Teny nampidirina farany

Ababy
[admin]
: (baby), mt. at. (ababeo): Atao am-babena. Ahitsio
Aba
[admin]
: a. Teny fahita indrindra amin'ny fitenim-paritra, mitovy hevitra amin'ny hoe:dada, kaky: Ey, abako be, hoy Iboina tamin-dRanakombe, izaho no izy. (Jar. Dada). Ahitsio
Aatrana
[admin]
: (atrana), mt.at. (aatrano): Fiteny amin'nY basy izay raisina ka ajoro tsara: Naatran'ny miaramila ny basy nandritra ny porizenitra. Ahitsio
Aatokatoka
[admin]
: (atokatoka) mt.at. (aatokatohy): Ahetsiketsika mba ho mari-pandavana: Ny lohany naatokatony no mariky ny fandauany. Ahitsio
Aatoka
[admin]
: (atoka), mt. at. (aatohy): Hetsehina midina sy miakatra ny loha ho mari-panekena na fiantsoana: Tsy niteny izy fa ny lohany fotsiny Ahitsio
Aato
[admin]
: (ato), mt. at. (aato), mandidy (aatoy): Ajanona kely fa tsy tohizina; tapahina: Naato ny fivoriana mba hahafahana mifanakalo hevitra. Aatoy ny fiara fa misy miala. Ahitsio
Aapanapana
[admin]
: (apanapana), mt. at. (aapanapano): Atotototo, avezivezy: Mba ratsy koa Rangahy iny; naapanapany eran'ny birao ity olona ity. Ahitsio
Aantsona
[admin]
: (antsona), mt. at. (aantsony): Atao miantsona, ajanona amin'ny toerana iray amoron-dranomasina: Naantsona tsy fidiny tao Toamasina ilay sambo noho ny tafiodrivotra. Ahitsio
Aankina
[admin]
: (ankina), mt. at. (aankino): Atao miankina (amin' ny hevitra ara-bakiteny): Aza aankina amin'ny rindrina ny sahafa sao maloto ny rindrina. Ahitsio
Aampatra
[admin]
: (ampatra), ma at. (aamparo): Atsotra mandry mivalampatra; avalandotra: Andeha haampatra etsy ambony ahi-maitso aloha ny marary. Ahitsio
Aaloka
[admin]
: (aloka) mt. at. (aatofy): Atao fialofana: Ireto ampanga ireto aaloka ny zanakazo. Ahitsio
Aainginaingina
[admin]
: (ainginaingina), mt. at. (aainginaingeno): Apetraka amin'ny toerana avo: Aza aainginaingina eny io tavim-boninkazo io. Ahitsio
A
[admin]
:Endriky ny an na ana eo alohan'ny teny iray manomboka amin'ny m na n: Amorona (an-morona), anosy (annosY) Ahitsio
A
[admin]
:: Tovona fanaovana karazana matoanteny roa, dia: a) ny matoantenin'ny atao (mt. at. J, izay entina milaza ny hevitra hoe "atao" na "asaina" na "avela"...: Aato: asaina miato; ajaridina: avala hijaridina. b) ny matoantenin'ny fitaovana (mt. fit.), izay enti-milaza ny zavatra "entina manao" na "ampiasaina hanao" asa iray: Adaka: entina mandaka, adidy: ampiasaina handidy. Ahitsio
A
[admin]
: t.p, : Feo kely ampanarahina ny anaran'olona antsoina raha ankizy na olona tsy dia hajaina firy: 0 ry Koto a, ento aty ny famaky. •Enti-milaza fahatairana, figagana: A! hadinoko lahy ny nampandre an-dry dadatoa! ~ Entimiangavy somary mihanta ary manantitrantitra: Itondray mofo kely ange aho rehefa mankany an-tsena i neny; izany ange, ry neny a! Ahitsio
A
[admin]
:Tarehintsoratra ary zanatsoratra voalohany amin'ny abidy malagasy. Ahitsio