ity. • Lazaina, taterina: Ka angaha tsy loza fa nadikany tamin'ny mpampiasa ilay teninao teto omaly iny. • Heverina: Nadikany ho tsy fitiavana azy ny fanakianana ny nataony. Ahitsio
Adijidà-Sefo
[admin]
: (fr, adjudant-chef) a,: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan' ny Aspirà izay amboniny sy ny Adijidà tsotra ambaniny, mitovy laharana amin'ny Maftre voalohany amin'ny tafika an-dranomasina (jar, Grady). Ahitsio
Adijidà
[admin]
: (fr. adjudant) a.: Ambaratongam -pahamboniana na gradin'ny miaramila antanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Adijidà-Sefo amboniny sy ny Serizà-Sefo ambaniny; mitovy laharana amin'ny Maître tsotra amin'ny taffka an-dranomasina (jer. Grady). Ahitsio
Adijady
[admin]
: a.: Anaran'ny volana fahafolo amin'ny filaharan' ny volana malagasy marina, aorian'ny Alakaosy arY alohan'ny Adalo, ka ny toerana nomen'ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin'ny zorony avaratra andrefana (zorombaravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tianko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin'io. • Fanandr:vavany:alam-bintana fandrao dia mijadfna loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany. Ahitsio
Adifika
[admin]
: (difika), mt. at. (adifiho): Apitika, esorina hiala erF. Ahitsio