Teny nampidirina farany

Aby
[admin]
: p, mt.: Teny fahita indrindra amin'ny fitenimparitra, mitovy hevitra amin'ny hoe daholo, avokoa: Tonga aby ny mpianatra tao am-pianaranay androany f.-p.: Isika aby: teny fampiasa ho valin'ny firariana hoe: "Velona", raha misy mievina. Ahitsio
Abetroka
[admin]
: (betroka), mt. at. (abetrohy): Atao mibetroka; avontirika feno fandrahonana: Aza abetroka tahaka izao ny masonao fa mampatahotra. Ahitsio
Abehambehana
[admin]
: (behambehana), mt. at. (ambehambehano): Atao mibehambehana, avelatra (tanna) na asabàka (tongotra) mba haka toerana be toa mitory fanambonimbonian-tena. Ahitsio
Abata
[admin]
: (bata), mt. fit. (abatao): Entina mibata: Tanana roa abata io entana io fa tsy zakanao tanna anila io. Ahitsio
Abaribary
[admin]
: (baribary), mt. at. (abaribario): Sokafana tsara. 1 Aseho miharihary tsy misy miafina: Nabaribarin'ny mpitsara ny heloka vitan-dRakoto. Ahitsio
Abarera
[admin]
: (barera), mt. at. (abarerao): Avala hibarera, hitaritarika; arefarefa: Mafana ny andro ka abareran'ny akoho ny elany. Ahitsio
Abarareoka
[admin]
: (barareoka), mt. at. (abarareohy): Avala hibarareoka, asaina mibarareoka. Ahitsio
Abaraingo
[admin]
: (baraingo), mt. at. (abaraingoy): Atao mibaraingo, vokoka; aolana. Ahitsio
Abaradaka
[admin]
: (baradaka), mt. at. (abaradaho): Asaina na avala hibaradaka; tapatapahina eo am-pitenenana. Ahitsio
Abara
[admin]
: (bora), mt, fit. (abarao) Ampiasaina hatao tsivalana: Nisy uatan-kazo lehibe nabarany ny uauahady. Ahitsio
Abanjina
[admin]
: (banjina), mt, at. (aban)ino): Afantoka amin'ny: Nabanjiny ny sarin-dreniny ny masony dia natory izy. Ahitsio
Abandrina
[admin]
: (bandrina), mt, fit. (abandrino): Entina mibandrina, mijery amin'ny maso tezitra toa mandrahona. Ahitsio
Abanàka
[admin]
: (banaka), mt. at. (abanaho): Atao mivoha tsara: Abanaho ny uauahady hidiran'ny fiara. Ahitsio
Abanabana
[admin]
: (banabana), ntit, at. (abanabanao): Atao mibanabana, mivoha na misokatra tanteraka: Abanabanao ny uaravarambe sy varauarankely fa manempotra izany fofon'arina izany. Ahitsio
Abaliaka
[admin]
: (baliaka), mt. at. (abaliaho): Atao mibaliaka, misokatra be, mibalela-bozona (akanjo). Ahitsio
Abalabala
[admin]
: (balabala), mt. fit. (abalabalao): Ampiasaina ha-tao bala. Ahitsio
Abaka
[admin]
: (baka), mt. at, (abakao) Atao mibaka, mihataka toy ny rantsan'ny tarehintsoratra V: Abakao ity hazo ity hanaovako filesy. Ahitsio
Abaiko
[admin]
: (baiko), mt, fit. (abaikoy): Entina manome baiko: Py maso fotsiny no abaikony ny alikany. Ahitsio
Abahana
[admin]
: (bahana), mt. at. (abahano): Atao mibahana, atsivetraka mba haka toerana be, asakana: Aza abahana eo ny tongotrao fa andehanan' ny olona eo. Ahitsio
Abafoka
[admin]
: (bafoka), mt. at. (abafohy): Avala hitsilailay eo am-pandriana: Aiza no tsy ho kamo i Solo kely? zauatra abafok'i reniny hatramin'ny valo maraina ny adala lahy. Ahitsio