Dikan'ny teny : Andry

Hampiditra dikany vaovao
1 ft.: Enti-milaza fitsorana, fivalamparana eo ambony tany, kidoro; fatoriana amin'ny alina, filamina tsisy tebiteby. - t.i.f.: tafandry i mandry, fandry, mpandry ) andriana, fandriana ( mampandry. Ahitsio
2 a.: Tohana mDoro vita amin'ny biriky, hazo na vato: Nisy andry telo nifanandrify tao amin'ny tranon'ny Ntaolo. - F,-p,: Mananika andry ma-lama: mametra zavatra sarotra na dia hita aza fa mety hahavoa tena. Ahitsio
3 mt. ih. ft.: Antenaina ~ ho avy ka miianona eo ihany ny tena ambara-pahatongany: Sakafo tsy andrin'ny maika ny anareo izany, ry Ketaka, ka handeha aho. • a.: Fiambenana, fitandremana: Tsara andry ny ombintsika fa olona mahatoky izy ? Fitiliana: Ataovy andry maso io zazalahy io fa efa tratra naka zavatr'olona. - t.i.f.: andrasana ) miandry, fiandry, mpiandry ) iandrasana, fiandrasana i mahandry, * Ohab.: Andriamanitra tsy andrin'ny sasany, andriko ihany: atao fampiononan-tena amin'ny ratsy ataon'ny sasany ny tena ny famalian' Andriamanitra, na ho ela na ho haingana, noho ny fahamarinany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel