Teny nampidirina farany

Aboiboika
[admin]
: (boiboika), mt. at. (aboiboiho): Avoaka miboiboika, mifantsitsitra. Ahitsio
Abohitra
[admin]
: (bohitra), mt. at. (abohiro): Entina manabontsina. Ahitsio
Abofaka
[admin]
: (bofaka), mt. at. (abofaho): Alefa, aelY (fofona, vovoka) betsaka indray mandeha, adofaka: Nabofaky ny hainandro ny fofon'ny fako ka niely eran'ny tokotany. Ahitsio
Aboeriboerika
[admin]
: (boeriboerika), mt. at. (aboeriboereho): (Teny) atao miboeriboerika, betsaka tsisy farany, miboredldredika toy ny fitenim-bazaha: Tsy azoko ny teny naboeriboeriny teo ha lasa aho. Ahitsio
Abodika
[admin]
: (bodika), mt. fit. (abodeho): Enti-milaza ny zavatra ampiasaina hanasavoritahana, hanasavorovoroana. Ahitsio
Aboboka
[admin]
: (boboka), mt. fit. (abobohy): Entina hahalena, hamontosan-drano. Ahitsio
Abobobobo
[admin]
: (bobobobo), mt. at (aboboboboy): Asitrika ao anaty rano: Nabobobobony ilay alika dia maty. Ahitsio
Aboalina
[admin]
: a.: Bibikely mivelona an'andiany any anaty tany na anaty hazo izay loahany asiany zohy. Ahitsio
Aboadaboada
[admin]
: (boadaboada), mt, at. (aboadaboadà): Lazaina misafotofoto. Ahitsio
Aboaboina
[admin]
: (aboabo), mt. ih. (aboaboy): Avoavoina, aingaingaina, ambonina.l Deraina fatratra, ankalazaina izaitsizy: Noaboaboina eran'ny tanàna ny mpandresy. 1 A-sondrotra, akarina: Mandry rano loatra io tapenaka io ka aboaboy kely. Ahitsio
Aboabo
[admin]
: (abo) t.v.r.: Avoavo. t.i.f.: aboaboina, voaboabo ( manaboabo, fanaboabo,mpanaboabo ) anaboaboana, fanaboaboana ( miaboabo, fiaboabo, mpiaboabo ) iaboaboana, fiaboaboana. Ahitsio
Abo
[admin]
: p• t.: Teny fahita indrindra amin'ny fitenim-paritra mitovy hevitra amin'ny hoe avo, ambony, tsy takatra: A-bo toerana loatra io boky io ka makà tohatra. Ahitsio
Abitsika
[admin]
: (bitsiha), mis at. (abitsiho): Lazaina malemilemy, tenenina moramora eo ampoto-tsofina: Inona no nabitsiny anao teo? Ahitsio
Abisioka
[admin]
: (bisioka), mit. at. (abisiohy): Asaina mivily. Ahitsio
Abiririoka
[admin]
: (biririoka), mt. at. (abiririohy): Ampanenoina toa misioka: Nabiririokan'1-sambilo ny karavasiny ka taitra daholo ny omby. Ahitsio
Abirioka
[admin]
: (birioka), mt. at. (abiriohy): Avily any amin'ny tsy izy: Aza abirioka ny resaka, raondriana. Ahitsio
Abilimborona
[admin]
: a.:Anaran-kafa ilazana ny toloho. Ahitsio
Abily
[admin]
: a.: Olon-dratsy, jiolahin'olona, karin'olona. t.i.f.: miabily, fiabily, mpiabily / iabiliana, fiabiliana ) habiliana. Ahitsio
Abidy
[admin]
: a.: Fitambaran'ny tarehintsoratra misy amin'ny fitenim-pirenena iray: Misy tarehintsoratra iraika amby roapolo amin'ny abidy malagasy: a, b, d, e, f, g, h, i, j, k, l, m, n, o, p, r, s, t, v, y, z. / Ny fotopototry ny zavatra na ny fahaizana iray, ny anton-javatra resahina na lazaina: Miteniteny momba ny baomba atomika Rangahy io, kanefa tsy mahalala ny abidin'izany akory. Ny ambaratongam-pianarana ambany indrindra ianaran'ny ankizy manambatra tarehintsoratra, manao bi-a-ba: Efa kilasy fahafiry izao ilay faralahinao? — Mbola ao amin'ny abidy ny anao. Tsy mahay abidy; tsy mahalala abidy: tsy mahay taratasy, tsy mahay bi-a-ba, tsy mahalala na inona na inona. / Abidy mifandika: zavatra mifandingana be ihany./ Abidy samy hafa: zavatra tsy mitovy velively, tsy mifandray lany tendro, samy ma-nana ny antony, sasanangy samy hafa. Ahitsio
Abiba
[admin]
: a.: Zavamainry fanao ody kitro, atao petakilasy ny tsirim-boany ary ny nofomboany fanao ody manirano. Ahitsio