Teny nampidirina farany

Meso
[hery]
:a,: Antsy fandidiana lao-ka efa masaka; antsy kely fitsongoana anana. Ahitsio
Merona
[hery]
:p.t.: Maintln'ny loto na tseroka; ngerona. Ahitsio
Marina
[hery]
:a.: Foko lehibe monina afovoan'ny Nosy, izany hoe amin'ny tampon-kavoana voafaritry ny tanin'ny Vonizongo, avaratra, nY tendrombohitr'Ankaratra, aisimo, ny reniranon'i Sakay, andrefana, ny tandavan-tendrombohltr'Angavo, atsinanana. Tanan-dehibe: Antananarivo, Antsirabe, Miarinarivo, Soavinandriana, Ambatolampy, Arivonimamo, Manjakandriana. Samy manana ny anarana iantsoany ny Merina ny foko samihafa any anindrana: Amboalambo, hoy ny Sakalava; Ambaniandro na Merinalavasofina, hoy ny Betsileo; Antaimerina, hoy ny foko sasantsasany, ary Hova, hoy ny Betslmisaraka. Ahitsio
Merika
[hery]
:(erika) Avy orana madinidinika tsy miato: Merika ny andro omaly ka tsy maina ny lamba, / Meri-dava any anaty ala. Ahitsio
Merika
[hery]
:a.: Karazan-kazo fana-ovula tady ny hodiny. Ahitsio
Merana
[hery]
:a,: Karazan-kazo. Ahitsio
Meo
[hery]
:a.: Feon-tsaka. i (1. f.: Mimeo, fimeo, mpi. meo. Ahitsio
Mentsomentsona
[hery]
:a,: TenitenY betsaka tsy misy antony; fi. bedibedena tsy misy fiatoana sy lavareny; kamentsona: Tsy ho tapitra akory ny mentsomentson - dRamatoa fa aoka ny asa no hatao tsara. Ahitsio
Menomenona
[hery]
:na Menimenina a,: Teniteny betsaka mariky ny tsy fahafaliana amin'olona; kamenona: Tsy ny raharaha no atao fa be menomenoria eo! - t.i.f: Menimenenina, * F,-p,: Menomenom.po: fiahiahiana am-po; fanirlana, vetsovetsom-po. / Afaka menomenom-po: tsy manana ahiahy lntsony. Ahitsio
Menimenenina
[hery]
:(menimeny) mt. ih. (menimeneno): Tarlavana, itarainana: Zavatra betsaka no nomenimeneniny tao. * F,-p,: Tsy hita menimeneni. na: enti-milaza zavatra tsy hita izay holazaina ny aminy, tsy azo fantarina. Ahitsio
Mendrika
[hery]
:(endrlka) p.t.: Entimilaza olona (na ny fihetsiny) manana fahamboniana mitandro ny hajan'ny tenany: Lehilahy mendrika izy ka tsy mahagaga raha voafidin'ny uahoaka, ~ TokonY hanana,tokonY hahazo,,,noho ny toetrany na ny zavabitany: Mendrika hofatzina ny olona nahavita heloka, / Mendrika fiderana ny mpan_ dresy, ~ Sahaza, mifanaraka, mifanentana: Hahazo ualiny mendrika ny asany avy ny olon-drehetra. Ahitsio
Mendo
[hery]
:na Mendomendo p.t.: Misy menaka ka minendonendo, mandimandina, Ahitsio
Mendy
[hery]
:(endy) p.t.: Nandrahoina tamin'ny menaka ary tsy nasiana rano: Efa mendy i. zay ny hena ka esory. ~ Notenehina tsisy rano na mena-ka tao anaty lapoaly na ma. karakara vy fitonoana, mandra-pahatongany maimay: Mendy tsgra lzany kafe izany ka mandraraka izaitsizy, ? h, o.: a) Mafn'ny hetaheta: Mendy aho Izany, fa sady be 'tira ny laoka androany no mafana aoka izany ny andro, b) Mitaitay hanao zavatra, maimay: Mendimendy ery ny anao lahy hitaingin-dakana kanjo navadiny tampoka. Ahitsio
Menavazana
[hery]
:p,t. na a,: Efa ela nanaovana, tranainy: lreny efa mpampianatra menavazana. ? Olona nanao raharahamiaramila taloha. Miaramila efa napetraka nefa naverina indray hifidianana ny mbola tokony ho volon'ny miaramila ihany: Nantsoina hivory daholo ny menavazana fa misy fiheverana ny vola fanamplana azy. ? M.h.: Bekotromaroholatra. Ahitsio
Menavava
[hery]
:Zaza vao tera-ka: Zazakely vao menavava. Ahitsio
Menatra
[hery]
:(henatra) P.t.: Mahatsiaro tena ho afa-baraka fa nahavita asa na nampiseho toetra tsy mendrika: Menatry ny lainga nataony izy. * Matahotahotra miseho eo imason'olona: Menatra aho mamakivahy ireo olona am_ polony maro tsy manan-kojerena afa-tsy izaho, - F,.p,: Mahamena-maso: ma. ha te hanaja. / Tay mena.mitaha: olona mendrika na zavatra tsara sy kanto, afaka mifaninana amin'ny hafa. * Fiten.; NY vato menatra ny vato, ny hazo menatra ny hazo: anatra nanehoan'ny razana fa tokony hahatsiaro menatra ny olona, fa tsy ho toy ny vato aman-kazo. * Ohab.: Mena-maso an.dao. ka ka manao fatra-maina: enti-milaza olona manaikinafky foana noho ny henatra na dia zavatra tsy tokony ho a. zy aza no atolotra azy, ? M.h,: Kaontra, saikatra, misafosirana, somaingisain gy, sakodiavatra, saro-kena. txa, mihasihasy. Tsy mena. tra, lany henatra, lany hasina, tsy manan-kenatra, tsy valahara, tsy manan-kambo, tsy vaky aty,tsy vaky atatra, tsy vaky afero, tsy naniry volo ny handrina, latsaka ondana, afa-baraka, afa-boroka afa-pofona, maimbo erona, maimbo tsikahonkahona, maivoka, mavoin-tena, tsy mitandro henatra, tsy mena. milahatra, tsy mena-misoratra, tsy mizara hena-maso. Ahitsio
Menarana
[hery]
:a.: Karazambibilava lehibe, Ahitsio
Menapina
[hery]
:p.t.: Volon-doko mandray ny vonY sy ny me-na. Ahitsio
Menamaso
[hery]
:a,: Anaram -b orona karazana papelika (Ery. throxylum nitidulum). Ahitsio
Menakely
[hery]
:a.: Karaza.mofo a. tao amin'ny kobam-bary misy siramamy ka endasina. Ahitsio