Teny nampidirina farany

Mifezaka
[hery]
:(fezaka) mt. s. na p. t.: Fisaka: Mifezaky ny hanoanana izany ny kiboko. Ahitsio
Mifezafeza
[hery]
:(fezafeza) p.t.: Mahia lava noho ny hanoanana: Mifezafeza er? ny fijeriko an-dRandria izany, ohatra ny hidaboka iny raha vao hotsofin'ny rivotra. Ahitsio
Mifetsy
[hery]
:(fetsy) mt. s. (mifetse): Mangalatra amim-pahakingana: Fadio ny mifetsy zavatr' olona, rankizy. Ahitsio
Mifetsaka
[hery]
:(fetsaka) mt. s, (mifetsaha): Mianjera, mirodana, mikoa: Nifetsaka ny tambohony. 1 Mivarina; mihazakazaka mankany: Nifetsaka tany an-dauabato ireo mpangalatra nenjehin'ny fokonolona. Ahitsio
Mifetra
[hery]
:(fetra) mt. s.: Misy fetrany: Mifetra ny hafaliana rehetra eto an-tan y. Ahitsio
Mifetoka
[hery]
:(fetoka) mt. s. (mifetoha): Manao endrika toa mampitahotra sy vonona hamely: Nifetoka izy ka natahotra aho. 1 h,i.: Miomana hamely amin'ny tandrony (ny omby). - Tsy mifetoka: tsy mihambahamba fa avy hatrany dia mamely. Ahitsio
Mifetaka
[hery]
:(fetaka) mt, s. (mifetaha): Miraikitra, mipetaka: Nifetaka tamin'ny vatan'ny fiarakodia ny fotaka. Ahitsio
Mifeta
[hery]
:(feta) p.t.: Marihitrana madity toy ny feta na fotaka. Ahitsio
Miferinaina
[hery]
:(ferinaina) mt. s.: Mijaly mafy, mitoloko na mitaraindraina noho ny fijaliana mafy mihatra amin'ny tena (fiteny koa ny hoe: miferitraina): Miferinaina Ramatoa io isaky ny miditra ao an-trano ny vadiny mamo lava. Ahitsio
Mifentsahona
[hery]
:(fentsahona) p. t.: Mikainkona, mikarainkona, miketrona, mifendrotra: Nifentsahona ny hoditr'ilay antidahy efa sivifolo taona. Ahitsio
Mifentifenty
[hery]
:(fenty) nits. na p.t.: Malama vava erir raha miteny, kinga sy sahy miteny; mitefontefona. Ahitsio
Mifenty
[hery]
:(fenty) p.t.: Kinga, mahay miteny, miangesongeso fiteny. Ahitsio
Mifeno
[hery]
:(feno) mt, s.: Miampy: Mifeno ihany ny fitehirizam-boky ato aminao izany. Ahitsio
Mifenja
[hery]
:(fenja) mt. s.: Voageja, voagia. Ahitsio
Mifenifeny
[hery]
:(fenifeny) p.t.: Maimay: Mason-tanora miranga ny anay ka mifenifeny ny hahazo (Tsel.) Ahitsio
Mifendrotra
[hery]
:(fendrotra) mt. s.: Miketrona: Nifendrotra ny endriny teo am-pamakiana tlay taratasy. Ahitsio
Mifendrofendro
[hery]
:(fendrofendro) p.t.: Mifararemotra, na miketron-tarehy sady manganohano toa te hitomany. Ahitsio
Mifelika
[hery]
:(felika) mt. s.: Miolaka, miolika, mihodivitra. Ahitsio
Mifelana
[hery]
:(felana) mt, s.: Mivelatra, vaky: Efa mifelana ny voninkazo. / Manao teny mamy, vava soa, mampanantena hanao. Ahitsio
Mifehy
[hery]
:(fehy) mt. p. (mifeheza): Mamatotra: Mifehy kitay. / Mitondra, miadidy: Tsy zava-mora akory ny mifehy vahoaka. ? M.h.: Mifehy, mifatotra, mirohy, mivadiditra. Ahitsio